Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafoy Tena Izy Ireo: Fanjakan’i New York

Nahafoy Tena Izy Ireo: Fanjakan’i New York

TSY nisy nahory an’i Cesar sy Rocio vadiny tamin’izy ireo tany Kalifornia, taona vitsivitsy lasa izay. Niasa tontolo andro i Cesar. Nifandray tamin’ny fanamboarana fitaovana fanafanana sy fampangatsiahana ny ao an-trano ny asany. I Rocio kosa niasa tapa-potoana tao amin’ny toeram-pitsaboana iray. Nanana trano izy ireo ary tsy nanan-janaka. Nisy zavatra nanova ny fiainany anefa. Inona izany?

Nanoratra ho an’ny fiangonana rehetra tany Etazonia ny biraon’ny sampana tany, tamin’ny Oktobra 2009. Nampirisihina ny rahalahy sy anabavy manana fahaizana manokana mba hameno fangatahana hanao asa an-tsitrapo tsy maharitra ao amin’ny Betela. Itarina mantsy ny tranon’ny sampana any Wallkill, any amin’ny Fanjakan’i New York. Nasaina hameno fangatahana na dia ireo efa dila ny taona ahafahana manompo ao amin’ny Betela aza. Hoy i Cesar sy Rocio: “Fantatray fa mety tsy ho afaka hanompo ao amin’ny Betela intsony izahay noho ny taonanay. Tombontsoa indray mandeha tsy miverina ilay izy ka tsy tianay handalo fotsiny.” Nandefa fangatahana avy hatrany izy roa.

Mpiasa an-tsitrapo sasany any Warwick

Herintaona mahery no lasa fa mbola tsy voantso ihany izy roa. Nanatsotra ny fiainany anefa izy ireo mba hanatratrarana ny tanjony. Hoy i Cesar: “Namboarinay mba ho efitra azo ipetrahana ny garazinay, amin’izay azonay ampanofaina ny tranonay. Nirefy 200 metatra toradroa ny tranonay sady tianay be ary vao taona vitsivitsy no nahavitana azy. Nifindra tao amin’ilay efitra kely nirefy 25 metatra toradroa anefa izahay. Rehefa nanao an’ireo fanovana ireo izahay, dia lasa vonona kokoa ho any amin’ny Betela raha voantso ihany.” Inona no nitranga avy eo? Hoy i Rocio: “Nasaina ho mpiasa an-tsitrapo tsy maharitra eto Wallkill izahay, iray volana taorian’ny nifindranay. Niharihary hoe notahin’i Jehovah izahay rehefa nanatsotra fiainana.”

Jason sy Cesar ary William

 MAHAFOY TENA IZY IREO KA TAHIN’I JEHOVAH

Rahalahy sy anabavy an-jatony no nahafoy zavatra toa an’i Cesar sy Rocio mba handraisana anjara amin’ny fanorenana any amin’ny Fanjakan’i New York. Maro no manampy amin’ny fanitarana any Wallkill, ary maro koa no manana tombontsoa hanampy amin’ny fanorenana ny foibe any Warwick. * Mpivady maro no te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa, ka nahafoy trano tsara tarehy, asa be karama, ary na dia ny biby nompiany tao an-trano aza. Tena tahin’i Jehovah ireny Kristianina mahafoy tena ireny.

Way

Elektrisianina, ohatra, i Way ary efa ho 60 taona izy sy Debra vadiny. Namidin’izy ireo ny tranony sy ny ankamaroan’ny fananany tany Kansas. Nifindra tao Wallkill izy ireo avy eo mba ho lasa Betelita kilasimody. * Marina fa nila nanova ny fiainany izy ireo nefa tsapany hoe tsy very maina ny sorona nataony. Hoy i Debra momba ny asany ao amin’ny Betela: “Mieritreritra aho indraindray hoe hoatran’ny olona manao trano any amin’ny Paradisa, mitovy amin’ireny amin’ny bokintsika ireny.”

Nivarotra ny tranony sy ny fananany tany Caroline Atsimo i Melvin sy Sharon mba hahafahany hanampy any Warwick. Tsy mora izany nefa tsapan’izy mivady fa tombontsoa ny mandray anjara amin’ilay tetikasa miavaka. Hoy izy ireo: “Faly erỳ ianao mieritreritra hoe hahasoa ny fandaminan’i Jehovah eran-tany ilay zavatra ataonao.”

Kenneth

Mpanao trano i Kenneth ary efa misotro ronono. Niala tany Kalifornia izy sy Maureen vadiny, izay samy 55 taona mahery, mba hanampy any Warwick. Niangavian’izy ireo ny fianakaviany mba hanampy azy hikarakara ny dadan’i Kenneth efa be taona. Nangataka anabavy iray tao amin’ny fiangonana koa izy mivady mba hikarakara ny tranon’izy ireo. Nanenenan’izy ireo ve ny sorona nataony? Tsia. Hoy i Kenneth: “Mandray soa be izahay. Tsy mora ilay izy nefa tena mahafa-po anay ny fiainanay. Mampirisika mafy ny hafa izahay mba hanao an’io karazana fanompoana io.”

NANDRESY ZAVA-TSAROTRA

Nandresy zava-tsarotra ny ankamaroan’ireo manampy amin’ilay tetikasa. Efa 60 taona mahery kely, ohatra, i William sy Sandra. Nety tsara ny fiainany tao Pennsylvanie sady tena tiany. Nanana orinasa mpanamboatra piesina milina izy ireo. Niroborobo be ilay izy ary nisy mpiasa 17. Efa hatramin’ny mbola kely izy ireo no tao amin’ilay fiangonana  nisy azy, ary tany koa ny ankamaroan’ny havany. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy handao ny ankamaroan’ny olona sy ny zavatra nahazatra azy izy ireo, rehefa nasaina ho Betelita kilasimody tany Wallkill. Hoy i William: “Ny niala tamin’ny fiainana nahazatra no tena mafy.” Nivavaka mafy anefa izy mivady ary nanainga. Tsy nanenenan’izy ireo izany. Hoy ihany i William: “Tsy misy mahafaly noho ny hoe miara-miaina sy miara-manompo amin’ny fianakavian’ny Betela. Mbola tsy sambatra hoatr’izany mihitsy izahay!”

Mpivady sasany mandray anjara amin’ilay asa any Wallkill

I Ricky sy Kendra indray avy any Hawaii. Mpiandraikitra tetikasa fanorenana no asan’i Ricky tany. Nantsoina ho Betelita kilasimody izy mba hanampy any Warwick. Tian’i Kendra hanaiky izy, nefa samy nanahy izy roa raha hahasoa an’i Jacob zanany lahy 11 taona izany. Nisalasala izy ireo raha hety amin’izy mianakavy ilay mifindra any amin’ny Fanjakan’i New York. Nanahy koa izy ireo hoe ho zatra ny fiainana any ve i Jacob.

Hoy i Ricky: “Anisan’ny nataonay voalohany ny nitady fiangonana misy ankizy matotra ara-panahy. Tianay hanana namana tsara be dia be mantsy i Jacob.” Zara raha nisy ankizy anefa tao amin’ilay fiangonana nifindran’izy ireo, saingy be Betelita. Hoy i Ricky: “Rehefa avy nivory voalohany tao izahay, dia nanontaniako i Jacob hoe ahoana no fahitany an’ilay fiangonana vaovao. Tsy nisy ankizy nitovy taona taminy mihitsy mantsy tao. Nilaza izy hoe: ‘Aza matahotra i Dada fa ny ankizilahy Betelita no hataoko namana.’ ”

I Jacob sy ny ray aman-dreniny, faly miaraka amin’ny Betelita ao amin’ny fiangonany

Lasa naman’i Jacob tokoa izy ireo. Inona no vokany? Hoy i Ricky: “Nandalo teo amin’ny efitr’i Jacob aho indray alina, ary hitako mbola nirehitra ny jiro. Nieritreritra hahita azy manao lalao video aho. Hay namaky Baiboly izy. Hoy izy rehefa nanontaniako hoe inona no nataony: ‘Efa Betelita kely aho izao, dia hovakiko ao anatin’ny herintaona ny Baiboly.’ ” Faly be i Ricky sy Kendra. Sady mandray anjara amin’ny fanorenana ao Warwick mantsy i Ricky no mandroso ara-panahy ny zanany.—Ohab. 22:6.

TSY MANAHY NY HOAVY

Luis sy Dale

Tsy maintsy hifarana ireo tetikasa any Wallkill sy Warwick. Fantatr’ireo mandray anjara amin’izany àry fa tsy haharitra ny fanompoany ao amin’ny Betela. Manahy be ve izy ireo hoe ho aiza izy ireo avy eo ary inona no hataony? Tsia. Maro no mitovy hevitra amin’ireto mpivady zokinjokiny avy any Floride ireto. Mpiandraikitra tetikasa fanorenana no asan’i John, ary lasa mpiasa an-tsitrapo tsy maharitra any Warwick izy sy Carmen. Hoy izy ireo: “Nomen’i Jehovah anay foana izay nilainay hatramin’izao. Mieritreritra izahay hoe i Jehovah ve dia  hitondra anay atỳ nefa avy eo hanary anay.” (Sal. 119:116) Misy ifandraisany amin’ny fitaovana famonoana afo ny asan’i Luis. Manompo any Wallkill koa izy sy Quenia vadiny. Hoy izy ireo: “Efa hitanay fa malala-tanana i Jehovah ka manome izay ilainay. Matoky izahay fa hikarakara anay foana izy, na dia tsy fantatray aza ny fomba sy fotoana ary toerana hanaovany izany.”—Sal. 34:10; 37:25.

‘FITAHIANA MIHOATRA NOHO IZAY ILAINA’

John sy Melvin

Afaka nahita antony tsy hanaovana an’ireo fanorenana any amin’ny Fanjakan’i New York ny ankamaroan’ ny mpiasa an-tsitrapo any. Nitsapa toetra an’i Jehovah anefa izy ireo, araka ilay tenin’i Jehovah hoe: ‘Tsapao toetra ange aho e, raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra, ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.’ (Mal. 3:10) Izany koa no asain’i Jehovah hataontsika rehetra.

Tsapao toetra àry i Jehovah dia hahazo fitahiana tondraka ianao. Misy asa fanorenana mahafinaritra any amin’ny Fanjakan’i New York sy any an-toeran-kafa. Mivavaha àry mba hahitanao raha ho afaka handray anjara amin’izy ireny ianao. Ho hitanao fa hamaly soa anao i Jehovah.—Mar. 10:29, 30.

Gary

Injeniera i Dale ary avy any Alabama izy sy Cathy. Miasa an-tsitrapo any Wallkill izy ireo ary mampirisika mafy ny hafa mba handray anjara amin’ny fanorenana. Hoy izy ireo: “Hahita ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah ianao, raha mahavita miala amin’ny fiainana mahazatra anao.” Inona anefa no ilaina hatao? Hoy i Dale: “Tsory ny fiainanao, ary tsory araka izay azo atao, fa tsy hanenenanao izany.” Efa 30 taona i Gary avy any Caroline Avaratra no niandraikitra tetikasa fanorenana, ary manampy any Warwick izy sy Maureen vadiny. Mihaona sy miara-miasa amin’ny rahalahy sy anabavy maro mahafinaritra izy ireo any, ary efa nanompo ela tao amin’ny Betela ny sasany. Anisan’ny fitahiana azony any izany, hoy izy ireo. Hoy ihany i Gary: “Mila manatsotra fiainana ianao raha te hanompo ao amin’ny Betela. Fiainana toy izany no mety indrindra, mba ho tafavoaka velona amin’ity tontolo ity.” Nifandray tamin’ny elektrisite ny asan’i Jason. Avy any Illinois izy sy Jennifer, ary manampy amin’ilay fanitarana any Wallkill. Nilaza izy ireo fa ny fiainany any no “mitovitovy indrindra amin’ny fiainana any amin’ny tontolo vaovao.” Hoy koa i Jennifer: “Tena mahafaly ny mieritreritra fa ankasitrahan’i Jehovah izay rehetra ataonao sady fanomanana an’ilay fiainana homeny antsika amin’ny hoavy. Ataony azo antoka hoe mahazo fitahiana be dia be ianao.”

^ feh. 7 Miasa iray andro na andro maromaro isan-kerinandro any amin’ny Betela ny Betelita kilasimody miasa tapa-potoana. Izy ihany no miantoka ny tranony sy izay ilainy.