Malakia 3:1-18

  • Ho avy hanadio ny tempoly ilay tena Tompo (1-5)

    • Iraky ny fifanekena (1)

  • Nampirisihina hiverina amin’i Jehovah (6-12)

    • Tsy miova i Jehovah (6)

    • “Miverena amiko dia hiverina aminareo aho” (7)

    • ‘Ento ny ampahafolon-karena, dia handrotsaka fitahiana i Jehovah’ (10)

  • Ny olo-marina sy ny ratsy fanahy (13-18)

    • Boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehan’i Jehovah (16)

    • Tsy mitovy ny olo-marina sy ny ratsy fanahy (18)

3  “Halefako ilay olona irahiko, dia hanomana ny lalana halehako izy.+ Ary ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny+ ilay tena Tompo tadiavinareo. Ho avy koa ilay iraky ny fifanekena izay mahafinaritra anareo. Ho avy tokoa izy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “Iza anefa no hahatanty ny andro hiaviany, ary iza no hahavita hijoro rehefa miseho izy? Fa ho toy ny afon’ny mpandrendrika metaly izy sady ho toy ny savonin’ny+ mpanasa lamba.  Ary hipetraka hoatran’ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy+ izy, dia hodioviny ny taranak’i Levy. Hodioviny hoatran’ny manadio volamena sy volafotsy izy ireo. Ho lasa olo-marina manolotra fanatitra atao fanomezana izy ireo, amin’i Jehovah.  Dia hahafaly* an’i Jehovah ilay fanatitra homen’i Joda sy Jerosalema, hoatran’ny tamin’ny andro fahiny sy tamin’ireo taona taloha ela be.+  “Ho avy hitsara anareo aho, ka ho avy haingana hijoro ho vavolombelona hiampanga ny mpilalao ody,+ ny mpanitsakitsa-bady, ny olona mianiana lainga,+ ny mpanambaka an’izay mpiasa karamainy,+ ny mpanambaka mpitondratena sy kamboty ray,+ ary izay tsy mety manampy ny* hafa firenena.+ Tsy matahotra ahy ireny”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “Fa izaho no Jehovah ary tsy miova aho.+ Taranak’i Jakoba ianareo, ka tsy ho ripaka.  Efa hatramin’ny andron’ny razambenareo ianareo no niala tamin’ny fitsipiko sy tsy nanaraka an’izany.+ Miverena amiko dia hiverina aminareo aho”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. Hoy anefa ianareo: “Dia ahoana no hataonay mba hiverenanay aminao?”  “Hahavita handroba an’Andriamanitra ve ny olombelona? Ianareo anefa mandroba ahy.” Dia hoy ianareo: “Fa inona no nataonay no hoe nandroba anao izahay?” “Tsy nitondra ampahafolon-karena sy fanomezana ianareo.  Tena voaozona* ianareo, satria mandroba ahy. Ny firenenareo manontolo mihitsy no manao an’izany. 10  Ento ao an-trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena rehetra,+ mba hisy sakafo ao an-tranoko.+ Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “dia ho hitanareo fa hosokafako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra.+ Dia handrotsaka fitahiana be dia be aminareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.”+ 11  “Ary hoteneniko mafy ny valala* mba tsy hanimba ny vokatry ny taninareo. Dia tsy hisy an’izany voaloboka tsy mamoa izany eny amin’ny sahanareo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 12  “Holazain’ny firenena rehetra hoe sambatra ianareo,+ satria ho lasa tany mahafinaritra”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 13  “Henjana ny teninareo momba ahy”, hoy i Jehovah. Hoy anefa ianareo: “Fa inona ny resaka nifanaovanay ka nampalahelo anao?”+ 14  “Miteny ianareo hoe: ‘Tsy misy dikany ny manompo an’Andriamanitra.+ Inona izao ny soa mba noraisintsika tamin’isika nanao ny adidintsika taminy, sady nampiseho tamin’i Jehovah Tompon’ny tafika hoe nalahelo fa nanota? 15  Ny olona sahisahy ratsy indray izao no heverintsika hoe sambatra. Ny mpanao ratsy koa no mahomby.+ Sahy mitsapa toetra an’Andriamanitra izy ireo, nefa dia afa-maina fotsiny.’” 16  Tamin’izany andro izany, dia nifampiresaka tamin’ny namany avy ireo matahotra an’i Jehovah. Ary nihaino tsara azy ireo foana i Jehovah. Dia nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,+ ho fahatsiarovana an’ireo matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina* ny anarany.+ 17  “Ary ho ahy izy ireo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “amin’ny andro hanaovako azy ireo ho fananako manokana.*+ Hangoraka azy ireo aho, hoatran’ny olona mangoraka ny zanany manompo azy.+ 18  Dia ho hitanareo indray fa tsy mitovy ny olo-marina sy ny ratsy fanahy,+ ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.”

Fanamarihana

Na: “hahafa-po.”
Na: “izay manitsakitsaka ny zon’ny.”
Na mety hoe “Manozona ahy amin’ny ozona.”
Mety ho bibikely hafa mpandravarava voly.
Na: “mieritreritra momba.” Na mety hoe “mihevitra ho sarobidy.”
Na: “sarobidy.”