Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Lehilahy, Aza Mampijaly Vady

Ry Lehilahy, Aza Mampijaly Vady

AHOANA no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny? Olona maro no nampianarina hatramin’ny mbola kely hoe ny hampiadana ny vady aman-janany ara-bola no tena tokony hataon’ny lehilahy. Mbola tsy sambatra ihany anefa ny vehivavy sasany manambady, na dia efa manan-karena aza. Misy mihitsy aza matahotra. Nilaza toy izao momba ny vadiny, ohatra, i Rosa, vehivavy espaniola: “Tsara fanahy erỳ izy amin’ny olona eny ivelany fa masiaka be rehefa ao an-trano.” Hoy koa i Joy, avy any Nizeria: “Rehefa tsy nifanara-kevitra izahay mivady, dia hozy hoe: ‘Tsy maintsy manao an’izay teneniko ianao satria izaho no lehilahy.’ ”

Inona no hanampy ny lehilahy ho vady be fitiavana? Inona no tokony hataony mba hahatonga ny tokantranony ho toerana hahitan’ny vadiny “fiadanana”?—Rota 1:9.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY MOMBA NY FAHEFAN’NY LEHILAHY?

Milaza ny Baiboly fa tsy mitovy ny andraikitry ny mpivady, na dia mitovy aza izy ireo eo imason’Andriamanitra. Hita ao amin’ny Romanina 7:2 fa voafatotry “ny lalàn’ny vadiny” ny vehivavy. Fikambanana maro no manendry filoha mba hampandeha ny asa ataony. Nanendry ny lehilahy koa Andriamanitra mba ho lohan’ny vadiny. (1 Korintianina 11:3) Ny lehilahy àry no tokony ho loham-pianakaviana.

Raha lehilahy manambady ianao, ahoana no tokony hampiasanao ny fahefana nomen’Andriamanitra anao? Hoy ny Baiboly: “Tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana.” (Efesianina 5:25) Tsy nanambady mihitsy i Jesosy Kristy nefa hanampy anao ho vady tsara ny modely nomeny. Andeha hojerentsika izany.

MODELY HO AN’NY LEHILAHY I JESOSY

Tia nampahery sy nanampy olona i Jesosy. Hoy izy tamin’ireo nijaly sy kivy: ‘Mankanesa atỳ amiko ianareo, fa hamelombelona anareo aho.’ (Matio 11:28, 29) Matetika izy no nanasitrana olona sy nanampy azy ireo hifandray amin’i Jehovah. Tsy mahagaga raha tian’ny olona i Jesosy. Resy lahatra mantsy izy ireo hoe hanamaivana ny fahoriany izy.

Ahoana no azon’ny lehilahy anahafana azy? Mitadiava hevitra hanampiana ny vadinao amin’ny raharaha ao an-trano. Misy vehivavy mitaraina hoe tsy manampy azy ny vadiny. Hoy i Rosa: “Hoatran’ny mpiasa an-trano fotsiny aho amin’ny vadiko.” Miadana kosa ny vadin’ny lehilahy iray atao hoe Kweku. Hoy i Kweku: “Matetika aho no manontany ny vadiko hoe inona no azoko anampiana azy. Tonga aho dia manampy azy manao raharaha satria tiako izy.”

Nangoraka ny olona i Jesosy. Efa 12 taona ny vehivavy iray no narary ka nijaly be. Reny hoe mahay manao fahagagana i Jesosy, ka hoy izy: “Raha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho, dia ho sitrana.” Izany tokoa no nitranga. Nankeo amin’i Jesosy izy, ary nikasika ny akanjony, ka sitrana avy hatrany. Mety ho nisy nihevitra hoe sahisahy ratsy ilay vehivavy. * Tsikaritr’i Jesosy anefa fa tena nila vonjy izy. Tsara fanahy i Jesosy ka niteny hoe: ‘Ho sitrana amin’iny aretina nampijaly anao iny anie ianao, anaka!’ Tsy nanala baraka na nibedy azy i Jesosy, fa niaiky kosa hoe nampijaly azy ilay aretina. Nasehony tamin’izany fa nahay nangoraka izy.—Marka 5:25-34.

Ahoana no azon’ny lehilahy anahafana azy? Miezaha ho tsara fanahy kokoa amin’ny vadinao rehefa tsy metimety izy, ary manàna faharetana. Miezaha hahatakatra an’izay manjo azy sy handefitra amin’ny fihetsiny na ny zavatra lazainy. Hoy i Ricardo: “Rehefa hitako hoe kizikizitina ny vadiko, dia mitandrina be an’izay lazaiko aho mba tsy ho vao mainka hampahatezitra azy.”

Niresaka tamin’ny mpianany i Jesosy. Niresaka zavatra maro tamin’ny mpianany izy. Hoy izy: “Ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.” (Jaona 15:15) Marina fa te ho irery i Jesosy indraindray, mba hisaintsaina sy hivavaka. Noresahiny tamin’ny mpianany anefa matetika izay tena tao am-pony. Nitsotra tamin’ny mpianany, ohatra, izy hoe “vonton’alahelo”, ny alina talohan’ny nanamelohana azy ho mpanao heloka bevava sy namonoana azy ho faty. (Matio 26:38) Mbola niresaka tamin’izy ireo foana izy, na dia nandiso fanantenana azy aza ny zavatra nataon’izy ireo.—Matio 26:40, 41.

Ho lasa vady sy raim-pianakaviana mahafinaritra ianao raha misaintsaina ny modely nomen’i Jesosy

Ahoana no azon’ny lehilahy anahafana azy? Resaho amin’ny vadinao izay ao an-tsainao sy ao am-ponao. Misy vehivavy mitaraina hoe hoatran’ny maresaka be ny vadiny eny imason’olona fa tsy miteny mihitsy rehefa ao an-trano. Izao kosa no tsapan’ny vehivavy iray antsoina hoe Ana rehefa tsy misalasala miresaka aminy ny vadiny: “Tsapako hoe tena tia ahy ny vadiko, ary vao mainka izy tiako.”

Aza mimonjomonjo amin’ny vadinao satria fotsiny hoe te hanasazy azy ianao. Hoy ny vehivavy iray: “Nimonjomonjo nandritra ny andro maromaro ny vadiko, rehefa tezitra tamiko. Lasa nanamelo-tena àry aho sady nieritreritra hoe tsy tia ahy izy.” Miezaka manahaka an’i Jesosy kosa ny lehilahy iray atao hoe Edwin. Hoy izy: “Tsy tonga dia mamaly aho rehefa sosotra be, fa mitady fotoana mety tsara, izay vao miresaka.”

Hitan’i Joy, ilay voaresaka terỳ aloha, fa niova ny vadiny rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Miezaka mafy ho be fitiavana hoatran’i Jesosy izy izao.” Mpivady an-tapitrisany no nianatra Baiboly, ary nandray soa. Te handray soa koa ve ianao? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah raha te hianatra Baiboly maimaim-poana ianao.

^ feh. 10 Maloto io vehivavy io, araka ny Lalàn’i Mosesy, ka tokony ho naloto daholo koa ny olona nokasihiny.—Levitikosy 15:19, 25.