Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Mahaiza Mifandefitra

Mahaiza Mifandefitra

OLANA

Tsy mitovy mihitsy indraindray ny zavatra tianao sy izay tian’ny vadinao. Inona àry no hataonao?

  1. Tsy manaiky mihitsy ianao raha tsy izay tianao no atao.

  2. Manaiky tsy sazoka an’izay tian’ny vadinao ianao.

  3. Samy mandefitra ianareo mivady, ka mitady marimaritra iraisana.

Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Hoatran’ny tsy tiako loatra ilay hoe marimaritra iraisana satria izy tsy afa-po moa izaho koa tsy afa-po!’

Matokia fa raha mahay mifanaraka tsara ianareo roa, dia tsy voatery hahatsapa hoe samy matiantoka. Mila mianatra mandefitra anefa ianareo, fa tsy tonga dia hahay ho azy eo. Ireto aloha misy zavatra mila fantarina.

TSARA HO FANTATRAO

Ilaina ny miara-miasa. Mety hoe efa zatra nanapa-kevitra irery ianareo, talohan’ny nanambady. Tsy hoatr’izany intsony anefa amin’izao, satria tsy izay tianareo no zava-dehibe fa izay hahasoa ny tokantranonareo. Tsy hoe matiantoka anefa ianareo amin’izany. Hoy i Alexandra: “Mety hahita hevitra tsara kokoa ianareo rehefa miara-mikaroka, toy izay hoe samy mitady vahaolana irery.”

Ilaina ny miezaka halala-tsaina. Hoy i John Gottman, mpanoro hevitra momba ny fanambadiana: ‘Tsy voatery hekenao daholo izay rehetra lazain’ny vadinao. Miezaha anefa halala-tsaina, ka diniho aloha ny heviny. Tsy hisy vokany mihitsy mantsy ny resaka ataonareo, raha ohatra ka mba milaza an’izay eritreretiny ny vadinao nefa ianao tsy vonona hihaino mihitsy, na tonga dia mampiseho hoe tsy mety aminao mihitsy ilay izy.’ *

Ilaina ny mitadidy hoe tsy izay tianao foana no atao. Tsy misy te hiara-hipetraka amin’ny olona hoatr’izany mantsy. Tsara kosa raha samy mahafoy tena ny mpivady ka mba samy mandefitra. Hoy i June: “Indraindray aloha izaho no mandefitra, dia izay tian’ny vadiko no atao. Fa indraindray koa mba izy no mandefitra, dia izay tiako no atao. Izany no tena mahasambatra ny tokantrano, tsy hoe mandray foana fa mba manome koa.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Diniho tsara izay hoteneninao voalohany. Tsy ny teny holazainao ihany no mila tandremana fa ny fomba hilazanao azy koa. Raha tonga dia masiaka na manao teny maharary mantsy ianao, dia hanao hoatr’izay koa ny vadinao ka mety ho raikitra indray ny ady. Araho àry ilay torohevitry ny Baiboly hoe: ‘Mitafia fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.’ (Kolosianina 3:12) Hanampy anareo mivady izany mba hiara-hitady vahaolana, fa tsy ho variana hifamaly fotsiny eo.—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 4:6.

Mitadiava marimaritra iraisana. Raha lasa mifanditra be ianareo mivady, dia mety hidika izany fa izay tsy mampitovy hevitra anareo no tena ifantohanareo. Miezaha àry hijery an’izay hevitra iombonanareo. Ahoana no hanaovana an’izany? Andramo izao:

Rehefa tsy mitovy hevitra ianareo, dia manaova lisitra. Samia manoratra an’izay heveriny fa tsy azo leferina mihitsy. Soraty koa avy eo izay mba azo andeferana ihany. Ampitahao ny lisitra nataonareo mivady avy eo. Ho hitanareo fa misy ihany ny marimaritra iraisana. Mety ho azo ifandaminana ihany mantsy ireo zavatra heverinareo hoe tena tsy azo leferina. Na atao aza anefa hoe tsy misy hevitra iombonana mihitsy ianareo, dia tsara foana ny mijery an’ireo lisitra nataonareo. Amin’izay mantsy mazava kokoa aminareo ilay resaka iadianareo hevitra.

Miaraha mitady hevitra. Mora ahitana vahaolana ny zavatra sasany. Raha lehibe kosa ilay olana, dia mila miara-mikaon-doha ny mpivady. Hifankatia kokoa izy ireo amin’izay, sady mety hahita vahaolana tsara lavitra noho izay noeritreretin’ny tsirairay.—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 4:9.

Aoka ianao ho vonona hiova hevitra. Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka koa ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.” (Efesianina 5:33) Raha tena mifankatia sy mifanaja ny mpivady, dia ho vonona hihaino na hanaiky mihitsy ny hevitry ny anankiray. Hoy i Cameron: “Misy zavatra tsy tianao mihitsy taloha, nefa tian’ny vadinao ilay izy dia lasa tianao ho azy.”—Toro lalan’ny Baiboly: Genesisy 2:18

^ feh. 12 Nalaina tao amin’ilay boky hoe Torohevitra Fito Hahasambatra ny Tokantrano (anglisy).