Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Ahoana Raha Samy Hafa Be Izahay?

Ahoana Raha Samy Hafa Be Izahay?

OLANA

Tia fanatanjahan-tena ianao fa ny vadinao tia mamaky boky. Mahay mandamin-javatra sy tsy manao kitoatoa ianao fa izy tsy toy izany. Tia mifandray amin’olona ianao fa izy tia mitokantokana.

Lasa saina ianao hoe: ‘Tsy mifanentana mihitsy izahay! Maninona àry izany no tsy hitanay tamin’izahay nampiaraka?’

Azo inoana fa tsikaritrao ihany izany tamin’izay, fa mety hoe mora taminao ny nandefitra. Izany indray àry no mila ataonao amin’izao ianao efa manambady izao. Hanampy anao amin’izany ity lahatsoratra ity. Misy zavatra tsara ho fantatrao anefa aloha.

TSARA HO FANTATRAO

Olana lehibe ny tsy fitoviana sasany. Anisan’ny tena jeren’ny olon-droa rehefa mampiaraka ny hoe mifanentana ve izy ireo sa tsia. Maro no tonga dia misaraka rehefa hitany hoe samy hafa be izy ireo, toy izay hivady nefa tsy hitovy tadin-dokanga. Ahoana anefa raha kely ilay tsy fitoviana?

Tsy misy olona mitovy tanteraka. Ara-dalàna raha tsy mitovy ny mpivady amin’ireto lafiny ireto:

Fialam-boly. Hoy i Anna: * “Tsy tia mandehandeha mihitsy aho. Ny vadiko anefa efa hatramin’ny mbola kely no tia mianika tendrombohitra feno lanezy sy milasy any anaty ala mandritra ny andro maro.”

Fahazarana. Hoy i Benja: “Mahavita miari-tory alina be ny vadiko nefa mbola tafafoha amin’ny dimy maraina ihany. Izaho anefa mila matory adiny fito na adiny valo, fa raha tsy izany aho dia sorisorena.”

Toetra. Mety hoe tsy be teny ianao nefa ny vadinao be resaka. Hoy i Davida: “Efa hatramin’izay aho no tsy dia tia miresaka ny olana mahazo ahy. Ny vadiko anefa efa zatra niresaka ny zava-drehetra tamin’izy tany an-tranony.”

Mety hahasoa ny tsy fitoviana. Hoy i Hary: “Mety ho tsara ny hevitro nefa tsy midika izany hoe izay ihany no mety.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Mahaiza mifanohana. Hoy i Avotra: “Tsy liana amin’ny fanatanjahan-tena mihitsy i Bakoly vadiko. Niaraka tamiko nijery lalao maromaro anefa izy sady niara-nihorakoraka tamiko mihitsy aza. Izy indray tia mijery zavakanto any amin’ny tranombakoka dia miaraka aminy aho. Rehefa afa-po izy vao mody izahay. Miezaka be aho mba ho tia zavakanto satria zava-dehibe aminy izany.”—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Korintianina 10:24.

Miezaha halala-tsaina. Hitan’ny lehilahy iray atao hoe Andry fa tsy voatery ho diso hevitra ny vadiny rehefa tsy mitovy hevitra aminy. Hoy izy: “Rehefa nanao zavatra aho taloha dia tsy nieritreritra afa-tsy lalan-tokana, ary iny ihany no noheveriko fa mety. Rehefa nanambady anefa aho dia hitako fa be dia be ny fomba azo anaovana zavatra iray.”—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Petera 5:5.

Mahaiza mandanjalanja. Ny hoe mifanentana akory tsy midika hoe tsy maintsy mitovy. Aza manatsoaka hevitra àry hoe diso ianao nanambady an’ilay olon-tianao satria misy zavatra vitsivitsy tsy itovianareo. Hoy ny boky Ady Amin’ny Fisaraham-panambadiana (anglisy): ‘Betsaka ny olona milaza fa jamban’ny fitiavana fotsiny izy. Matoa anefa misy ny andro ahitanareo fifaliana, dia midika izany fa afaka mifankatia foana ianareo na dia tsy mitovy aza.’ Hoy ny Kolosianina 3:13: ‘Mahaiza foana mifampizaka raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.’

Andramo izao: Soraty izay zavatra tianao amin’ny vadinao sy hitanao hoe mampifanentana anareo. Soraty indray avy eo izay hitanao fa mahatonga anareo tsy hifanentana. Mety ho hitanao amin’izay fa tsy dia tena lehibe araka ny nieritreretanao azy ny tsy fitovianareo. Ho fantatrao koa hoe aiza ianao no mila mandefitra na mila manohana ny vadinao. Hoy i Rija: “Tiako rehefa manohana ahy ny vadiko. Izaho koa mahafantatra hoe tiany raha tohanako izy. Na dia mila manao sorona ny zavatra tiako aza aho dia faly aho rehefa faly izy.”—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 4:5.

^ feh. 10 Novana ny anarana sasany ato.