Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy ny hoe miara-mamono afo ny mpivady, raha mifamela ka tsy miady intsony

HO AN’NY MPIVADY

4: Miezaha Hamela Heloka

4: Miezaha Hamela Heloka

AHOANA IZANY?

Mamela heloka ianao raha tsy tezitra intsony amin’izay nanao zavatra tsy nety taminao ary tsy mitana lolompo. Tsy hoe hamaivaninao anefa ilay fahadisoana na ataonao hoatran’ny tsy nisy.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”—Kolosianina 3:13.

“Tsy hifantoka amin’ny toetra ratsin’ny olona iray ianao raha tia azy. Ezahinao jerena kosa hoe inona no efa ataony mba hananana toetra tsara.”—Aaron.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Mety harary na ho kivy na hitebiteby lava ianao raha mitana lolompo. Manginy fotsiny ny olana aterany eo amin’ny tokantranonao.

“Nanao zavatra tena nandratra ny foko ny vadiko indray mandeha izay, dia niala tsiny izy. Tsy vitako ny namela azy raha tsy ela be tatỳ aoriana. Tahaka izay anefa aho tsy niandry ela be hoatr’izany. Lasa nisy olana be mantsy teo aminay nefa azo nosorohina ihany ilay izy.”—Julia.

INONA NO AZONAO ATAO?

FANTARO IZAO

Raha nandratra ny fonao ny tenin’ny vadinao na ny zavatra nataony, dia saintsaino hoe:

  • ‘Mora tezitra ve aho?’

  • ‘Tena ratsy ve ilay izy ka tsy hamelako ny vadiko raha tsy miala tsiny? Sao dia azoko hadinoina fotsiny ilay izy?’

MIRESAHA AMIN’NY VADINAO

  • Elaela ve isika vao mifamela heloka sa tonga dia mifamela?

  • Inona no azontsika atao mba hifamela avy hatrany rehefa diso?

SOSO-KEVITRA

  • Aza mieritreritra hoe ratsy saina ny vadinao matoa nanao zavatra nampahatezitra anao.

  • Miezaha hamela ny helony, ary tadidio hoe ‘manao fahadisoana imbetsaka isika.’—Jakoba 3:2.

“Mora ny mamela heloka rehefa samy diso. Sarotra kokoa anefa ny manao an’izany, raha hoatran’ny hoe ny iray ihany no diso. Tena mila manetry tena ianao vao hahavita hanaiky fialan-tsiny sy hamela heloka.”—Carole.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mifandamìna haingana.”—Matio 5:25.

Mety harary na ho kivy na hitebiteby lava ianao raha mitana lolompo. Manginy fotsiny ny olana aterany eo amin’ny tokantranonao