Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Paka?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Paka?

Valiny ara-baiboly

 Tsy avy ao amin’ny Baiboly ny Paka ankalazain’ny olona ankehitriny. Raha ny tantara no jerena, dia avy amin’ny fombafomba fahiny mifandray amin’ny fiterahana sy fahavokarana izy io. Diniho ireto:

  1.   Ilay anarana: Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Tsy tena fantatra ny niandohan’ilay teny anglisy hoe Easter [na Paka amin’ny teny malagasy]. Milaza i Bède le Vénérable, pretra anglisy tamin’ny taona 700 tany ho any, fa avy amin’ilay hoe Eastre izy io. Andriamanibavin’ny lohataona nivavahan’ny Anglisy i Eastre.” Misy kosa milaza fa misy ifandraisany amin’i Astarta izy io. Andriamanibavin’ny fiterahana sy fahavokarana nivavahan’ny Fenisianina i Astarta, ary mitovy amin’i Ishtar, andriamanitry ny Babylonianina.

  2.   Ny bitrodia sy ny bitro: Mariky ny fiterahana maro ny bitro. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica: ‘Nampiasain’ny mpanompo sampy tany Eoropa sy tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane izy ireny, rehefa nanao ny fetiny tamin’ny lohataona izy ireo.’ Avy amin’izany fombafomba izany àry ny fampiasana bitro.

  3.   Ny atody: Misy milaza fa misy bitro mitondra atody rehefa Paka ka fanaon’ny ankizy ny mandeha mitady azy ireny. Milaza ny Diksioneran’i Funk sy Wagnalls Momba ny Fombafomba sy Angano ary Lovantsofina (anglisy) fa ‘tsy kilalaon’ny ankizy fotsiny izany, fa anisan’ny fombafomba fanao fahiny mampiseho ny fiterahana maro.’ Misy koa mandoko atody rehefa Paka. “Mahasambatra, miaro, ary mitondra fahombiazana sy fahasalamana” mantsy, hono, ny atody miloko.—Fety Nentim-paharazana, anglisy.

  4.   Ny akanjo vaovao: “Noheverina ho tsy mahalala fomba sady mitady loza izay tsy manao akanjo vaovao nefa miarahaba an’i Eastre, andriamanibavin’ny Lohataona, nivavahan’ny olona tany Skandinavia.”—Ilay Boky Be Momba ny Finoanoam-poana, anglisy.

 Hoy ny Boky Amerikanina Momba ny Fety, momba ny niandohan’ny Paka: ‘Azo antoka fa nanaraka ny fombafomba fanaon’ny mpanompo sampy fahiny ny Eglizy ary nanova azy ireny ho lasa fanaon’ny Kristianina.’

 Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hanao fombafomba tsy mampifaly an’Andriamanitra isika rehefa manompo azy. (Marka 7:6-8) Hoy ny 2 Korintianina 6:17: “‘Mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto.’” Fetin’ny mpanompo sampy ny Paka, ka tsy tokony hankalaza azy io izay te hampifaly an’Andriamanitra.