Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vahaolana ve ny Firaisam-pinoana?

Vahaolana ve ny Firaisam-pinoana?

Nanontaniana ny mpamaky ny gazety Mpanambara ny Marainan’i Sydney (anglisy) hoe: “Mampiray saina sa mampisara-bazana ny fivavahana?” Nilaza ny 89 isan-jaton’ireo namaly fa mampisara-bazana ny fivavahana.

TSY toy izany anefa ny hevitry ny mpanohana ny firaisam-pinoana. Hoy i Eboo Patel, ilay nanorina ny Vondron’ny Tanora Samy Hafa Finoana: ‘Aiza no hisy fivavahana tsy mampianatra ny olona hamindra fo, hiaro ny tontolo iainana, na hahay handray vahiny?’

Efa niara-nientana tokoa ny Bodista, Katolika, Protestanta, Hindoa, Silamo, ary ny maro hafa mba hiady amin’ny fahantrana, handinika ny olana momba ny tontolo iainana, ary hanao hetsika hanajana ny zon’olombelona sy handrarana ny fanaovana vanja milevina. Fivavahana maro samihafa koa no efa nivory mba hifanara-kevitra sy hifampitaona hanao zavatra. Manao fety, ohatra, izy ireo, mandrehitra labozia, miara-mihira, ary miara-mivavaka, mba hampisehoana hoe miray saina na dia samy hafa fivavahana aza.

Hifanaraka tokoa ve ny fivavahana raha manao firaisam-pinoana? Ny firaisam-pinoana ve no ampiasain’Andriamanitra mba hanatsarana ny fiainana eto an-tany?

INONA NO AMPANDEFERINA MBA HISIAN’NY FIRAISAN-TSAINA?

Mirehareha erỳ ny iray amin’ireo fikambanana iraisam-pinoana matanjaka indrindra hoe misy fivavahana 200 mahery ao aminy, ary miely any amin’ny tany 76 izy io. Ny tanjony dia ny “hisian’ny fiaraha-miasa isan’andro.” Toa mora lazaina izany fa sarotra tanterahina. Nilaza, ohatra, ireo mpamorona an’ilay fikambanana fa tsy maintsy fidina tsara izay teny hosoratana ao amin’ny sata mifehy azy io, mba tsy hanafintohina an’izay rehetra hanao sonia. Nahoana? Tsy nitovy hevitra, ohatra, izy ireo raha tokony horesahina ao amin’ilay sata mifehy Andriamanitra na tsia. Tsy noresahina mihitsy àry ny momba an’Andriamanitra.

Ka inona moa no ilana ny fivavahana raha Andriamanitra aza tsy asiana resaka akory? Inona koa no mampiavaka ny fikambanana iraisam-pinoana toy izany amin’ny fikambanana mpanao asa soa? Izany no antony nilazan’ilay fikambanana voaresaka tetsy aloha hoe tsy fikambanana ara-pivavahana ny azy fa “fikambanana mampandroso ny fiaraha-miasa.”

AMPY VE NY HOE TSARA TOETRA?

Hoy ny dalaï-lama, mpanohana fanta-daza ny fikambanana iraisam-pinoana: “Zavatra mitovy ihany no torin’ny fivavahana lehibe rehetra, dia ny fitiavana sy ny fangorahana ary ny famelan-keloka. Tsy misy dikany anefa izany raha tsy ampiharina eo amin’ny fiainana.”

 Marina fa tena ilaina ny toetra tsara toy ny fitiavana sy ny fangorahana ary ny famelan-keloka. I Jesosy aza nilaza hoe: ‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.’ (Matio 7:12) Mampirisika ny olona hanana toetra tsara fotsiny ve anefa ny fivavahana marina?

Hoy ny apostoly Paoly momba ny olona nihambo ho nanompo an’Andriamanitra tamin’ny androny: “Mijoro ho vavolombelona aho fa mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara.” “Tsy nahalala ny fahamarinan’Andriamanitra” mantsy izy ireo, fa “nitady hanamarina ny tenany” fotsiny. (Romanina 10:2, 3) Very maina àry ny zotom-pony sy ny finoany satria tsy tena fantany izay tian’Andriamanitra hataony.—Matio 7:21-23.

EKEN’NY BAIBOLY VE NY FIRAISAM-PINOANA?

Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mpampihavana.” (Matio 5:9) Nampihatra ny zavatra notoriny i Jesosy. Nandrara ny mpianany tsy hiady izy, sady nitory tamin’ny olona samy hafa fivavahana mba ho tia fihavanana. (Matio 26:52) Lasa tena nifankatia ireo nanaiky ny hafatra notoriny. (Kolosianina 3:14) Ny hampiray saina ny olona samy hafa fivavahana fotsiny ve anefa no tanjon’i Jesosy? Nanaraka ny fombafomban’ny fivavahana hafa ve izy?

Nanohitra mafy an’i Jesosy ny mpitondra fivavahana tao amin’ny sektan’ny Fariseo sy Sadoseo, ary nitady hamono azy mihitsy aza. Inona no nataon’i Jesosy? Hoy izy tamin’ny mpianany: “Avelao izy, fa mpitarika jamba.” (Matio 15:14) Tsy nety nanao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana niaraka tamin’izy ireny i Jesosy.

Nisy fiangonana kristianina niforona tany Korinto, any Gresy, tatỳ aoriana. Nalaza ho nisy fivavahana be dia be tao amin’io tanàna io. Ahoana no tokony hataon’ny Kristianina manoloana an’izany? Hoy i Paoly: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.” Nahoana? Hoy ihany izy: “Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala [na Satana]? Inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino?” Nanoro hevitra azy ireo i Paoly avy eo hoe: “Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy.”—2 Korintianina 6:14, 15, 17.

Mandrara ny firaisam-pinoana àry ny Baiboly. Mety hieritreritra ianao hoe: “Dia ahoana no hampiray saina ny olona, raha izany?”

INONA NO TENA MAMPIRAY SAINA?

Nisy firenena 15 niara-niasa ka nahavita laboratoara mahatalanjona iray, izay mihodinkodina eny ambony tsy taka-maso eny. Ho nahavita an’izany ve izy ireo raha tsy nifanara-tsaina hoe inona no planina hanaovana an’ilay izy?

Tsy hoatr’izany anefa ny fikambanana iraisam-pinoana misy ankehitriny. Na dia miezaka hiara-hiasa sy hifanaja aza izy ireo, dia tsy manana planina iombonana momba ny zavatra inoany. Mbola tsy mifanaraka ihany àry izy ireo eo amin’ny resaka fampianarana sy fitondran-tena.

Ao amin’ny Baiboly no ahitana an’ilay planina, dia ny fitsipik’Andriamanitra. Azo ampiharina eo amin’ny fiainana izy ireny. Lasa tsy manavakavaka foko sy fivavahana intsony ny olona rehefa mampihatra azy ireny. Lasa mifankatia sy miray saina koa izy ireo rehefa miara-miasa. Efa nilaza mialoha Andriamanitra hoe: “Hovako ho fiteny madio ny fitenin’ny olona mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, ka hanompoany azy amim-piraisan-kina.” Ny “fiteny madio”, izany hoe ny fitsipika apetrak’Andriamanitra momba ny fivavahana, àry no tena mampiray saina.—Zefania 3:9; Isaia 2:2-4.

Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao. Ho hitanao any fa tena miray saina sy mifankatia izy ireo.—Salamo 133:1.