Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HAMPILAMINA NY TOKANTRANO?

Inona no Hanampy Anareo Tsy Hifamaly Intsony?

Inona no Hanampy Anareo Tsy Hifamaly Intsony?

AHOANA raha hoatran’ny miady foana ianareo mianakavy? Nihamafy kokoa angamba izany tato ho ato ary mety tsy ho hainao akory ny nanombohan’ilay izy. Mifankatia anefa ianareo ary samy tsy te hanao teny mandratra.

Tadidio fa tsy hoe rehefa tsy mitovy hevitra akory ny mpianakavy dia tsy maintsy hisara-bazana. Miankina amin’ny fomba iatrehanareo an’ilay olana no hahatonga ny fiainana ao an-tokantrano hilamina na tsia. Misy dingana vitsivitsy hanampy ny mpianakavy tsy hifamaly ireto:

1. AZA MAMALY INTSONY.

Ny vy, hono, tsy mikitrana irery. Tsy maintsy olona roa koa no miteny vao misy ny fifamaliana. Hitsahatra tsikelikely anefa izany rehefa manomboka mihaino ny iray. Aza maika ny hamaly àry rehefa tezitra. Manaja ny tenanao ianao rehefa mifehy tena. Tadidio fa ny fihavanana no zava-dehibe noho ny hoe mandresy rehefa mifamaly.

“Maty ny afo rehefa tsy misy kitay, ary mitsahatra ny fifandirana rehefa tsy misy mpanendrikendrika.”Ohabolana 26:20.

2. MIEZAHA HAHATAKATRA NY FIHETSEHAM-PON’NY MPIANAKAVINAO.

Raha mihaino tsara ny mpianakavinao ianao fa tsy manapa-dresaka na mitsaratsara, dia ho tony izy ary hihavana indray ianareo. Aza mieritreritra hoe ratsy saina izy fa miezaha hahatakatra ny fihetseham-pony. Tsy voatery ho nanao fanahy iniana izy na te hamaly faty raha nanao teny mandratra. Tsy lavorary mantsy izy, ka mety hoe tsy nieritreritra tsara fotsiny na nalahelo.

“Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem- panahy, ary fahari-po.”Kolosianina 3:12.

3. MIALÀ KELY RAHA TEZITRA LOATRA IANAO.

Raha mora tezitra ianao, dia tsara ny miala kely aloha mba hampitonena ny fo. Azonao atao, ohatra, ny mankany amin’ny efitra hafa na mandehandeha kely. Tsy hoe tsy te handamina an’ilay olana akory ianao na tsy te hiresaka rehefa manao an’izany. Mety ho afaka hivavaka kosa ianao amin’izay mba hanam-paharetana sy hahay hanavaka ary hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa.

“Mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.”Ohabolana 17:14.

4. AVADIBADIHO IMPITO NY LELA.

Tsy vahaolana ny miezaka mitady teny mandratra mba hamaliana ny hafa. Miezaha kosa hiteny zavatra hanamaivanana ny alahelon’ny mpianakavinao. Aza bedibedesina izy hoe tsy tokony halahelo na ho tezitra. Miezaha kosa hanetry tena ka mangataha fanazavana, ary isaory izy amin’izay valin-teny omeny.

“Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra, fa ny tenin’ny hendry kosa manasitrana.”Ohabolana 12:18.

5. AZA MAMPIAKA-PEO NA MIHANTSY ADY.

Mety hahatonga ny hafa ho tezitra ny mpianakavy iray raha tsy manam-paharetana. Na tezitra toy inona aza anefa ianao, dia aza maika haneso na hanevateva ny mpianakavinao. Tsy tsara koa ny mampiaka-peo. Aza manao teny mandratra toy ny hoe: “Tsy miraharaha ahy mihitsy ianao” na hoe: “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao.” Teneno moramora amin’ny vadinao kosa izay tsapanao (ohatra hoe: “Malahelo aho satria...”). Tsy mety mihitsy ny mampiasa herisetra, ohatra hoe manosika, mamely tehamaina, na mandaka. Toy izany koa ny mametaka anarana, manivaiva, na mandrahona.

“Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.”Efesianina 4:31.

6. MIALÀ TSINY HAINGANA ARY LAZAO IZAY HATAONAO MBA HAMAHANA AN’ILAY OLANA.

Aza avela hisakana anao tsy hihavana amin’ny mpianakavinao ny fihetseham-ponao. Tadidio fa rehefa miady aman’olona ianao dia samy resy ianareo. Raha mihavana kosa ianareo dia samy mandresy. Mandraisa àry andraikitra rehefa mifamaly ianareo. Na resy lahatra aza ianao hoe tsy diso, dia azonao atao foana ny miala tsiny noho ianao nentim-po, na noho ny fomba famalinao, na noho ianao nahatonga an’ilay olana na dia tsy fanahy inianao aza izany. Ny fihavanana no zava-dehibe kokoa noho ny hambom-po sy noho ny hoe mandresy. Miezaha koa hamela heloka avy hatrany raha miala tsiny ny hafa.

‘Aoka isika hiezaka hampisy fihavanana sy hifampahery.’Romanina 14:19.

Rehefa tsy mifamaly intsony ianareo, inona no azonao atao mba hampilamina ny tokantranonao? Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.