Isaia 25:1-12

  • Fitahiana be dia be ho azon’ny vahoakan’Andriamanitra (1-12)

    • Fanasambe misy divay tena tsara (6)

    • Tsy hisy fahafatesana intsony (8)

25  Ianao no Andriamanitro, Jehovah ô! Mankalaza anao aho ary midera ny anaranao.Fa nanao zava-mahagaga be dia be ianao,+Dia zavatra efa nokasainao* hatramin’ny taloha ela be,+Satria tsy mivadika ianao sady mendri-pitokisana foana.+   Fa nataonao lasa korontam-bato ny tanàna,Ary lasa zavatra efa ravarava sisa ny tanàna voaro mafy. Tsy tanàna intsony ilay tilikambo fonenan’ny vahiny,Ary tsy haorina intsony koa.   Hanome voninahitra anao àry ny vahoaka matanjaka,Dia hatahotra anao ny tanànan’ireo firenena mpanjakazaka.+   Lasa manda fiarovana ho an’ny madinika mantsy ianao,Fiarovana mafy ho an’ny mahantra mijaly,+Fialofana amin’ny oram-baratra,Ary alokaloka amin’ny hafanana.+ Rehefa mamely hoatran’ny oram-baratra mifafy amin’ny manda ny mpanjakazaka,   Toy ny hafanana migaingaina any amin’ny tany karakaina,Dia ataonao mangina ny tabataban’ny vahiny. Hoatran’ny hafanana mihamalefaka rehefa tratry ny aloky ny rahona,Dia ampanginina koa ny hiran’ny mpanjakazaka.   Hanao fanasambe ho an’ny firenena rehetra i Jehovah Tompon’ny tafika, eto amin’ity tendrombohitra ity,+Dia fanasambe misy hanim-pito loha,+Fanasambe misy divay tena tsara,*Sy hanim-pito loha sady be tsoka,Ary divay tena tsara efa notantavanina.   Hesoriny* eto amin’ity tendrombohitra ity ny lamba manarona ny vahoaka rehetra,Sy ny lamba* voatenona mandrakotra ny firenena rehetra.   Hofoanany* tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana,+Ary hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.+ Hataony tsy afa-baraka intsony ny vahoakany, na aiza na aiza eran-tany,Fa i Jehovah no efa niteny an’izany.   Amin’izany andro izany, dia hiteny izy ireo hoe: “Izy no Andriamanitsika!+ Manantena azy isika,+Dia hamonjy antsika izy.+ Izy no Jehovah, Ary manantena azy isika. Andao isika hifaly sy hiravoravo satria mamonjy antsika izy.”+ 10  Fa hiaro an’ity* tendrombohitra ity ny tanan’i Jehovah.+Dia hohitsakitsahina ao amin’ny taniny ihany i Moaba,+Hoatran’ny mololo hitsakitsahina ao anaty zezika. 11  Hikapoka azy ny tanany,Toy ny ataon’ny mpilomano mikapoka rano amin’ny tanany rehefa milomano.Haetriny i Moaba fa mirehareha loatra,+Ka mailaka erỳ izy hikapoka azy amin’ny tanany. 12  Dia harodany ilay tanàna voaro mafySy ny manda fiarovany avo be.Hazerany amin’ny tany, eo amin’ny vovoka, izany.

Fanamarihana

Na: “Dia torohevitra.”
Na: “divay efa naotrika ela.”
Na: “voaly.”
Abt: “Hateliny.”
Abt: “Hateliny.”
Abt: “hipetraka eto amin’ity.”