Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanambadiana?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanambadiana?

Valiny ara-baiboly

 Rehefa avy namorona ny lehilahy sy vehivavy voalohany Andriamanitra, dia nanambatra azy ireo ho mpivady. Fifandraisana manokana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray àry ny fanambadiana, ary Andriamanitra no namorona azy. Nanomboka teo koa no lasa nisy ny fianakaviana.​—Genesisy 1:27, 28; 2:18.

 Tian’Andriamanitra ho sambatra ny mpivady. (Ohabolana 5:18) Nametraka fitsipika momba ny fanambadiana izy ao amin’ny Baiboly, sady nanome toro lalana afaka manampy ny mpivady ho sambatra.

Ho hitantsika ato ireto:

 Inona avy ny fitsipika napetrak’Andriamanitra momba ny fanambadiana?

 Lehilahy iray sy vehivavy iray no nakamban’Andriamanitra ho mpivady, tamin’izy vao namorona ny fanambadiana. (Genesisy 2:24) Tsy tian’Andriamanitra àry ny fananana vady maro, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary ny fanaovana tokantranomaso. (1 Tesalonianina 4:3) Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hanaraka ny fitsipika napetrak’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny fanambadiana.—Marka 10:6-8.

 Amin’Andriamanitra, dia natao haharitra ny fanambadiana. Rehefa mivady ny olon-droa, dia mifanome toky hoe tsy hivadika amin’ny andaniny ny ankilany ary hiaraka foana raha samy mbola velona. Tian’Andriamanitra hitana an’izany teniny izany izy ireo.​—Marka 10:9.

 Mety ve ny misintaka na misara-panambadiana?

 Mety ho tafasaraka ihany ny mpivady indraindray, ohatra hoe rehefa tsy maintsy manao dia lavitra ny anankiray mba hikarakara raharaham-pianakaviana maika. Tsy mampirisika ny mpivady hisintaka mihitsy anefa ny Baiboly rehefa misy olana ao an-tokantrano. Ampirisihiny kosa ny mpivady mba hiezaka hamitram-pihavanana raha sendra mitranga izany.​—1 Korintianina 7:10.

 Ny fijangajangana ihany no antony araka ny Soratra Masina ahafahana misara-panambadiana. (Matio 19:9) Ahoana àry raha misy lehilahy na vehivavy manapa-kevitra hoe hisintaka na hisaraka amin’ny vadiny, nefa tsy fijangajangana no antony? Samy tsy avelan’ny Soratra Masina hiaraka amin’olon-kafa na hanambady indray izy ireo.​—Matio 5:32; 1 Korintianina 7:11.

 Tsy maintsy vita soratra ve ny olon-droa vao heken’Andriamanitra ny fanambadiany?

 Tian’Andriamanitra hankatò ny lalàna napetraky ny manam-pahefana momba ny fanambadiana ny Kristianina. (Titosy 3:1) Raha misoratra ara-dalàna àry ny olon-droa any amin’ny tany ahafahana manao an’izany, dia ho hita hoe manaja ny manam-pahefana izy ireo sady manaja an’ilay fitsipik’Andriamanitra hoe natao haharitra ny fanambadiana. a

 Inona avy no lazain’ny Baiboly hoe anjara asa sy andraikitry ny lehilahy sy vehivavy manambady?

  •   Andraikitra itambarana. Tokony hifankatia sy hifanaja ny mpivady. (Efesianina 5:33) Tokony hifaneho fitiavana izy ireo rehefa manao firaisana sady samy tokony hieritreritra an’izay mba tian’ny vadiny. (1 Korintianina 7:3) Tsy tokony hivadika amin’ny vadiny koa izy ireo, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. (Hebreo 13:4) Raha manan-janaka izy mivady, dia samy tompon’andraikitra amin’ny fitaizana azy ireo.​—Ohabolana 6:20.

     Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe ahoana no tokony hifampizaran’ny mpivady ny asa fivelomana sy ny raharaha ao an-trano. Anjaran-dry zareo ny manapa-kevitra hoe inona no tena mety amin’ny fianakaviany.

  •   Ny anjara asan’ny lehilahy manambady. Milaza ny Baiboly fa “ny lehilahy no lohan’ny vadiny.” (Efesianina 5:23) Ahoana izany? Izy no tokony hitarika ny fianakaviany sy handray an’izay fanapahan-kevitra mahasoa ny vady aman-janany.

     Tokony hataony azo antoka hoe mahazo an’izay ilainy ny fianakaviany, na ara-batana izany, na ara-pihetseham-po, na ara-panahy. (1 Timoty 5:8) Asehony hoe sarobidy aminy ny toetra tsaran’ny vadiny sy ny zavatra hainy, ka miara-miasa akaiky aminy izy sady mandinika tsara ny heviny sy mihevitra ny fihetseham-pony rehefa hanapa-kevitra. (Ohabolana 31:11, 28) Milaza ny Baiboly fa tokony ho be fitiavana ny lehilahy manambady rehefa manao ny andraikiny.​—Kolosianina 3:19.

  •   Ny anjara asan’ny vehivavy manambady. Milaza ny Baiboly fa ‘tokony hanaja lalina ny vadiny ny vehivavy.’ (Efesianina 5:33) Faly Andriamanitra rehefa hajain’ny vehivavy ny anjara asa nomeny ny lehilahy.

     Mpanampy ny vadiny no anjara asan’ny vehivavy. (Genesisy 2:18) Ahoana izany? Manampy ny vadiny handray fanapahan-kevitra tsara izy, ary manohana ny fahefany satria izy no loham-pianakaviana. Midera ny vehivavy mahavita tsara ny anjarany ao an-tokantrano ny Baiboly.​—Ohabolana 31:10.

 Takin’Andriamanitra hoe tsy maintsy manan-janaka ve ny mpivady amin’izao androntsika izao?

 Tsia. Nasain’Andriamanitra niteraka ny mpanompony sasany taloha. (Genesisy 1:28; 9:1) Tsy mihatra amin’ny Kristianina anefa izany didy izany. Tsy nandidy ny mpanara-dia azy mba hiteraka mihitsy i Jesosy. Tsy nisy tamin’ny mpianany koa nilaza hoe tsy maintsy manan-janaka ny mpivady. Anjaran’ny mpivady tsirairay ny manapa-kevitra hoe hanan-janaka ry zareo sa tsia.

 Afaka manampy anay mivady ve ny Baiboly?

 Misy toro lalana be dia be afaka manampy ny mpivady ao amin’ny Baiboly, amin’izay ho tsara fiandohana ny tokantranony. Afaka manampy ny mpivady hisoroka olana sy hiatrika olana koa ny toro lalan’ny Baiboly.

 Afaka manampy ny mpivady hahavita an’ireto ny toro lalan’ny Baiboly:

a Raha tianao ho fantatra ny fiheveran’ny Baiboly ny fanambadiana araka ny fomba nentim-paharazana, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2006, pejy 21, fehintsoratra 12.