Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alisa

Nahafoy Tena Izy Ireo: Torkia

Nahafoy Tena Izy Ireo: Torkia

NIEZAKA be ny Kristianina voalohany, mba hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” tamin’ny olona maro. (Mat. 24:14) Nankany an-tany hafa mihitsy ny sasany. Nitory tany amin’ny toerana maro tany amin’ny faritra misy an’i Torkia amin’izao, ohatra, ny apostoly Paoly tamin’izy misionera. * Roa arivo taona teo ho eo taorian’izay, izany hoe tamin’ny 2014, dia nisy ezaka manokana natao indray tany Torkia mba hitoriana ny vaovao tsara. Nahoana? Iza avy no nandray anjara tamin’ilay izy?

“FA MISY INONA?”

Misy mponina 79 tapitrisa any Torkia, ary 2 800 mahery ny mpitory. Midika izany hoe misy mpitory 1 isaky ny olona 28 000 eo ho eo any. Mbola vitsy àry no nandre ny vaovao tsara, ka natao ilay ezaka manokana mba ho betsaka araka izay azo atao ny olona handre an’ilay hafatra ao anatin’ny fotoana fohy. Nisy mpitory 550 avy any an-tany hafa tonga nandray anjara tamin’ilay izy. Miteny tiorka izy ireo, ka afaka niara-nitory tamin’ny mpiara-manompo any Torkia. Inona no vokatr’ilay ezaka manokana?

Betsaka ny fitoriana vita. Nanoratra toy izao ny fiangonana iray any Istanbul: “Rehefa nahita anay ny olona, dia nanontany hoe: ‘Misy fivoriambe manokana angaha no feno Vavolombelon’i Jehovah ny tanàna?’” Izao koa no nosoratan’ny fiangonana iray any Izmir: “Nanontany anti-panahy iray ny lehilahy iray miasa eo amin’ny fakàna taxi hoe: ‘Fa misy inona? Toa lasa be dia be mihitsy ianareo?’” Tena voamariky ny olona ilay ezaka manokana.

Steffen

Faly be ireo mpiara-manompo vahiny nandray anjara tamin’ilay izy. Hoy i Steffen, avy any Danemark: “Nitory tamin’ny olona mbola tsy naheno momba an’i Jehovah mihitsy aho isan’andro. Tena nampahafantatra ny anarany aho.” Hoy koa i Jean-David avy any Frantsa: “Faritany iray monja no nitorianay nandritra ny ora maromaro. Nahafinaritra be ilay izy. Maro ny olona tsy nahalala ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka nitory tamin’ny ankamaroan’ny olona hitanay izahay, sady nampiseho video sy nanome boky sy gazety.”

Jean-David (eo afovoany)

Boky sy gazety 60 000 teo ho eo no nozarain’ireo mpitory 550, tao anatin’ny tapa-bolana monja! Betsaka tokoa ny fitoriana vita.

Vao mainka mazoto ny mpitory. Maro tamin’ny mpitory any Torkia no lasa nieritreritra ny hanompo manontolo andro. Niampy 82 ny isan’ny mpisava lalana maharitra, nandritra ny herintaona taorian’ilay ezaka manokana.

Şirin

Nilaza ireo mpiara-manompo avy any ivelany hoe nisy vokany tsara taminy ilay ezaka manokana, na dia tamin’izy efa nody tany aminy aza. Hoy, ohatra, i Şirin, anabavy avy any Alemaina: “Tsotra kely amin’ny mpiara-manompo any Torkia ny mitory tsy ara-potoana. Izaho anefa saro-kenatra dia tsy sahy nanao an’izany. Soa ihany fa nisy an’ilay ezaka manokana sy ny modely nomen’izy ireo, dia izaho koa nivavaka be. Lasa nahavita nitory tsy ara-potoana aho. Nahavita nitory sy nizara taratasy mivalona teny amin’ny fiandrasana lamasinina mihitsy aza aho. Tsy dia menatra be hoatran’ny taloha intsony aho izao.”

Johannes

Hoy koa i Johannes avy any Alemaina: “Niana-javatra azoko ampiharina eny amin’ny fanompoana aho tany. Tena te hitory ny vaovao tsara amin’ny olona betsaka araka izay azo atao ny mpiara-manompo any Torkia. Mitory foana ry zareo isaky ny afaka. Nanapa-kevitra aho hoe hanao hoatran-dry zareo rehefa miverina atỳ Alemaina. Mitory amin’ny olona betsaka kokoa aho izao.”

Zeynep

Hoy i Zeynep avy any Frantsa: “Nisy vokany be tamin’ny fanompoako ilay ezaka manokana. Lasa sahy kokoa aho izao rehefa mitory, sady miantehitra kokoa amin’i Jehovah.”

Lasa mifankatia kokoa ny mpitory. Mifankatia sy miray saina ireo rahalahy sy anabavy avy any amin’ny firenena samy hafa, ary nisy vokany be izany. Hoy i Jean-David, voaresaka tetsy aloha: ‘Tsapanay hoe tena mahay mandray vahiny ny mpiara-manompo. Lasa naman-dry zareo izahay sady toy ny hoe fianakaviany mihitsy. Nampiantrano anay koa ry zareo. Efa fantatro hoe fianakaviambe iray ihany isika eran-tany. Imbetsaka aho no namaky an’izany tao amin’ny bokintsika. Izaho mihitsy anefa tamin’izay no nahatsapa an’ilay izy. Vao mainka faly aho hoe Vavolombelon’i Jehovah, ary tena isaorako azy izany.’

Claire (eo afovoany)

I Claire avy any Frantsa indray nilaza hoe: “Avy any Alemaina, Danemark, Frantsa, ary Torkia izahay, nefa toy ny fianakaviana iray ihany. Hoatran’ny hoe naka gaoma ngezabe Andriamanitra, dia nofafany tamin’iny daholo ny sisin-tany.”

Stéphanie (eo afovoany)

Hoy i Stéphanie, izay avy any Frantsa koa: “Hitanay tamin’ilay ezaka manokana fa tsy ny kolontsaina na ny fiteny no mampifandray tsara antsika, fa noho isika samy tia an’i Jehovah.”

INONA NO VOKATR’ILAY IZY?

Maro tamin’ireo rahalahy sy anabavy vahiny no lasa nieritreritra ny hifindra any Torkia, satria mbola be dia be faritany tsy voasa any. Maromaro no efa nifindra, ary tena mankasitraka ny fanampian’izy ireo ny mpitory any.

Misy mpitory 25, ohatra, ao amin’ny antoko-mpitory iray, ary anti-panahy iray monja no tao nandritra ny taona maro. Faly be àry izy ireo rehefa nisy mpanitatra enina avy any Alemaina sy Holandy tonga hanampy an-dry zareo, tamin’ny 2015.

MANOMPO ANY AMIN’IZAY ILANA MPITORY BEBE KOKOA

Tena mahafinaritra ny manitatra faritany, na dia tsy mora aza ilay izy indraindray. Manao ahoana àry ny fiainan’ireo manitatra any Torkia? Diniho izay nolazain’ny sasany amin’izy ireny:

Federico

Rahalahy avy any Espaina i Federico. Manambady izy ary 41 taona. Nilaza izy hoe: “Tsy dia manan-javatra firy aho, dia lasa afaka mifantoka kokoa amin’izay tena zava-dehibe.” Tsara àry ve ny manitatra, araka ny hevitr’i Federico? Hoy izy: “Tena tsara be mihitsy! Rehefa mifindra monina ianao mba hanampy ny olona hahalala an’i Jehovah, dia hoatran’ny hoe apetrakao eo am-pelatanany ny fiainanao. Vao mainka ianao mahatsapa hoe karakarainy.”

Rudy

Rahalahy avy any Holandy i Rudy. Manambady izy ary 57 taona. Hoy izy: ‘Faly be izahay manompo atỳ amin’izay ilana mpitory bebe kokoa sy miresaka ny fahamarinana amin’ny olona be dia be mbola tsy nandre an’izany mihitsy. Faly be koa izahay rehefa mahita hoe lasa sambatra ny olona rehefa manaiky ny fahamarinana.’

Sascha

Rahalahy avy any Alemaina i Sascha. Manambady izy ary 42 taona. Hoy izy: “Mahita olona sambany vao maheno ny vaovao tsara aho, isaky ny mitory. Faly be aho hoe afaka manampy an-dry zareo hahalala an’i Jehovah.”

Atsuko

I Atsuko indray anabavy avy any Japon. Manambady izy ary 36 taona. Hoy izy: “Tiako ho tonga avy hatrany ny Hara-magedona taloha. Rehefa nifindra teto Torkia anefa aho, dia lasa misaotra an’i Jehovah indray noho izy mbola miandry. Vao mainka te hifandray kokoa aminy aho, rehefa hitako hoe izy no mitantana ny asa fitoriana.”

Hoy i Alisa, anabavy 31 taona, avy any Rosia: “Rehefa nanitatra aho, dia tena nahita hoe tsara i Jehovah.” (Sal. 34:8) Hoy koa izy: “Sady Raiko i Jehovah no namako akaiky. Manampy ahy hahafantatra azy bebe kokoa ny zavatra samy hafa iainako. Be dia be ny zavatra mahafinaritra ahy eo amin’ny fiainako, ary be dia be koa ny fitahiana azoko.”

“JEREO NY SAHA”

Lasa betsaka kokoa ny olona nandre ny vaovao tsara tany Torkia, noho ilay ezaka manokana. Misy faritany midadasika mbola tsy nitoriana anefa any. Mihaona amin’ny olona mbola tsy naheno momba an’i Jehovah mihitsy ny mpanitatra any, isan’andro. Te hanompo any amin’ny faritany hoatr’izany ve ianao? Raha izany, dia ‘atopazo ny masonao ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.’ (Jaona 4:35) “Efa masaka hojinjaina” koa ny vokatra any an-tany hafa. Afaka manampy ny mpitory any àry ve ianao? Raha afaka ianao, dia miomàna dieny izao mba hanatratra an’izany tanjona izany. Matokia fa hahazo fitahiana be dia be ianao, raha miezaka bebe kokoa mba hitory ny vaovao tsara hatrany amin’ny “faritra lavitra indrindra amin’ny tany.”—Asa. 1:8.

^ feh. 2 Jereo ilay bokikely hoe Jereo Ilay Tany Soa’, pejy 32-33.