Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO

Voaro Izy “sy Ireo Fito Hafa”

Voaro Izy “sy Ireo Fito Hafa”

ALAO sary an-tsaina ry Noa mianakavy niara-nitakoko, rehefa nivatravatra ny orana. Tarafin’ilay jiro mitsilopilopy ny endrik’izy ireo ka hita hoe nihiratra be ny masony rehefa nipoapoaka tamin’ny tafo ny orana, ary avy eo niraraka nanaraka ny sisin’ny sambofiara. Tsy maintsy ho nankarenin-tsofina izany.

Velom-pisaorana an’i Jehovah Andriamaniny i Noa, rehefa nijery ny endriky ny ankohonany. Tsy iza izany fa ny vadiny sy ny zanany telo lahy ary ny vadin’izy ireo avy, izay samy nanam-pinoana. Tsy maintsy ho nampahery an’i Noa ny nahita an’ireo olona tiany indrindra teo anilany, tamin’io fotoana nanjombona io. Azo inoana fa nisolo tena ny fianakaviany izy mba hanao vavaka fisaorana, ary niteny mafy mba ho re ny feony tao anatin’ilay tabataba be.

Tena nanam-pinoana i Noa, ka narovan’i Jehovah izy sy ny fianakaviany. (Hebreo 11:7) Tsy nila nanam-pinoana intsony ve izy ireo, rehefa avy ny orana? Tsia. Nilaina foana izany, satria mbola maro ny zava-tsarotra niandry azy ireo. Toy izany koa isika amin’izao vanim-potoana misafotofoto izao. Andeha àry hojerentsika izay azo ianarana avy amin’i Noa.

“EFAPOLO ANDRO SY EFAPOLO ALINA”

Nitohy nandritra ny “efapolo andro sy efapolo alina” ilay oram-be nivatravatra. (Genesisy 7:4, 11, 12) Niakatra foana ny rano. Hitan’i Noa hoe sady niaro ny olo-marina ilay Andriamaniny no nanasazy ny ratsy fanahy.

Nampitsahatra ny fikomiana nataon’ny anjely io Safodrano io. Maro mantsy ny anjely lasa tia tena toa an’i Satana, ka “nandao ny fonenana sahaza azy” tany an-danitra, mba hanambady vehivavy teto an-tany. Niteraka metisy atao hoe Nefilima izy ireo. (Joda 6; Genesisy 6:4) Azo antoka hoe faly erỳ i Satana rehefa maro no nikomy. Vao mainka mantsy izany nanambany ny olombelona, izay tsara indrindra tamin’ny zavaboarin’i Jehovah teto an-tany.

Rehefa niakatra anefa ny rano, dia voatery namoy ny vatan’olombelona nananany ireo anjely mpikomy ary niverina tany an-danitra. Navelany teo ny vady aman-janany, ka matin’ny Safodrano niaraka tamin’ny mpiara-belona taminy. Tsy afaka niova ho olombelona intsony ireny anjely ireny tatỳ aoriana.

Efa tamin’ny andron’i Enoka, 700 taona teo ho eo talohan’io, i Jehovah no nampitandrina ny olona fa handringana ny ratsy fanahy izy. (Genesisy 5:24; Joda 14, 15) Vao mainka niharatsy anefa ny olona, ka lasa simba sy feno herisetra ny tany. Ringana izy ireo izao. Nahafaly an-dry Noa ve izany?

Tsia, ary tsy faly koa ny Andriamanitr’izy ireo. (Ezekiela 33:11) Be famindram-po mantsy i Jehovah, ka nanao izay azo atao mba hanavotana olona faran’izay betsaka. Nirahiny hampitandrina ny olona i Enoka, ary nasainy nanamboatra sambo i Noa. Am-polony taona ry Noa mianakavy no somokotra nanao an’io asa lehibe io, ary nahita izany ny rehetra. Nasain’i Jehovah ‘nitory ny fahamarinana’ koa i Noa. (2 Petera 2:5) Toa an’i Enoka,  dia nampitandrina ny olona izy fa hampihatra didim-pitsarana amin’izy ireo Andriamanitra. Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? Hitan’i Jesosy avy tany an-danitra izay nitranga. Hoy izy, tatỳ aoriana, momba ny olona tamin’ny andron’i Noa: “Tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:39.

Nanao ahoana ny fiainan-dry Noa nandritra an’ireo 40 andro, taorian’ny nanakatonan’i Jehovah ny varavaran’ny sambofiara? Azo inoana hoe lasa fahazaran’izy ireo ny nikarakara izay nilain’ny hafa, nampirimpirina an’ilay fonenany, ary nanome izay nilain’ireo biby niaraka taminy tao, na dia avy be aza ny orana. Indray andro anefa nihetsika ilay sambo be, ary avy eo nisosa moramora. Nitsingevana teny ambony rano ilay sambofiara, ary niakatra hatrany hatrany, ka lasa “nitsinkafona ambony be niala tamin’ny tany.” (Genesisy 7:17) Hita mihitsy hoe Andriamanitra Mahery Indrindra i Jehovah!

Tsy maintsy ho nisaotra an’i Jehovah i Noa tamin’izay. Niaro azy mianakavy mantsy izy ary namindra fo, ka nampiasa azy ireo mba hampitandrina an’ireo olona ringana tany ivelany. Tsy niraharaha anefa ny olona, ka toa tsy nisy vokany ilay asa mafy nataon’izy ireo nandritra ny taona maro. Eritrereto ange e! Nanana rahalahy sy anabavy i Noa, ary azo inoana fa mbola velona izy ireo sy ny zanany talohan’ilay Safodrano. Tsy nisy nihaino an’i Noa anefa, afa-tsy ny vady aman-janany. (Genesisy 5:30) Efa voaro tao anaty sambofiara izy ireo izao. Azo antoka fa nampahery azy ireo ny nitodika ny lasa, dia ireo fotoana rehetra nanampiany ny olona mba ho voavonjy.

Tsy niova i Jehovah, hatramin’ny andron’i Noa ka hatramin’izao. (Malakia 3:6) Nilaza i Jesosy Kristy fa toy ny tamin’ny “andron’i Noa” ny androntsika. (Matio 24:37) Vanim-potoana miavaka no iainantsika, satria hifarana izao fotoan-tsarotra izao rehefa horinganina ity tontolo ratsy ity. Mampitandrina ny olona vonon-kihaino koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Hanaraka an’ilay fampitandremana ve ianao? Raha efa nanao izany ianao, tsy mba hampitandrina ny hafa koa ve ianao mba ho voavonjy izy? Namela ohatra tsara ho antsika rehetra ry Noa.

 “TAFITA SOA AMAN-TSARA AVY TAMIN’NY RANO”

Natopatopan’ilay ranomasimbe ny sambofiara, ary azo antoka fa ren’ireo tao anatiny ny feo maranitra sy midridroka avy amin’ireo hazo be nandrafitra an’ilay sambo. Nanahy ve i Noa sao ho simban’ny onja mahery ilay sambo? Tsia. Ny olona mpisalasala ankehitriny no mety hanahy momba izany. Tsy toy izany anefa i Noa. Hoy ny Baiboly: ‘Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara.’ (Hebreo 11:7) Nanao fifanekena taminy mantsy i Jehovah fa hitsimbina azy sy izay miaraka aminy mandritra ny Safodrano, ary nino izany i Noa. (Genesisy 6:18, 19) Tsy ho vitan’ilay namorona ny tany sy izao rehetra izao ve ny hiaro an’ilay sambo tsy ho simba? Mazava ho azy fa vitany izany! Natoky tanteraka i Noa fa hitana ny teniny i Jehovah, ary dia “tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano” tokoa izy mianakavy.—1 Petera 3:20.

Nitsahatra ihany ny orana, rehefa afaka 40 andro sy 40 alina. Tokotokony ho tamin’ny Desambra 2370 Talohan’i Kristy izany, raha amin’ny kalandrientsika. Mbola tsy nifarana teo anefa ny tantaran-dry Noa tao anatin’ilay sambofiara. Io sambo feno zavamananaina io irery no namakivaky an’ilay ranomasina midadasika, izay nihoatra ny tampon’ireo tendrombohitra. (Genesisy 7:19, 20) I Noa angamba no nanao ny raharaha sarotra, niaraka tamin’i Sema sy Hama ary Jafeta. Nikarakara tsy tapaka ny biby rehetra izy ireo, amin’izay ireo biby mahazo sakafo sy madio ary salama tsara. Nataon’Andriamanitra tsy masiaka ny bibidia rehetra, ka mora ny nampiditra azy tao anaty sambofiara. Azo antoka fa nataony toy izany foana izy ireo nandritra ny Safodrano. *

Hita hoe noraketin’i Noa an-tsoratra ny zava-nitranga, ka fantatsika hoe oviana no nanomboka avy ny orana, ary oviana no nitsahatra. Fantatsika koa fa safotry ny rano ny tany nandritra ny 150 andro. Nihena ihany ilay izy tamin’ny farany. Indray andro, nipetraka moramora teo amin’ny “tendrombohitra Ararata”, any Torkia ankehitriny, ilay sambofiara. Tamin’ny Aprily 2369 Talohan’i Kristy angamba izany. Ny volana Jona, 73 andro taorian’izay, vao hita ny tampon’ireo tendrombohitra. Nanesoran’i Noa ny tafon’ilay sambo ny Septambra, izany hoe telo volana taorian’izay. Azo antoka fa faly erỳ izy ireo nahazo hazavana sy rivotra madio. Efa nanao zavatra izy talohan’io, mba hahalalana raha efa azo nonenana tany ivelany. Nandefa goaika izy tamin’izay. Nivezivezy tany izy io, ary angamba nijanona kely teo amin’ilay sambo rehefa vizana. Nandefa voromailala indray izy, ary niverina teo amin’i Noa foana izy io mandra-pahitany toerana honenana.—Genesisy 7:24–8:13.

Azo inoana fa nitarika fotoam-pivavahan’ny fianakaviana foana i Noa, na dia tao anatin’ny fotoana mafy indrindra aza

Azo antoka fa ny zavatra ara-panahy no tena zava-dehibe tamin-dry Noa. Tsy maintsy ho niara-nivavaka tsy tapaka izy mianakavy, ary niresaka momba an’ilay Rainy any an-danitra, izay niaro azy ireo. Niantehitra tamin’i Jehovah i Noa, isaky ny handray fanapahan-kevitra lehibe. Na hitany aza hoe “efa maina tanteraka” ny tany, rehefa afaka herintaona mahery, dia tsy namoha ny varavaran’ny sambofiara izy ka hoe hitarika ny fianakaviany sy ireo biby hivoaka tao. (Genesisy 8:14) Niandry an’i Jehovah izy!

Maro ny zavatra azon’ny raim-pianakaviana ianarana avy amin’io lehilahy nanam-pinoana io. Nahay nandamin-javatra izy, nazoto niasa, nanam-paharetana, ary niaro ny ankohonany sy ireo biby nasaina nokarakarainy. Nataony loha laharana foana anefa ny sitrapon’i Jehovah. Hitondra fitahiana ho an’ireo olona tena tiantsika isika, raha manahaka an’i Noa amin’ireo lafiny ireo.

“MIVOAHA AVY AO AMIN’NY SAMBOFIARA”

Ela ny ela ka niteny i Jehovah hoe: “Mivoaha avy ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vadin’ny zanakao.” Izy mianakavy no nivoaka voalohany ary avy eo ny biby. Tsy nikorontana anefa izy ireo tamin’izany. Lazain’ny Baiboly fa “nivoaka avy tao amin’ny sambofiara” ireo biby “araka ny karazany avy.” (Genesisy 8:15-19) Afaka nifoka rivotra madio ry Noa mianakavy, rehefa tafavoaka teo ivelany. Nitazana avy teo amin’ny tendrombohitra Ararata izy ireo, ka hitany fa voadio tanteraka ny tany. Tsy nisy intsony ny Nefilima, ny herisetra, ny anjely mpikomy, ary ireo  olona ratsy fanahy! * Afaka nanomboka fiainam-baovao indray ny olombelona.

Fantatr’i Noa izay tokony hatao, ka nanorina alitara izy. Tsaroanao angamba fa nakan’i Noa fito avy ny biby madio rehetra ary nentiny tao amin’ny sambofiara. Naka tamin’ireo izy mba hatao fanatitra dorana ho an’i Jehovah. (Genesisy 7:2; 8:20) Nahafaly an’i Jehovah ve izany?

Hoy ny Baiboly: “Nandre hanitra mampitony i Jehovah.” Marina fa nalahelo Andriamanitra rehefa feno herisetra ny tany. Tony sy finaritra anefa izy izao, nahita fianakaviana nanam-pinoana nanompo azy teto an-tany sady vonona hanao ny sitrapony. Tsy nanantena anefa i Jehovah hoe ho lavorary izy ireo. Hoy mantsy ny tohin’ilay andininy: “Zava-dratsy foana no irin’ny fony, efa hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Nisy zavatra hafa nampiseho hoe mbola naneho faharetana sy famindram-po tamin’ny olona i Jehovah.

Tsy nanozona ny tany intsony izy. Nanozona ny tany mantsy izy rehefa nikomy i Adama sy Eva, ka nanahirana ny asa fambolena. Nantsoin’i Lameka hoe Noa, izay mety hidika hoe “Fitsaharana” na “Fampiononana”, ny anaran’ny zanany. Naminany koa izy fa hanafaka ny olona amin’io ozona io i Noa. Tsy maintsy ho faly be i Noa rehefa nahalala fa ho tanteraka ilay faminaniana, ka ho mora volena kokoa ny tany. Tsy mahagaga raha lasa mpamboly izy.—Genesisy 3:17, 18; 5:28, 29; 9:20.

Efa voadio ny tany, rehefa nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Noa sy ny fianakaviany

Nomen’i Jehovah lalàna tsotra sy mazava ny taranak’i Noa rehetra. Norarany tsy hamono olona sy tsy hihinana ra, ohatra, izy ireo. Nanao fifanekena tamin’ny olombelona koa izy, ka nampanantena fa tsy handringana ny zavamananaina amin’ny safodrano intsony. Nasiany avana teny amin’ny lanitra, mba hanaporofoana fa azo itokisana ny teniny. Tamin’izay ny olona no nahita an’io zava-mahatalanjona io voalohany. Isaky ny mahita avana isika ankehitriny, dia tadidintsika foana ilay fampanantenana feno fitiavana nataon’i Jehovah.—Genesisy 9:1-17.

Nety ho tapitra teo amin’ilay avana ny tantaran’i Noa, raha angano fotsiny. Tena nisy anefa i Noa, ary tsy mora foana ny fiainany. Ela velona ny olona tamin’izany, ka mbola niaina 350 taona izy vao maty. Maro ny zavatra nampahory azy nandritra an’ireo taona ireo. Nanao fahadisoana lehibe izy, indray mandeha, satria mamo. Nanampy trotraka an’izany ny fahadisoana lehibe kokoa nataon’i Kanana zafikeliny. Nitondra vokany mangidy tamin’ny fianakavian’i Kanana izany. Mbola velona hatramin’ny andron’i Nimroda i Noa, ka nahita hoe lasa mpanompo sampy sy nahery setra ny taranany. Nampahery azy anefa ny nahita fa tena nanam-pinoana i Sema, ka ohatra tsara ho an’ny fianakaviany.—Genesisy 9:21-28; 10:8-11; 11:1-11.

Manahaka an’i Noa isika raha tsy mivadika mihitsy, na dia miatrika olana aza, ohatra hoe tsy miraharaha an’i Jehovah ny olona manodidina antsika, na tsy manompo azy intsony. Tena sarobidy aminy ny fiaretana toy izany. Hoy i Jesosy Kristy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Matio 24:13.

^ feh. 17 Misy milaza fa nety ho nataon’Andriamanitra be torimaso ireo biby, ka tsy nila sakafo firy. Na ahoana na ahoana, dia nitana ny teniny izy, ka tafavoaka velona izay rehetra tao anatin’ny sambofiara.

^ feh. 22 Tsy hita intsony koa ny zaridainan’i Edena, satria nety ho simban’ny rano. Raha izany, dia afaka niverina tany an-danitra ireo kerobima niambina ny lalana nankao. Nifarana ihany ilay asa nataony tao anatin’ny 1 600 taona.—Genesisy 3:22-24.