Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANONTANY NY MPAMAKY

Fety Kristianina Tokoa ve ny Paka?

Fety Kristianina Tokoa ve ny Paka?

Hoy ny Rakibolana Rakipahalalana navoakan’ny Akademia Malagasy, momba ny Paka: “Lanonam-pivavahana lehibe indrindra ho an’ny kristianina ... ho fankalazana ny nitsanganan’i Kristy.” Fety kristianina tokoa ve anefa ny Paka?

Raha te hanamarina zavatra iray ianao, dia mila mijery tsara ny tsipiriany. Raha tiantsika ho fantatra koa àry hoe fety kristianina ny Paka sa tsia, dia ilaintsika ny mijery ny tsipiriany momba azy io.

Voalohany, ny nahafatesany no nasain’i Jesosy hankalazain’ny mpanara-dia azy, fa tsy ny nitsanganany. Nantsoin’i Paoly hoe “sakafo harivan’ny Tompo” izy io.—1 Korintianina 11:20; Lioka 22:19, 20.

Milaza koa Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa “tsy misy ifandraisany” amin’ny nitsanganan’i Jesosy ny zavatra maro fanao amin’ny Paka “fa avy amin’ny fomban-drazana fahiny.” Malaza any amin’ny tany maro, ohatra, ny atody sy bitro rehefa Paka. Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy): ‘Midika ho aina vaovao ny atody. Mafy mantsy ilay akorany iny ka hoatran’ny hoe maty, nefa mbola misy aina ihany ao anatiny.’ Voalaza ao koa fa “biby maro anaka ny bitro ka natao famantarana hoe efa ho tonga ny lohataona”, na ny fotoana mampitsimoka ny zavamaniry any amin’ny tany maro.

Ahoana no nahatonga an’ireo zavatra ireo hampiasaina amin’ny Paka? Nohazavain’i Philippe Walter, mpampianatra momba ny haisoratra fahiny, fa nanao fety ny mpanompo sampy rehefa tapitra ny ririnina. Toy ny hoe maty mantsy ny zavamananaina mandritra ny ririnina fa velona indray rehefa tonga ny lohataona. Mora àry ny nampifandray an’io fetin’ny mpanompo sampy io tamin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. “Nisy ezaka natao” mantsy mba “hanovana ny fivavahan’ny mpanompo sampy ho fivavahana kristianina.” Nilaza koa i Walter hoe tamin’izay no nanomboka nampidirina tao amin’ny kalandrien’ny mpanompo sampy ny “fety kristianina”, ka maro ny mpanompo sampy lasa Kristianina.

Mbola tsy tamin’ny andron’ny apostoly no nitranga izany rehetra izany satria ‘nisakana’ ny fanompoan-tsampy tsy hahazo laka tao amin’ny fivavahana marina izy ireo. (2 Tesalonianina 2:7) Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa rehefa “lasa” izy dia hisy “olona manolana hevi-teny” hitaona ny mpianatra hanaraka azy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Nisy namitaka ny Kristianina tokoa tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, araka ny nosoratan’ny apostoly Jaona. (1 Jaona 2:18, 26) Nanomboka tafiditra tao amin’ny fivavahana kristianina àry ny fanaon’ny mpanompo sampy.

“Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.”—2 Korintianina 6:14

Mety hisy hihevitra anefa fa tsy maninona ilay hoe narahina ny zavatra sasany fanaon’ny “mpanompo sampy.” Izay mantsy, hono, no nahafahan’izy ireo nahatakatra fa tena nilaina ny nitsanganan’i Jesosy. Tsy ho nanaiky an’izany mihitsy anefa i Paoly raha mbola teo izy. Maro ny fanaon’ny mpanompo sampy hitany tamin’izy nitety ny Fanjakana Romanina. Na izany aza, dia tsy nanaraka an’ireny izy satria hoe tiany hahalala kokoa momba an’i Jesosy ny olona. Nampitandremany kosa ny Kristianina hoe: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? ‘Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto.’ ”—2 Korintianina 6:14, 17.

Inona àry no ianarantsika rehefa avy nandinika vetivety momba ny Paka isika? Mazava fa tsy fety kristianina mihitsy izy io.