Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafoy Tena Izy Ireo: Taïwan

Nahafoy Tena Izy Ireo: Taïwan

TANY Sydney, any Aostralia, i Choong Keon sy Julie, dimy taona teo ho eo izay, ary mpisava lalana maharitra. Tokotokony ho 35 taona izy mivady izao. Hoy i Choong Keon: “Nanana asa tapa-potoana izahay ary nety tsara ny fiainanay. Tsara ny toetrandro tany ary nilamindamina ny fiainana. Faly koa izahay fa akaiky fianakaviana sy namana.” Nisy zavatra nanelingelina ny sain’izy ireo anefa. Fantany fa mbola afaka manompo bebe kokoa izy, nefa nisalasala ny hanova ny fiainany.

Nisy lahateny tena nanohina ny fon’izy ireo tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2009. Nivantana tamin’ireo afaka mampitombo ny fanompoany ny tenin’ilay mpandahateny. Hoy izy: “Eritrereto izao: Rehefa mandeha ihany ny fiara vao azon’ny mpamily entina miankavia na miankavanana. Toy izany koa rehefa mikasa hanitatra ny fanompoantsika isika: Tsy hitarika antsika i Jesosy, raha tsy isika mihitsy no manao zavatra ka miezaka mafy hanatratra ny tanjontsika.” * Nilaza izy mivady fa toy ny hoe ry zareo mihitsy no niresahan’ilay mpandahateny. Nadinadinina tamin’ilay fivoriambe koa ny mpivady misionera iray manompo any Taïwan. Niresaka ny fifaliana tsapany amin’ny fanompoana izy ireo, ary nanantitrantitra fa mbola mila mpitory maro any. Tsapan’i Choong Keon sy Julie indray fa toy ny natao ho azy roa ireo teny ireo.

Hoy i Julie: “Nivavaka tamin’i Jehovah izahay taorian’ilay fivoriambe, mba homeny herim-po hifindrana atỳ Taïwan. Natahotra anefa izahay, toy ny olona sambany vao hitsoraka ao anaty dobo filomanosana.” Nanampy azy ireo ho tapa-kevitra hifindra ny Mpitoriteny 11:4 hoe: “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.” Hoy i Choong Keon: “Tapa-kevitra izahay fa ‘hamafy sy hijinja’ amin’izay, fa tsy  ‘handinika sy hijery’ fotsiny.” Nivavaka momba an’ilay izy foana izy ireo, namaky tantaram-piainan’ny misionera, ary nifanoratra matetika tamin’ireo efa nifindra any Taïwan. Namidiny koa ireo fiarany sy ny fanaka tao an-trano, ary nankany Taïwan izy ireo telo volana tatỳ aoriana.

NAHITA TSIRONY TAMIN’NY FANOMPOANA

Maherin’ny 100 izao ny rahalahy sy anabavy vahiny manompo any amin’ireo faritra ilana mpitory maro kokoa, any Taïwan. Eo anelanelan’ny 21 sy 73 taona izy ireo, ary avy any Aostralia, Espaina, Etazonia, Frantsa, Grande-Bretagne, Japon, Kanada, ary Korea. Anabavy mpitovo ny 50 mahery aminy. Inona no nanampy an’ireo mpitory mazoto ireo hahavita hanompo any an-tany hafa?

Laura

Mpisava lalana any amin’ny faritra andrefan’i Taïwan i Laura, anabavy mpitovo avy any Kanada. Tsy tia nitory mihitsy izy, folo taona lasa teo ho eo izay. Hoy izy: “Nandeha nanompo aho saingy vetivety fotsiny ka tsy tiako ilay izy.” Nisy namany tany Kanada anefa nitaona azy hitory iray volana tany Meksika. Hoy i Laura: “Izay aho vao mba nanompo elaela, ary gaga aho fa nahafinaritra be ilay izy!”

Nieritreritra ny hifindra tany amin’ny fiangonana miteny vahiny tany Kanada i Laura vokatr’izany. Nianatra teny sinoa izy, niara-nanompo tamin’ny antoko-mpitory miteny sinoa, ary avy eo nikasa hifindra tany Taïwan. Tratrany ny tanjony tamin’ny Septambra 2008. Hoy i Laura: “Herintaona teo ho eo aho vao tena tamana, nefa tsy te hiverina any Kanada intsony aho izao.” Ary ahoana no fahitany ny fitoriana? Hoy izy: “Tena tiako izao ny mitory. Mahafaly ny mahita mpianatra Baiboly miova rehefa lasa mahalala an’i Jehovah. Tsy misy mahafa-po noho izany! Imbetsaka aho no mahatsapa an’izany atỳ Taïwan.”

AHOANA RAHA SAROTRA ILAY FITENY?

Brian sy Michelle

Valo taona teo ho eo izay i Brian sy Michelle no nifindra tany Taïwan. Tokotokony ho 35 taona izy  mivady ary avy any Etazonia. Nahatsiaro ho tsy nahavita nanompo tsara izy roa tamin’ny voalohany. Nisy misionera za-draharaha anefa niteny tamin’izy ireo hoe: “Tadidio fa na taratasy mivalona iray aza no omenareo ny olona, dia mety ho iny no fomba voalohany hahafantarany an’i Jehovah. Efa mandray anjara be amin’ny fanompoana àry ianareo.” Nampahery be azy mivady izany, ka tsy nitsahatra nanao ny fanompoany izy ireo. Nisy rahalahy iray koa niteny hoe: “Raha tsy te ho kivy amin’ny fianarana teny sinoa ianareo, dia aza mijery ny fandrosoana vita isan’andro, fa ny fandrosoana vita isaky ny fivoriambe jerena.” Nihanahay teny sinoa izy ireo, ary mahita vokatra tsara amin’ny asan’ny mpisava lalana izy izao.

Inona no mety handrisika anao hianatra teny vahiny? Tsidiho ilay tany tianao hifindrana, manatreha fivoriana rehefa tonga any, miaraha amin’ireo rahalahy sy anabavy, ary miaraha mitory amin’izy ireo. Hoy i Brian: “Rehefa hitanao hoe maro be ny olona mandray tsara, ary tsapanao fa tena tia anao ireo rahalahy sy anabavy, dia lasa vonona hiatrika ny zava-tsarotra fahitan’ireo manompo any an-tany hafa ianao.”

ARY AHOANA NY ASA FIVELOMANA?

Kristin sy Michelle

Maromaro amin’ny mpanitatra faritany any Taïwan no mampianatra teny anglisy mba hivelomana. Mivarotra trondro kosa i Kristin sy Michelle. Hoy i Kristin: “Mbola tsy nanao an’io asa io mihitsy aho, nefa ahafahanay mijanona eto ilay izy.” Lasa nahita mpividy entana matetika tao aminy i Kristin. Mahavelona tsara azy mivady io asa tapa-potoana io. Manana fotoana ampy tsara koa izy ireo anaovana ny asan’ny mpisava lalana. Io asa fanaratoana olona io no tena anton’asany.

“ANKAFIZO NY DIA”

Fito taona teo ho eo izay no tonga tany Taïwan i William sy Jennifer, mpivady avy any Etazonia. Hoy i William: “Reraka be ianao indraindray, satria sady mianatra teny vahiny, no manao ny asan’ny mpisava lalana, no mikarakara fiangonana, no mbola mitady vola hamelomana ankohonana.” Inona no nanampy azy mivady hahavita an’izany sy ho faly foana? Miezaka hanana tanjona azo tratrarina izy ireo. Tsy manantena, ohatra, izy ireo hoe vetivety dia hahay teny sinoa. Tsy kivy be izy ireo amin’izay raha elaela vao mahay.

William sy Jennifer

Tsaroan’i William fa nisy mpiandraikitra mpitety faritany niteny taminy hoe: “Aza miandry ho tonga any amin’izay aleha vao hifaly, fa ankafizo ny dia.” Midika izany hoe mila mankafy an’ireo dingana ataontsika mba hanatratrarana ny tanjontsika isika, rehefa fantatsika ilay tanjona. Nilaza i William fa nampihatra an’izany torohevitra izany izy mivady, ka lasa nahay nampifanaraka ny fiainany tamin’ny zava-misy sy nihaino ny torohevitr’ireo rahalahy nanana andraikitra teo an-toerana. Lasa nahay nanova ny fahazarany izy ireo ka nahita vokatra teo amin’ny fanompoana. Hoy ihany i William: “Nanampy anay koa izany hitadidy hoe tsara indraindray ny manokana fotoana hankafizana ny hakanton’ilay nosy anompoanay.”

Anabavy mpitovo sady mpisava lalana avy any Etazonia i Megan. ‘Mankafy ny dia’ koa izy sady miezaka manatratra ny tanjony, dia ny hiteny sinoa misosa tsara. Mitory any amin’ny seranan-tsambon’i Kaohsiung izy sy ny mpitory maromaro isaky ny faran’ny herinandro. Io no seranan-tsambo lehibe indrindra any Taïwan, ary faritany tena mahafinaritra ilay izy. Afaka mitety sambo i Megan, ka mitory ny vaovao tsara amin’ny mpanarato avy any Bangladesy, Inde, Indonezia, Philippines, Tailandy, ary Vanuatu. Hoy izy: “Vetivety ihany ireo mpanarato no mijanona eo amin’ilay seranana, ka tonga dia mampianatra Baiboly azy ireo izahay. Tiako  hianatra daholo izy ireo, ka efatra na dimy matetika no indray ampianariko.” Ary manao ahoana ny fianaran’i Megan teny sinoa? Hoy izy: “Tiako raha vetivety dia mahay aho. Iezahako tadidina foana anefa ny tenin’ny ranadahy iray hoe: ‘Ataovy izay fara herinao, dia i Jehovah no hanao ny ambiny.’ ”

Megan

TSOTRA SY TSY MAMPIDI-DOZA NEFA MAHAFINARITRA

Nikaroka an’izay tany tsy mampidi-doza ho an’ny anabavy mpitovo i Cathy avy any Grande-Bretagne, talohan’ny nifindrany. Noresahiny tamin’i Jehovah izay nampanahy azy. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana maromaro koa izy, mba hahalalana hoe inona no mety hampidi-doza an’izay anabavy mpitovo mifindra any. Nandinika tsara ny valin-teny azony izy, ary nanapa-kevitra fa any Taïwan no mety aminy.

Nifindra tany Taïwan i Cathy tamin’ny 2004, tamin’izy 31 taona. Hoy izy: “Nanontaniako ny mpiara-manompo hoe aiza no toerana tena tsara ividianana voankazo sy legioma mora. Nanampy ahy ny torohevitr’izy ireo ka ela kokoa ny volako vao lany.” Inona no manampy an’i Cathy hanana fiainana tsotra foana? Nilaza izy hoe: ‘Matetika aho no mivavaka amin’i Jehovah mba hanampy ahy ho afa-po amin’izay sakafo sy akanjo tsotra ananako. Tsapako hoe mamaly vavaka izy, ka atorony ahy izay ilaiko ary ampiany hahay hianina aho, na dia tsy mahazo izay iriko aza. Tiako ilay fiainana tsotra satria manampy ahy hifantoka amin’ny ara-panahy.’

Cathy

Tsy tsotra fotsiny anefa ny fiainan’i Cathy fa mahafinaritra koa. Hoy izy: “Betsaka ny olona mandray ny vaovao tsara ao amin’ny faritany itoriako. Tiako be izany!” Nisy fiangonana roa miteny sinoa tao amin’ilay tanàna nanombohany ny asan’ny mpisava lalana, tamin’izy vao tonga tany Taïwan. Efa fito anefa izany izao. Hoy i Cathy: “Mahita an’izany fandrosoana be izany aho sady mandray anjara amin’ilay asa fijinjana, ka mahafinaritra be ny fiainako isan’andro.”

“NA IZAHO AZA MBA NILAIN-DRY ZAREO!”

Ary nanao ahoana ry Choong Keon sy Julie, izay voaresaka tany aloha? Nieritreritra i Choong Keon tamin’ny voalohany hoe tsy dia nilaina teo anivon’ny fiangonana izy, satria tsy tena nahay teny sinoa. Tena nila azy anefa ny mpiara-manompo. Hoy i Choong Keon: “Mpanampy amin’ny fanompoana aho, ka nomena andraikitra maro fanampiny rehefa nizara ny fiangonana. Izay vao tena tsapako hoe manompo atỳ amin’ny faritra mila fanampiana bebe kokoa aho.” Nitsiky izy avy eo sady niteny hoe: “Tena nahafinaritra ilay izy! Na izaho aza mba nilain-dry zareo!” Anti-panahy izy izao. Hoy i Julie: “Afa-po sy sambatra izahay ary mahatsapa hoe misy zavatra vitanay. Tsy mba nahatsapa an’izany izahay taloha. Tonga hanampy izahay nefa mahafinaritra be ny zavatra iainanay ka hoatran’ny hoe izahay indray no nampiana. Misaotra an’i Jehovah namela anay hanompo atỳ.”

Tany maro no mbola mila mpiasa maro kokoa hanao an’ilay asa fijinjana. Efa ho vita àry ve ny fianaranao ka mieritreritra an’izay hataonao ianao? Sa ianao mpitovo ary tianao ny hampiasain’ny fandaminan’i Jehovah bebe kokoa? Tianao ve ny fianakavianao raha mba manana fahatsiarovana mahafinaritra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Sa ianao efa misotro ronono ka manana traikefa betsaka hozaraina amin’ny hafa? Matokia fa hahazo fitahiana maro ianao raha manompo bebe kokoa, ka mifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa.