Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | METY HO VELONA INDRAY VE NY MATY?

Azonao Antoka ve hoe Mbola ho Velona ny Maty?

Azonao Antoka ve hoe Mbola ho Velona ny Maty?

Tsy misaina tsara ve izay mieritreritra hoe hitsangana ny maty? Tsy izany mihitsy. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia isika no mampahonena indrindra amin’ny olona rehetra. Efa natsangana tamin’ny maty tokoa anefa i Kristy, izay voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry.” (1 Korintianina 15:19, 20) Nino i Paoly fa hatsangana ny maty, ary azo antoka izany noho ny nananganana an’i Jesosy. * (Asan’ny Apostoly 17:31) Nantsoiny hoe “voaloham-bokatra” i Jesosy satria izy no natsangana voalohany mba hiaina mandrakizay. Raha misy ny voalohany dia tsy maintsy misy koa ny manaraka azy.

Hoy i Joba tamin’Andriamanitra: “Haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.”—Joba 14:14, 15

Nahoana koa no azo antoka hoe hitsangana ny maty? Milaza ny marina foana i Jehovah, ilay Andriamanitra “tsy mahay mandainga.” (Titosy 1:2) Mbola tsy nandainga izy ary tsy handainga mihitsy. Izy ve dia hampanantena hoe hatsangany ny maty, sady asehony mihitsy hoe vitany izany, nefa avy eo tsy hotanterahiny akory?

Nahoana i Jehovah no hanangana ny maty? Satria be fitiavana izy. Hoy i Joba: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy? ... Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.” (Joba 14:14, 15) Fantatr’i Joba fa tsy ho andrin’ilay Rainy any an-danitra ny hanangana azy. Niova ve Andriamanitra? Tsia. Hoy izy: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” (Malakia 3:6) Mbola maniry mafy hahita ny olona efa maty izy, ary tiany ho salama sy ho sambatra izy ireo. Toy izany koa ny fanirian’ny ray aman-dreny namoy zanaka. Tsy afaka manatanteraka ny faniriany anefa izy ireo, fa Andriamanitra kosa mahavita manatanteraka ny azy.—Salamo 135:6.

Tena ratsy ny fahafatesana nefa mbola hofoanan’Andriamanitra

Homen’i Jehovah hery ny Zanany mba hampifaliana an’ireo maty havana. Ary inona no tsapan’i Jesosy rehefa misy maty? Talohan’ny nananganany an’i Lazarosy, dia ‘nirotsaka ny ranomasony’, rehefa nahita ny anabavin’i Lazarosy sy ny namany nalahelo mafy izy. (Jaona 11:35) Indray mandeha koa izy nahita mpitondratena iray avy tao Naina. Maty ny zanaka lahitokan’io vehivavy io. “Nangoraka azy” i Jesosy “ka nanao taminy hoe: ‘Aza mitomany intsony.’ ” Tonga dia natsangany ilay zazalahy. (Lioka 7:13) Malahelo be àry izy rehefa misy maty na nidonam-pahoriana. Faly i Jesosy rehefa hataony falifaly daholo ny olona nisaona!

Efa nidonam-pahoriana ve ianao? Mety ho nahatsiaro ho tsy afa-nanoatra ianao tamin’izay. Soa ihany fa manome vahaolana Andriamanitra. Hampiasainy hanangana ny maty ny Zanany. Tadidio fa tian’Andriamanitra hahita an’izany ianao. Tiany hihaona amin’ny havanao hatsangana amin’ny maty ianao. Alao sary an-tsaina hoe hiaraka foana ianareo ary tsy hisaraka intsony mihitsy.

Hoy i Lionel, ilay voaresaka tany aloha: “Nianatra momba ny fitsanganan’ny maty aho, tatỳ aoriana. Tsy nety nino aho tamin’ny voalohany sady tsy natoky an’ilay olona niteny an’izany tamiko. Nohamariniko tao amin’ny Baiboly anefa ilay izy ary hitako hoe tena marina. Lasa tsy andriko indray izay hahitana an’i Dadabe.”

Mila fanazavana fanampiny ve ianao? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampiseho anao ao amin’ny Baibolinao hoe nahoana izy ireo no resy lahatra fa tena hitsangana ny maty. *

^ feh. 3 Misy porofon’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty ao amin’ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, pejy 78-86, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 9 Jereo ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io ary azo .