Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Fanomezana sarobidy avy amin’ny Mpamorona ny vady sy ny zanaka. Tiany ho sambatra ny fianakaviana. Nataony ao amin’ny boky masina iray àry ny torohevitra hanampy ny fianakaviana ho sambatra kokoa. Jereo, ohatra, ireto:

Tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy

“Tokony [ho tia] ny vadiny tahaka ny tenany [ny lehilahy]. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy.”​—EFESIANINA 5:28, 29.

Ny lehilahy no loham-pianakaviana. (Efesianina 5:23) Tsy tokony hasiaka na ho sarotiny be izy. Sarobidy aminy ny vadiny ary karakarainy tsara izay ilainy ara-batana sy ara-pihetseham-po. Miezaka koa izy mba hampifalifaly ny vadiny, fa tsy misisika foana hoe izay tiany no atao. (Filipianina 2:4) Resahiny mazava tsara amin’ny vadiny izay any an-tsainy sy any am-pony ary henoiny tsara koa ilay vehivavy rehefa miresaka. Tsy tokony ho “tezitra mafy” amin’ny vadiny izy sady tsy tokony hikasi-tanana azy na hiteny zavatra mandratra ny fony.​—Kolosianina 3:19.

Tokony hanaja ny vadiny ny vehivavy

“Aoka ... ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.”—EFESIANINA 5:33.

Milamina kokoa ny tokantrano rehefa manaja tsara ny vadiny ny vehivavy sady manohana ny fanapahan-keviny. Tsara fanahy sy manaja ny vadiny foana izy fa tsy manambany azy rehefa manao fahadisoana ny vadiny. (1 Petera 3:4) Fidiny tsara ny fotoana hiresahana olana amin’ny vadiny ary manaja azy foana izy rehefa mifampiresaka aminy.​—Mpitoriteny 3:7.

Tsy tokony hampirafy ny olona manambady

“Ny lehilahy dia ... hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.”​—GENESISY 2:24.

Rehefa mivady ny lehilahy sy vehivavy iray dia lasa mifandray be. Raha tian’izy mivady ho mafy orina foana ny tokantranony dia tsy maintsy miezaka izy ireo mba hifampiresaka matetika avy amin’ny fo sy hifaneho hatsaram-panahy matetika. Tsy tokony hampirafy koa ny olona manambady ka hoe hanao firaisana amin’olon-kafa. Tena mandratra ny fon’ny vadiny izany sady lasa tsy atokisan’ny vadiny intsony izy. Mety ho rava mihitsy aza ny tokantranony.—Hebreo 13:4.

Tokony hitaiza tsara ny zanany ny ray aman-dreny

“Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny [zanakareo], ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”​—OHABOLANA 22:6.

Nankinin’Andriamanitra tamin’ny ray aman-dreny ny fitaizana ny ankizy. Tafiditra amin’izany ny hoe mampianatra azy ho hendry sy miezaka ho modely ho azy ireo. (Deoteronomia 6:6, 7) Aza misendaotra rehefa maditra ny zanakao. Miezaha mba ho “mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19) Raha hitanao hoe mila bedesina izy, dia aza tezitra rehefa mibedy azy fa ataovy amim-pitiavana foana izany.

Tokony hankatò ray aman-dreny ny ankizy

“Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo. ... ‘Hajao ny rainao sy ny reninao.’”​—EFESIANINA 6:1, 2.

Tokony hankatò sy hanaja lalina ny ray aman-dreniny ny zanaka. Ho falifaly kokoa ny ao an-trano amin’izay sady hirary saina. Manaja ray aman-dreny ny zanaka efa lehibe raha mikarakara an’izay ilain’izy ireo, ohatra hoe mitady hevitra mba hanamboarana ny simba amin’ny tranony na manome vola fanampiana.—1 Timoty 5:3, 4.