Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HAMPILAMINA NY TOKANTRANO?

Ahoana no Hampilamina ny Tokantrano?

Ahoana no Hampilamina ny Tokantrano?

MISY torohevitra mampilamina ny tokantrano ve ao amin’ny Baiboly? Ampitahao amin’izay lazain’ny Baiboly ny tenin’ireto olona nanaovana fanadihadiana ireto. Diniho hoe inona no mety hanampy anao hisoroka ady sy hitandro fihavanana ary hanamafy ny fifankatiavanareo mianakavy.

TORO LALAN’NY BAIBOLY MAMPILAMINA TOKANTRANO

HEVERO HO AMBONY NOHO IANAO NY HAFA.

“Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany. Ary aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”Filipianina 2:3, 4.

“Samy nahita izahay fa tsara ny mihevitra ny vadinao ho ambony kokoa noho ny tenanao sy ny hafa.”—C. P., 19 taona nanambadiana.

MIHAINOA TSARA ARY MIEZAHA HALALA-TSAINA.

‘Ampahatsiahivo hatrany izy ireo mba tsy ho tia ady, fa hahay handanjalanja sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.’Titosy 3:1, 2.

“Tsy dia miady loatra izahay mivady rehefa tsy mampiaka-peo. Tena ilaina ny mihaino sy tsy mitsaratsara ary manaja ny fomba fihevitry ny ankilany, na dia rehefa tsy mitovy hevitra aza.”—P. P., 20 taona nanambadiana.

MIEZAHA HANAM-PAHARETANA SY HALEMY FANAHY.

“Faharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpitari-tafika, ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.”Ohabolana 25:15.

“Tsy maintsy misy foana ny ady fa arakaraka ny toe-tsainay no mampilamina an’ilay izy na tsia. Tena mila manam-paharetana izahay. Rehefa mampiseho an’io toetra io izahay dia milamina ny olana.”—G. A., 27 taona nanambadiana.

AZA MAHERY SETRA NA MANAO TENY MANDRATRA.

“Esory aminareo mihitsy ireto rehetra ireto: Fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta lazain’ny vavanareo.”Kolosianina 3:8.

“Mahafinaritra ahy ny vadiko satria mahafehy tena. Tony foana izy sady tsy mba mivazavaza na manevateva ahy.”—B. D., 20 taona nanambadiana.

MIEZAHA HAMELA HELOKA ARY ALAMINO HAINGANA NY OLANA.

“Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”Kolosianina 3:13.

“Tsy mora foana ny ho tony rehefa miady saina be iny. Tonga ianao dia miteny na manao zavatra mampalahelo ny vadinao. Tsara ny mamela heloka amin’izay. Tsy ho sambatra am-panambadiana mihitsy ianao raha tsy mahay mamela heloka.”—A. B., 34 taona nanambadiana.

MIEZAHA HO TIA MANOME.

‘Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.’Lioka 6:38.

“Hain’ny vadiko ny zavatra tiako sady manao zavatra tsy ampoiziko foana izy. Izaho koa mieritreritra foana izay hampifaliana azy. Dia izany no mahatonga anay ho falifaly foana.”—H. K., 44 taona nanambadiana.

ATAOVY FOANA IZAY HAHATONGA NY MPIANAKAVINAO HIFANKATIA

An-tapitrisany eran-tany ny fianakaviana efa nampian’ny Baiboly hifankatia kokoa. * Vitsivitsy amin’izy ireo ihany no nanaovan’ny Mifohaza! fanadihadiana. Hitan’izy ireo fa tsara foana ny miezaka hampisy fihavanana, na dia toa tsy te hanao an’izany aza ny mpianakavy sasany. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Ravoravo izay mandala fihavanana.’—Ohabolana 12:20.

^ feh. 24 Manazava bebe kokoa ny fomba hahasambatra ny fianakaviana ny toko 14 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo alaina ao amin’ny www.isa4310.com/mg. Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TOROHEVITRA HO AN’NY FIANAKAVIANA.