Hijery ny anatiny

Nahafoy Tena Izy Ireo: Albania sy Kosovo

Nahafoy Tena Izy Ireo: Albania sy Kosovo

 “Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hahavita be hoatr’izao aho amin’ny fanompoana an’i Jehovah.” Izany no tsapan’i Gwen, avy any Angletera, rehefa nanitatra faritany tany Albania izy. a

 Be dia be ny Vavolombelona mifindra any Albania satria te hanampy amin’ny fanangonana “ny zava-tsarobidy eo amin’ny firenena rehetra”, ary iray amin’ireny i Gwen. (Hagay 2:7) Inona no mandrisika an’ireo mpitory ireo hanao an’izany? Inona ny fanovana nataon-dry zareo talohan’ny nifindrany? Ary inona no nanampy an-dry zareo hiaritra na dia teo aza ny olana?

Samy hafa aza ny zavatra iainana, fa mitovy ny faniriana

 Mitovy daholo ny antony mahatonga an’ireo mpitory ireo hanitatra faritany any Albania: Tia an’i Jehovah ry zareo, dia te hanampy ny hafa hahafantatra azy.

 Tsy mora ilay hoe manompo any an-tany hafa, fa tsy maintsy misy olana foana. Niezaka nampitombo ny fanompoany anefa izy ireo talohan’ny nifindrany, dia izany no nanampy azy ireo hiatrika an’ireny olana ireny. Hoy i Gwen: “Nifindra tany amin’ny antoko-mpitory miteny albaney tao amin’ilay tanàna niaviako aloha aho tamin’ny voalohany. Nandeha tany Albania aho avy eo mba hamonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra. Niverina kely tany indray aho taorian’izay, satria te hahay kokoa an’ilay fiteny.”

Gwen

 I Manuela indray avy any Italia. Nifindra tany amin’ny faritra hafa tao amin’io firenena io izy tamin’izy 23 taona, mba hanampy fiangonana kely anankiray. Hoy izy: “Efa-taona aho no nanompo tao. Henoko avy eo hoe mbola be ny asa mila atao any Albania, dia nanapa-kevitra aho hoe hanao mpisava lalana any mandritra ny volana vitsivitsy.”

Manuela (Afovoany)

 Naheno tatitra avy any Albania i Federica indray mandeha, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Vao fito taona izy tamin’izany. Hoy izy: “Noresahin’ilay ranadahy nanao an’ilay tatitra hoe manana mpianatra Baiboly be dia be ny mpitory any Albania, sady tonga mivory ny olona liana. Dia hozy aho tamin’ny dadanay sy mamanay hoe izaho koa mba te ho any Albania. Taitra be ry zareo. Fa hozy i Dada avy eo hoe: ‘Resaho amin’i Jehovah ilay izy, fa raha izay no sitrapony dia tsy maintsy hotanterahiny.’ Volana vitsivitsy taorian’izay, dia voasa hanompo tany Albania izahay mianakavy!” Nandeha teny ny fotoana, ary efa manambady izao i Federica. Samy mpanompo manontolo andro any Albania izy sy Orges, vadiny.

Orges sy Federica

 Rehefa nisotro ronono i Gianpiero, dia nifindra tany Albania izy sy Gloria, vadiny. Hoy izy: “Tany Italia daholo no lehibe ny zanakay lahy. Nifindra tany an-tany hafa avy eo ny telo amin-dry zareo, mba hanompo any amin’izay mila mpitory bebe kokoa. Nanohina ny fonay ilay lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana hoe ‘Afaka Hiampita ho any Makedonia ve Ianao?’ Dia nodinihinay hoe ahoana no hampiasainay ny vola fisotroan-drononoko mba hanompoana any Albania.”

Gianpiero sy Gloria

Nalamina mialoha ny zava-drehetra

 Mila mandamina mialoha sy manao fanovana ny mpanitatra faritany, mba ho afaka hifindra any an-tany hafa. (Lioka 14:28) Mila manana vola hivelomana, ohatra, izy ireo. Ahoana no nataon’i Gwen, ilay voaresaka tetsy aloha? Lasa niara-nipetraka tamin’ny rahavaviny izy tamin’izy mbola tany Angletera, amin’izay afaka nanangom-bola. Avy any Angletera koa i Sophia sy Christopher. Izao no nolazain-dry zareo: “Namidinay ny fiaranay sy ny fanaka sasany tao an-tranonay. Tianay mantsy raha mba afaka mijanona herintaona any Albania izahay, fara fahakeliny.” Mahafinaritra fa afaka nijanona tany ela kokoa noho izany ry zareo.

Christopher sy Sophia

 Izao indray no ataon’ny mpitory sasany: Mijanona any Albania mandritra ny volana vitsivitsy ry zareo, dia mody any amin’ny tany niaviany mba hiasa sy hanangom-bola, dia avy eo indray miverina any Albania. Hoatr’izany no nataon’i Eliseo sy Miriam. Hoy i Eliseo: “Be mpizaha tany ilay tanàna niavian’i Miriam any Italia, dia tsy sarotra ny nahita asa an-tselika. Mankany izahay rehefa vanin-taona mafana, dia miasa any telo volana. Izay vola voangonay avy eo no ivelomanay any Albania mandritra ny sivy volana manaraka. Dimy taona izahay no nanao an’izany.”

Miriam sy Eliseo

Niatrika olana

 Tsy maintsy mizatra fiainana vaovao ny mpanitatra faritany rehefa mifindra. Vitan’izy ireo anefa ny miatrika ny olana mahazo azy rehefa manaraka ny torohevitra sy ny modelin’ireo Vavolombelona eo an-toerana izy ireo. Hoy i Sophia, ilay voaresaka tetsy aloha: “Mangatsiaka lavitra noho ny nahazatra ahy tany aminay ny trano any Albania rehefa ririnina. Nojereko àry hoe hoatran’ny ahoana ny fomba fitafin’ireo rahavavy any, dia mba nianarako koa ilay izy.” Avy any Polonina i Grzegorz sy Sona, vadiny, ary nifindra tany Kosovo mba hanampy fiangonana tao amin’ny tanàna tsara tarehy iray atao hoe Prizren. b Hoy i Grzegorz: “Tena tsara fanahy sy manetry tena ary manam-paharetana ny mpitory any! Tsy hoe manampy anay hahay an’ilay fiteny fotsiny ry zareo, fa manampy anay amin’ny zavatra be dia be koa. Atoron-dry zareo anay, ohatra, hoe aiza ny mpivarotra mba moramora entana, dia ahoana no atao rehefa miantsena.”

Be dia be ny zavatra mahafaly

 Mandray soa ireo mifindra any an-tany hafa rehefa lasa mpinamana be amin’ireo rahalahy sy anabavy any, sy mahafantatra ny tantaran-dry zareo. Hoy i Sona: “Hitako hoe misy vokany be eo amin’ny olona ny fitiavan’i Jehovah. Tena manatanjaka ny finoako ilay hoe nanova tanteraka ny zavatra inoany sy ny fiainany ny mpiara-manompo rehefa nahafantatra an’i Jehovah. Mahatsapa hoe ilaina sy manana ny toeranay izahay ao amin’ny fiangonana. Miaraka foana amin’ny mpiara-manompo koa izahay, dia lasa namanay ry zareo.” (Marka 10:29, 30) Hoy i Gloria: “Be dia be ny rahavavy fantatro hoe niaritra fanoherana mafy avy amin’ny mpiray tanàna tsy tia Vavolombelona. Tena manohina ny foko ny mahita ny fitiavan-dry zareo an’i Jehovah.”

Grzegorz sy Sona

 Betsaka koa ny lesona sarobidy ianaran’ireo mpanitatra faritany, ary mety hoe mbola tsy nianarany tany amin’ny nisy azy mihitsy ilay izy. Hitan-dry zareo, ohatra, fa tena mahafaly ilay hoe miala amin’ny mahazatra mba hahafahana manompo bebe kokoa an’i Jehovah. Hoy i Stefano: “Eo amin’ny telefaonina eo am-bavahady aho matetika no mitory tamin’izaho tany aminay, dia fohy kely ny resaka nataoko. Ny Albaney indray anefa tia miresaka ela be, indrindra rehefa hoe sady misotro kafe. Sadaikatra aloha aho tamin’ny voalohany, satria izaho saro-kenatra be. Tsy haiko koa hoe inona no hotenenina. Fa rehefa nandeha ny fotoana, dia nianatra nifantoka tamin’izay mahaliana ny olona aho, dia lasa tiako be ny miresaka amin-dry zareo. Be lavitra izao ny fifaliana tsapako eny am-pitoriana.”

Alida sy Stefano

 Avy any Etazonia i Leah ary nifindra tany Albania izy sy William, vadiny. Hoy izy: “Nampisokatra ny sainay sy ny fomba fijerinay ilay nanompo tatỳ. Be dia be mihitsy ny zavatra nianaranay momba ny resaka namana sy fitiavana mandray vahiny ary fanajana ny hafa! Nianatra fomba fitory vaovao izahay, dia nianatra nampisaintsaina ny olona amin’ny alalan’ny Baiboly sy hilaza ny hevitray koa.” Hoy i William: “Ilay torapasika tsara be no tena itiavan’ny vahiny an’i Albania. Ny ahy indray ny mianika an’ilay tendrombohitra be vatovato atỳ no tiako. Fa ny olona anefa no tena tsy ahafoizako ny eto! Misy tanàna kely be dia be ao amin’ny faritaninay, dia rehefa misy ezaka manokana ihany ny olona any vao maheno fitoriana, sady kely fotsiny ny zavatra henony. Rehefa mankany izahay, dia indraindray iray andro tontolo no laninay iresahana amin’ny fianakaviana roa na telo fotsiny.”

William sy Leah

 Ny mahita olona manaiky ny vaovao tsara no tena mahafaly an’ireny mpanitatra faritany ireny. (1 Tesalonianina 2:19, 20) Izao, ohatra, no notantarain’i Laura, anabavy mpitovo nanitatra tany Albania efa hatramin’izy mbola tanora: “Nanompo tao amin’ny tanàna iray atao hoe Fier aho, nandritra ny fotoana kelikely. Tao anatin’ny roa taona sy tapany fotsiny, dia nisy 120 be izao no nahafeno fepetra ho mpitory! Olona nampianariko ny 16 tamin’ireo!” Hoy indray ny anabavy iray atao hoe Sandra: “Nisy vehivavy iray izay, nitoriako teo an-tsena. Lasa Vavolombelona izy ary niverina tany amin’ny tanàna niaviany. Efa 15 izao ny olona ampianariny Baiboly, raha ny henoko farany!”

Laura

Sandra

Tahin’i Jehovah ny fiaretana

 Efa taona maro lasa izay no nisy mpanitatra tonga tany Albania. Mbola any ny sasany amin’izy ireo hatramin’izao sady tena mankafy ny fanompoany. Faly ry zareo mahita hoe naniry ihany ny voan’ny fahamarinana nafafiny tamin’ny voalohany, rehefa ela ny ela. (Mpitoriteny 11:6) Hoy i Christopher, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nihaona tamin’ny lehilahy iray izay aho, indray mandeha. Mpianatro Baiboly tamin’izaho vao tonga teto Albania izy io. Nanohina be ny foko ny naheno azy nitantara tamin’ny an-tsipiriany ny resakay voalohany momba ny Baiboly. Efa mpanompon’i Jehovah vita batisa izao izy sy ny vadiny.” Hoy koa i Federica, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nisy rahavavy nanatona ahy tao amin’izay fiangonana iray izay, dia nanontaniany aho raha mahatadidy azy. Hozy izy hoe izaho, hono, no nitory taminy, sivy taona lasa izay. Nianatra Baiboly izy, taoriana kelin’ny nifindrako tany amin’ny tanàna hafa, dia avy eo nandroso ary natao batisa. Nieritreritra foana aho hatramin’izay hoe tsy nisy vokany ireo taona voalohandohany nanompoanay teto Albania. Tena diso hevitra kay aho!”

 Faly ireo rahalahy sy anabavy nanitatra tany Albania sy Kosovo, satria notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireo sady nomeny fiainana mahafa-po izy ireo. Izao no amintinan’i Eliseo an’ireo taona maro efa nanompoany tany Albania: “Olombelona ihany isika, ka mora mieritreritra hoe hilamina ny fiainantsika raha izay zavatra heverin’ity tontolo ity hoe azo antoka no ianteherantsika. Tsy marina anefa izany. Rehefa manaraka ny toro lalan’i Jehovah isika vao tena misy dikany sy milamina ny fiainantsika. Manampy ahy hitadidy an’izany ilay manitatra faritany. Mahatsapa hoe sarobidy sy ilaina aho, sady nahazo namana be dia be mitovy tanjona amiko.” Mitovy hevitra aminy koa i Sandra. Hoy izy: “Rehefa nanitatra faritany aho, dia hoatran’ny hoe notanterahin’i Jehovah ilay nofinofiko hatramin’izay hoe ho lasa misionera. Tsy nanenina mihitsy aho nifindra teto Albania. Mbola tsy nahatsiaro ho sambatra hoatr’izao aho.”

a Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny tantaran’ny asa fitoriana any Albania ianao, dia vakio ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2010.

b Any avaratratsinanan’i Albania no misy an’i Kosovo. Betsaka amin’ny olona any no mampiasa tenim-paritra albaney. Mahafoy tena ireo Vavolombelona avy any Albania sy Etazonia ary firenena maro any Eoropa, ka manampy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona mampiasa tenim-paritra albaney any Kosovo. Nisy mpitory 256 tany, tamin’ny 2020, ary nisy fiangonana valo sy antoko-mpitory telo ary antoko-mpitory santatra roa.