Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Hanisy sy Hampiasa Mari-pitadidiana: iOS

Hanisy sy Hampiasa Mari-pitadidiana: iOS

Manampy anao hitadidy pejy amin’ny zavatra vakinao, ilay mari-pitadidiana ao amin’ny JW Library, hoatran’ilay tady kely ampiasainao mba hitadidiana pejy amin’ny boky. Misy mari-pitadidiana folo azonao ampiasaina isaky ny zavatra vakinao ao amin’ny JW Library.

Araho ireto toromarika ireto rehefa mampiasa mari-pitadidiana ianao:

 Hanisy mari-pitadidiana

Azonao asiana mari-pitadidiana ny lahatsoratra, toko, fehintsoratra, na andinin-teny.

Tsindrio ilay Mari-pitadidiana (sarina lamba kely eny amin’ny farany ambony ankavanana), raha te hitadidy lahatsoratra na toko ianao. Hisokatra avy eo ny lisitry ny mari-pitadidiana ho an’ilay zavatra vakinao. Fidio ny mari-pitadidiana mbola azo ampiasaina amin’ilay lahatsoratra na toko.

Raha te hitadidy fehintsoratra na andinin-teny ianao, dia tsindrio vetivety ilay fehintsoratra na andinin-teny. Tsindrio avy eo ilay sarina Mari-pitadidiana misokatra eo amboniny.

 Hijery mari-pitadidiana

Sokafy aloha ilay zavatra nasianao mari-pitadidiana, ary tsindrio ilay Mari-pitadidiana. Tsindrio avy eo izay mari-pitadidiana tianao hojerena.

 Hampiasa mari-pitadidiana

Azonao esorina na afindra ilay mari-pitadidiana nataonao.

  • Raha te hanala mari-pitadidiana ianao, dia tsindrio ilay sarina Mari-pitadidiana. Akisaho miankavia izay mari-pitadidiana tianao hesorina. Hiseho ilay sary kely Hanafoana, dia tsindrio ilay izy.

  • Raha te hamindra mari-pitadidiana ianao, dia tsindrio ilay sarina Mari-pitadidiana. Akisaho miankavia avy eo izay mari-pitadidiana tianao hafindra, ary tsindrio ilay sary kely Hanolo. Mifindra mankeo amin’ilay toerana vaovao tianao hasiana azy ilay mari-pitadidiana. Tena hanampy anao izany mba hahita ny toerana farany novakinao ao amin’ny zavatra iray. Ho hitanao, ohatra, izay toko na andinin-teny novakinao farany rehefa mamaky Baiboly isan’andro ianao.

Tao amin’ny JW Library 1.2 nivoaka tamin’ny Mey 2014 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny iOS 6.0 na vao haingana izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Hampiasa JW Library: iOS”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.