Hijery ny anatiny

Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?

Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?

Ahoana ny hevitrao:

  • Fitiavana ve?

  • Vola ve?

  • Sa zavatra hafa?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

‘Sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany!’—Lioka 11:28, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

Tena hifankatia ianao sy ny ankohonanao.—Efesianina 5:28, 29.

Hifanaja.—Efesianina 5:33.

Hilamin-tsaina.—Marka 10:6-9.

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Ireto misy antony roa:

  • Andriamanitra no Mpamorona ny fianakaviana. Milaza ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra no “ahazoan’ny fianakaviana rehetra ... anarana.” (Efesianina 3:14, 15) Tsy ho nisy mihitsy àry ny fianakaviana, raha tsy i Jehovah no namorona azy. Nahoana izany no tsara ho fantatra?

    Diniho izao: Raha mihinana sakafo matsiro ianao, ka tianao ho fantatra hoe ahoana no nanaovana an’ilay izy, dia iza no hanontanianao? Azo antoka fa ilay nikarakara azy.

    Raha tianao ho fantatra koa hoe ahoana no hahasambatra ny fianakaviana, dia tsara ny manaraka ny torohevitr’i Jehovah, ilay namorona ny fianakaviana.—Genesisy 2:18-24.

  • Mikarakara antsika Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa ‘miahy antsika’ i Jehovah. (1 Petera 5:6, 7) Mitady izay hahasoa antsika izy, ary mandaitra foana ny toroheviny! Handray soa àry ny fianakaviana, raha mitady ny torohevitr’i Jehovah ao amin’ny Baiboly.—Ohabolana 3:5, 6; Isaia 48:17, 18.

FANONTANIANA HOSAINTSAININA

Inona no hanampy anao ho vady tsara, na ho ray na reny mahay mitaiza?

Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny EFESIANINA 5:1, 2 sy KOLOSIANINA 3:18-21.