Hijery ny anatiny

Tsy Maintsy Lasa Vavolombelon’i Jehovah ve Aho Raha Mianatra Baiboly Miaraka Amin’izy Ireo?

Tsy Maintsy Lasa Vavolombelon’i Jehovah ve Aho Raha Mianatra Baiboly Miaraka Amin’izy Ireo?

 Tsy voatery. An-tapitrisany no mianatra Baiboly miaraka aminay nefa tsy hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah daholo. a Fa inona no tena tanjonay amin’ilay izy? Te hampiseho aminao fotsiny izahay hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly. Ianao ihany avy eo no manapa-kevitra hoe inona no hataonao rehefa fantatrao ilay izy. Ekenay mantsy hoe anjaran’ny tsirairay ny mifidy izay fivavahana tiany.​—Josoa 24:15.

Tsy maninona ve raha ny Baiboliko ihany no ampiasaiko rehefa mianatra?

 Tsy maninona! Tianay ny mampiasa an’ilay fandikan-teny maoderina hoe Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Afaka mahazo maimaim-poana amin’izy io aza ianao, raha tianao. Tsy mampaninona anay anefa raha ny Baibolinao ihany no tianao hampiasaina. Saika ny Baiboly rehetra mantsy no miresaka momba ny fiainana mandrakizay sy manampy ny olona hanana fanantenana.

Fa maninona ianareo no mianatra Baiboly miaraka amin’ny olona tsy mitovy fivavahana aminareo?

  •   Tianay i Jehovah Andriamanitra, dia izay no antony lehibe indrindra. Tian’i Jehovah raha resahin’ny Kristianina amin’ny hafa ny zavatra nianarany. (Matio 22:37, 38; 28:19, 20) ‘Miara-miasa amin’Andriamanitra’ àry izahay, ka manampy ny olona hahafantatra an’izay ampianarina ao amin’ny Teniny. Hitanay hoe tsy misy tombontsoa lehibe kokoa noho izany.​—1 Korintianina 3:6-9.

  •   Tianay koa ny mpiara-belona aminay. (Matio 22:39) Faly izahay rehefa resahinay amin’ny olona ireo zavatra mahafinaritra be nianaranay.​—Asan’ny Apostoly 20:35.

a Nitarika fampianarana Baiboly 7 281 212 izahay isam-bolana, tamin’ny taona 2023. Betsaka amin’izy ireo no olona maromaro niara-nianatra. Olona 269 517 monja anefa no natao batisa, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’io taona io.