Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Azo Atao ny Mampiditra Zavatra Isan-karazany: Android

Azo Atao ny Mampiditra Zavatra Isan-karazany: Android

An-jatony ireo boky, bokikely, taratasy mivalona ary video ao amin’ny JW Library. Azonao vakina sy jerena izy ireny avy eo, na dia tsy misy Internet aza.

Araho ireto toromarika ireto mba hahafahanao handika sy hampiasa an’ireo zavatra misy:

 Handika zavatra misy

Afaka mandika izay zavatra rehetra ilainao ianao. Azonao vakina sy ianarana izy ireny avy eo, na dia tsy misy Internet aza.

  • Akisaho miankavanana ny eo amin’ny sisiny ankavia, dia tsindrio ilay hoe Publications. Hiseho ny lisitr’ireo zavatra rehetra misy ao.

  • Tsindrio ilay hoe Langues, mba hahitanao ny lisitry ny zavatra misy amin’io fiteny io. Fidio izay fiteny tianao hampiasaina. Izay fiteny ampiasainao matetika no miseho voalohany eo amin’ilay lisitra. Azonao soratana fotsiny koa ny anaran’ilay fiteny tianao hotadiavina.

Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahanao mahita ireo zavatra misy ao amin’ny JW Library.

Ilay fizarana hoe Par catégorie dia manasokajy ireo zavatra misy amin’ilay fiteny arakaraka ny karazany, ohatra hoe boky, taratasy mivalona, na video. Rehefa manindry karazany iray ianao, dia mbola hisy azonao isafidianana, ohatra hoe Ny Tilikambo Fiambenana sokajina arakaraka ny taona, na video araka ny sokajiny avy. Tsindrio ilay hoe Toutes les catégories raha te hiverina amin’ny lisitra voalohany ianao.

Ilay hoe Nouveautés indray ahitanao an’ireo zavatra nivoaka farany amin’ilay fiteny fidinao.

Misy sarina rahona kely izay zavatra mbola tsy nadikanao. Tsindrio izay zavatra tianao hadika. Tsy miseho intsony ilay sarina rahona kely rehefa tafiditra ao amin’ny fitaovanao ilay zavatra nadikanao. Tsindrio indray ilay zavatra voadikanao raha tianao hovakina.

Hitanao ao amin’ilay hoe Téléchargé ireo zavatra nadikanao amin’ireo fiteny nofidinao. Azonao ovaovana hoe Souvent consulté, Rarement consulté, na Taille décroissante ny fisehon’ilay lisitra.

 Hanafoana zavatra misy

Azonao foanana izay zavatra nadikanao nefa tsy ilainao intsony, na koa mitana toerana be ao amin’ny fitaovanao.

Akisaho miankavanana ny eo amin’ny sisiny ankavia, dia tsindrio ilay hoe Publications. Rehefa manindry karazany iray (ohatra hoe Livre) ianao, dia hiseho ny lisitr’ilay izy. Tsindrio indray avy eo ilay teboka telo eo ankavanan’izay tianao hofoanana, avy eo ilay hoe Supprimer.

Raha mila toerana malalaka kokoa ianao ao amin’ny fitaovanao, dia esory ny zavatra sasany tsy dia ampiasainao na mavesatra be. Akisaho miankavanana ny eo amin’ny sisiny ankavia, dia tsindrio ilay hoe Publications. Tsindrio ilay hoe Téléchargé. Fidio ilay hoe Rarement consulté na ilay hoe Taille décroissante. Esory izay zavatra tsy ilainao intsony.

 Handika ireo zavatra nohavaozina

Mety hisy fanavaozana indraindray ny zavatra efa nadikanao.

Misy sarina filesy kely mihodinkodina izay zavatra misy fanavaozana. Rehefa tsindrinao ilay zavatra, dia misy hafatra mipoitra hoe misy fanavaozana ilay izy. Tsindrio ilay hoe Télécharger, raha tianao hohavaozina ilay izy. Tsindrio kosa ilay hoe Plus tard, raha mbola tsy hanavao ianao fa hanohy hamaky an’izay efa nadikanao.

Akisaho miankavanana ny eo amin’ny sisiny ankavia, dia tsindrio ilay hoe Publications, mba hahitanao raha misy fanavaozana ny zavatra efa nadikanao. Mipoitra ilay hoe Mises à jour en attente, raha misy izany. Tsindrio izy io, dia ho hitanao ny lisitr’ireo zavatra nohavaozina. Tsindrio izay zavatra tianao hohavaozina, na tsindrio ilay hoe Tout mettre à jour, raha tianao hohavaozina daholo izay hitanao eo amin’io lisitra io.

Tao amin’ilay JW Library 1.4 nivoaka tamin’ny Febroary 2015 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny Android 2.3 na vao haingana izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Mampiasà JW Library: Android”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.