Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Mampiasà JW Library: Android

Mampiasà JW Library: Android

Tonga soa eto amin’ny JW Library. Natao hamakiana sy hianarana Baiboly ity programa ity. Afaka mahita an’ireo fizarana lehibe ianao ao amin’ny tsanganana nametrahana azy. Akisaho miankavanana ny eo amin’ny sisiny ankavia, dia hiseho io tsanganana io, na tsindrio ilay hoe Menu eny amin’ny sisiny ambony ankavia.

 Bible

Afaka mamaky sy mandika Baiboly ianao ao amin’ilay hoe Bible. Tsindrio ny anaran’ny boky, avy eo ny toko tianao hovakina. Rehefa mamaky ianao, dia hahita koa fanamarihana ambany pejy, fanondroana andininy hafa, ary ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly hafa mifanitsy amin’izay vakinao, eo amin’ilay tsanganana hoe Étude.

Raha te hamaky andinin-teny hafa ianao, dia akisaho miankavanana indray ny eo amin’ny sisiny ankavia, ary tsindrio ny hoe Bible.

 Publications

Misy boky, bokikely, taratasy mivalona, gazety, raki-peo, video, ary zavatra hafa amin’ny fiteny maro ao amin’ilay hoe Publications. Tsindrio izay mahaliana anao amin’ireo, avy eo tsindrio ny lahatsoratra tianao hovakina. Azonao jerena ireo andinin-teny hitanao, rehefa mamaky ianao. Tsindrio ilay andinin-teny, dia hiseho eo amin’ny tsanganana Étude ilay izy. Tsindrio ilay andinin-teny eo amin’io tsanganana Étude io, dia hiseho ao amin’ny Baiboly ilay izy.

Raha te hijery zavatra hafa ianao, dia akisaho miankavanana indray ny eo amin’ny sisiny ankavia, ary tsindrio ny hoe Publications.

 Text du jour

Akisaho miankavanana ny eo amin’ny sisiny ankavia, dia tsindrio ny hoe Texte du jour, raha tianao ny hijery ny andinin-teny ho an’ny andro.

 En ligne

Misy hoe En ligne koa eo amin’ilay tsanganana ankavia, mba hidirana ao amin’ireo tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

 Fanavaozana farany

Ataovy azo antoka fa ilay programa JW Library farany no anananao. Amin’izay dia ho azonao koa ireo zavatra niova farany amin’ilay programa.

Tsara raha ilay Android nivoaka farany no ampiasain’ny fitaovanao. Jereo ity rohy ity mba hahitanao fanazavana fanampiny: https://support.google.com/nexus/answer/4457705.

Azonao atao koa anefa hoe ilay fitaovanao ihany no tonga dia maka an’ilay programa misy fanavaozana farany. Hamarino raha efa nataonao hoatran’izany ny firafitry ny fitaovanao. Jereo koa ity rohy ity mba hahitanao fanazavana momba an’izany: https://support.google.com/googleplay/answer/113412.