Hijery ny anatiny

Tsy Mifanerasera Amin’ny Olona Lasa Tsy Vavolombelon’i Jehovah Intsony ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy Mifanerasera Amin’ny Olona Lasa Tsy Vavolombelon’i Jehovah Intsony ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Raha misy olona natao batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah nefa tsy mitory intsony, na angamba aza tsy miara-mivavaka aminay intsony, dia tsy hoe ihatakatahanay. Raha ny marina aza, dia miezaka mifandray amin’izy ireny izahay, sady manampy azy hifandray tsara amin’Andriamanitra indray.

 Tsy hoe roahinay daholo izay manao fahotana lehibe. Raha zatra mandika ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena anefa ny Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, sady tsy mibebaka, dia horoahina izy ary tsy hifanerasera aminy intsony izahay. Milaza mazava mantsy ny Baiboly hoe: “Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.”​—1 Korintianina 5:13.

 Ahoana raha voaroaka ny lehilahy iray nefa mbola Vavolombelon’i Jehovah ny vady aman-janany? Tsy manao zavatra misy ifandraisany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra miaraka amin’ny vady aman-janany intsony izy. Mbola mpianakavy foana anefa izy ireo. Tsy miova ny fifandraisan’ilay lehilahy sy ny vadiny. Mbola hoatran’ny mpivady rehetra ihany izy sy ny vadiny, ary mbola mifankatia sy mifandray tsara hoatran’ny fianakaviana rehetra ihany izy mianakavy.

 Afaka manatrika ny fotoam-pivavahana ataonay ny olona voaroaka. Afaka manome azy ireo torohevitra ara-baiboly koa ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanay, raha tiany. Ny hanampy azy ireo tsirairay hahafeno fepetra ho Vavolombelon’i Jehovah indray no tanjona. Raha miala amin’ny zava-dratsy fanaony ny olona voaroaka ka mampiseho fa tena te hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly, dia afaka miverina izy raha te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah indray.