Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ataovy Foana Izay Hifantohan’ny Sainareo Amin’ny Zavatra any Ambony”

“Ataovy Foana Izay Hifantohan’ny Sainareo Amin’ny Zavatra any Ambony”

“Ataovy foana izay hifantohan’ny sainareo amin’ny zavatra any ambony, fa tsy amin’ny zavatra etỳ an-tany.”—KOL. 3:2.

1, 2. a) Inona no olana nisy teo anivon’ny fiangonan’i Kolosia? b) Inona no torohevitra nomena mba hanampiana azy ireo tsy hivadika?

NATAHORANA hisara-bazana ny fiangonan’i Kolosia tamin’ny taonjato voalohany. Nisy nanantitrantitra mantsy hoe tokony hotandremana ny Lalàn’i Mosesy. Nisy koa nampirisika ny hafa hampihafy tena be, nefa fanaon’ny mpanompo sampy izany. Nanoratra taratasy mampahery ho an’ny Kolosianina àry ny apostoly Paoly, ka nampitandrina hoe: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.”—Kol. 2:8.

2 Toy ny hoe nanda izay nataon’i Jehovah mba hamonjena ny olombelona ireo Kristianina voahosotra ireo, raha nampifantoka ny sainy tamin’ny ‘zavatra fototra teo amin’ity tontolo ity.’ (Kol. 2:20-23) Te hanampy azy ireo hifandray tsara amin’Andriamanitra foana i Paoly, ka hoy izy: “Ataovy foana izay hifantohan’ny sainareo  amin’ny zavatra any ambony, fa tsy amin’ny zavatra etỳ an-tany.” (Kol. 3:2) Nila notadidin’ireo rahalahin’i Kristy ireo ny fanantenany an’ilay lova tsy mety lo, izay ‘voatahiry any an-danitra ho azy ireo.’—Kol. 1:4, 5.

3. a) Inona no fanantenana ifantohan’ny Kristianina voahosotra? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

3 Mampifantoka foana ny sainy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanantenany ho lasa “mpiara-mandova amin’i Kristy” ny voahosotra ankehitriny. (Rom. 8:14-17) Ary ahoana ireo “ondry hafa” manantena hiaina eto an-tany? (Jaona 10:16) Ahoana no hahafahany hampifantoka foana ny sainy amin’ny “zavatra any ambony”, araka ny tenin’i Paoly? Nampifantoka ny sainy tamin’ny zavatra any ambony i Abrahama sy Mosesy, na teo aza ny zava-tsarotra. Nahoana no mahasoa antsika ny manahaka an’ireo lehilahy tsy nivadika ireo?

NY DIKAN’NY HOE MAMPIFANTOKA NY SAINA AMIN’NY ZAVATRA ANY AMBONY

4. Ahoana no ampisehoan’ny ondry hafa fa mampifantoka ny sainy amin’ny zavatra any ambony izy?

4 Afaka mampifantoka ny sainy amin’ny zavatra any ambony koa ny ondry hafa, na dia tsy manantena ho any an-danitra aza. Manao izany izy ireo raha i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany no ataony loha laharana. (Lioka 10:25-27) I Kristy no modely arahintsika amin’izany. (1 Pet. 2:21) Miely eto amin’ity tontolo ity ny hevi-diso sy ny filozofian’olombelona ary ny fitiavan-karena, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. (Vakio ny 2 Korintianina 10:5.) Manahaka an’i Jesosy isika, ka mitandrina amin’ireo zavatra ireo mba tsy ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.

5. Ahoana no ahalalantsika raha efa lasa tia vola sy harena isika?

5 Efa lasa nifindra tamintsika ve ny fiheveran’ity tontolo ity ny harena? Matetika no hita amin’ny ataontsika sy ny fisainantsika ny zavatra tiantsika. Hoy i Jesosy: “Any amin’izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.” (Mat. 6:21) Tsara ny mandini-tena tsindraindray mba hahitana izay mameno ny fontsika. Eritrereto hoe: ‘Mandany fotoana be ve aho mieritreritra hoe ahoana no hahazoako vola, na hahitako asa tsara kokoa, na hahametimety kokoa ny fiainako? Sa kosa aho miezaka hanana maso tsotra ka mifantoka amin’ny ara-panahy?’ (Mat. 6:22) Nilaza i Jesosy fa mety tsy hifandray amin’i Jehovah intsony isika, raha ny ‘fanangonana harena etỳ an-tany’ no imasoantsika.—Mat. 6:19, 20, 24.

6. Inona no hanampy antsika handresy ny fanirian’ny nofo?

6 Tsy lavorary isika ka tia manao izay mahafinaritra antsika. (Vakio ny Romanina 7:21-25.) Mety hanao “ny asan’ny haizina” isika raha tsy miasa amintsika ny fanahy masina. Anisan’izany ‘ny lanonana feno filibana, ny fibobohan-toaka, ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna, ary ny fitondran-tena baranahiny.’ (Rom. 13:12, 13) Mila mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra any ambony foana isika, raha te handresy ny faniriantsika an’ireo “zavatra etỳ an-tany”, izany hoe ny fanirian’ny nofo. Mitaky ezaka izany. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza hoe: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko.” (1 Kor. 9:27) Mila mifehy tena mafy isika raha te hanohy an’ilay hazakazaka mba hahazoana ny fiainana. Andeha hodinihintsika izay nataon’ny lehilahy roa tsy mivadika mba ‘hahazoany sitraka tamin’Andriamanitra.’—Heb. 11:6.

“NANEHO FINOANA AN’I JEHOVAH” I ABRAHAMA

7, 8. a) Inona no olana natrehin’i Abrahama sy Saraha? b) Nampifantoka ny sainy tamin’ny inona i Abrahama?

7 Nanaiky an-tsitrapo i Abrahama rehefa nasain’Andriamanitra nifindra tany Kanana niaraka tamin’ny ankohonany. Nanam-pinoana sy nankatò izy ka nanao fifanekena taminy  i Jehovah hoe: “Hataoko misy firenena lehibe avy aminao. Hitahy anao aho.” (Gen. 12:2) Mbola tsy niteraka ihany anefa i Abrahama sy Saraha vadiny, taona maro tatỳ aoriana. Nety ho nieritreritra izy hoe hadinon’i Jehovah ilay fampanantenany. Tsy vitan’izany fa sarotra ny fiainana tao Kanana. I Abrahama sy ny ankohonany anefa efa nandao ny havany sy ny tranony tany Ora, tanàna mandroso tany Mezopotamia. Nanao dia 1 600 kilaometatra mahery izy ireo vao tonga tany Kanana, ary tranolay no nipetrahany. Nisy mosary sy mpandroba koa tany. (Gen. 12:5, 10; 13:18; 14:10-16) Tsy nieritreritra ny hiverina tamin’ny fiainana mampiadana tany Ora anefa izy ireo.—Vakio ny Hebreo 11:8-12, 15.

8 Tsy nifantoka tamin’ny “zavatra etỳ an-tany” i Abrahama, fa “naneho finoana an’i Jehovah.” (Gen. 15:6) Nampifantoka ny sainy tamin’ny zavatra any ambony izy, izany hoe tamin’ny fampanantenan’i Jehovah. Namaly soa azy àry ilay Andriamanitra Avo Indrindra ka niseho taminy, ary nilaza hoe: “ ‘Mba jereo ange ny lanitra e! Ary isao ny kintana, raha mahisa azy ianao.’ Hoy koa izy taminy: ‘Ho tahaka izany ny taranakao.’ ” (Gen. 15:5) Tena nanome toky an’i Abrahama izany. Tadidiny foana ilay fampanantenan’i Jehovah hoe ho maro ny taranany, rehefa nijery ny lanitra feno kintana izy taorian’izay. Nanan-janaka tokoa izy tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, araka ny efa nampanantenaina.—Gen. 21:1, 2.

9. Nahoana no mandrisika antsika hazoto hanompo ny ohatr’i Abrahama?

9 Miandry ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah koa isika, toa an’i Abrahama. (2 Pet. 3:13) Mety hieritreritra isika hoe ela loatra vao tanteraka ny fampanantenany, raha tsy mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra any ambony isika. Mety hahatonga antsika tsy hazoto amin’ny fanompoana izany. Nisy zavatra nafoinao ve, ohatra, taloha mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana na fanompoana manontolo andro hafa? Mendri-piderana ianao raha izany. Ary ahoana kosa ankehitriny? Manahaka an’i Abrahama ve ianao? Nataon’i Abrahama tao an-tsaina foana “ilay tanàna manana fototra tena izy”, ka nanao izay rehetra azony natao izy mba hanompoana an’i Jehovah. (Heb. 11:10) “Naneho finoana an’i Jehovah” izy “ka nekena ho isan’ny olo-marina.”—Rom. 4:3.

TOY NY NAHITA “AN’ILAY TSY HITA” I MOSESY

10. Nanao ahoana ny fiainan’i Mosesy tamin’izy tanora?

10 Nampifantoka ny sainy tamin’ny zavatra any ambony koa i Mosesy. “Nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” izy tamin’ny mbola tanora. Hafa mihitsy izany fampianarana izany, satria i Ejipta no firenena natanjaka indrindra tamin’izany. Anisan’ny ankohonan’i Farao koa i Mosesy. Nanao fianarana ambony izy, ka tsy mahagaga raha lasa “nahery tamin’ny teniny sy ny nataony.” (Asa. 7:22) Eritrereto ange ny tombontsoa maro nety ho azony e! Zavatra ambony noho izany anefa no nifantohan’ny sain’i Mosesy, dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.

11, 12. Inona no sarobidy tamin’i Mosesy, ary ahoana no ahalalantsika an’izany?

11 Azo antoka fa nampianarin’i Jokebeda reniny ny momba an’ilay Andriamanitry ny Hebreo i Mosesy, tamin’ny mbola kely. Noheverin’i Mosesy ho sarobidy noho ny zavatra hafa rehetra ny fahalalana an’i Jehovah. Nolaviny àry ny fahefana sy harena nety ho azony noho izy anisan’ny ankohonan’i Farao. (Vakio ny Hebreo 11:24-27.) Tena nanampy azy hampifantoka ny sainy tamin’ny zavatra any ambony ny fahalalany an’i Jehovah sy ny finoany.

 12 Ny zavatra nianaran’i Mosesy teto amin’ity tontolo ity no fianarana tsara indrindra nisy tamin’ny androny. Nampiasainy ve anefa izany mba hahazoana toerana ambony na hampahalaza azy na hahazoana harena? Tsia. Raha nanao izany izy, dia tsy ho ‘nanda ny hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa nihalehibe.’ Tsy ho nekeny koa ny ‘hiara-mijaly amin’ny vahoakan’Andriamanitra’, fa naleony ‘nifaly vetivety tamin’ny fahotana.’ Nampiasain’i Mosesy hanatanterahana ny fikasan’i Jehovah kosa ny fahalalany azy.

13, 14. a) Inona no nilain’i Mosesy mba hahafahany hanao ilay asa nasain’i Jehovah nataony? b) Inona koa no mety hilaintsika hatao?

13 Tena tia an’i Jehovah sy ny vahoakany i Mosesy. Nieritreritra izy tamin’izy 40 taona hoe efa vonona hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina. (Asa. 7:23-25) Mbola nisy zavatra nilainy anefa talohan’ny hanendren’Andriamanitra azy hanao izany. Nila niezaka ny hanetry tena, hanam-paharetana, halemy fanahy, ary hifehy tena izy. (Ohab. 15:33) Nila fampiofanana izy mba hahafahany hiatrika ny fitsapana sy zava-tsarotra niandry azy. Nampiofana azy hanana an’ireo toetra ireo ny fiainany tamin’izy mpiandry ondry nandritra ny 40 taona.

14 Nandray lesona avy tamin’ny fampiofanana azony tamin’izy mpiandry ondry ve i Mosesy? Izany tokoa. Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “tamin’ny olona teto ambonin’ny tany, dia i Mosesy no lehilahy be fandeferana indrindra.” (Nom. 12:3) Lasa nanetry tena izy, ka nanam-paharetana rehefa nifandray tamin’ny olona isan-karazany sy namaha ny olana nahazo azy ireny. (Eks. 18:26) Mety hila hiezaka koa isika mba hanana an’ireo toetra ilaina, izay hanampy antsika ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” sy hiditra ao amin’ny tontolo vaovao. (Apok. 7:14) Moa ve isika mahay mifandray amin’ny olona rehetra, anisan’izany ireo heverintsika ho mora tezitra na mora tohina? Tsara raha manaraka an’ity tenin’ny apostoly Petera ity isika: “Hajao ny karazan’olona rehetra, tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”—1 Pet. 2:17.

AMPIFANTOHY AMIN’NY ZAVATRA ANY AMBONY FOANA NY SAINAO

15, 16. a) Nahoana isika no tena mila mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra any ambony? b) Nahoana ny Kristianina no tokony ho tsara fitondran-tena foana?

15 Miaina ‘amin’ny andro farany tsy mora setraina’ isika. (2 Tim. 3:1) Tsy maintsy mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra any ambony foana àry isika, raha te ho akaiky an’i Jehovah hatrany. (1 Tes. 5:6-9) Hojerentsika izao ny lafin-javatra telo azo ampiharana an’izany.

16 Manana fitondran-tena tsara: Niaiky i Petera fa tena ilaina izany. Hoy izy: ‘Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao. Hanome voninahitra an’Andriamanitra tokoa izy ireo rehefa mahita ny asa tsara ataonareo.’ (1 Pet. 2:12) Miezaka mafy mba hitondra tena tsara foana isika ka hanome voninahitra an’i Jehovah, na ao an-trano, na any am-piasana, na any am-pianarana, na rehefa miala voly, na rehefa manompo. Marina fa manao fahadisoana daholo isika satria tsy lavorary. (Rom. 3:23) Handresy ny nofontsika mpanota anefa isika raha tsy mitsahatra ‘miady ny ady tsaran’ny finoana.’—1 Tim. 6:12.

17. Ahoana no anahafantsika ny toe-tsain’i Kristy Jesosy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

17 Manana toe-tsaina tsara: Tokony hanana toe-tsaina tsara isika raha te ho tsara fitondran-tena foana. Hoy i Paoly: “Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa.” (Fil. 2:5) Nanao ahoana ny toe-tsain’i Jesosy? Nanetry tena izy.  Izany no nandrisika azy hahafoy tena tamin’ny fanompoana. Nieritreritra momba ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra foana izy. (Mar. 1:38; 13:10) Nino koa izy fa ny Tenin’Andriamanitra no tena tokony hekena. (Jaona 7:16; 8:28) Nazoto nianatra ny Soratra Masina izy mba hahafahany hanonona teny avy ao ary hiaro sy hanazava azy io. Hitovy kokoa amin’ny toe-tsain’i Kristy ny toe-tsaintsika, raha manetry tena isika sady mazoto manompo sy mianatra samirery.

Nieritreritra momba ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra foana i Jesosy (Fehintsoratra 17)

18. Inona avy no azontsika atao mba hanohanana ny asan’i Jehovah?

18 Manohana ny asan’i Jehovah: Ny fikasan’i Jehovah dia hoe “mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Fil. 2:9-11) Hanetry tena sy hanaiky ny fahefan’ny Rainy foana i Jesosy, na dia manana toerana ambony toy izany aza. (1 Kor. 15:28) Tokony hanahaka azy isika. Manao izany isika raha manohana ny asan’i Jehovah ka mazoto ‘manao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Mat. 28:19) Tokony “hanao soa amin’ny rehetra” koa isika, izany hoe amin’ny olon-kafa sy ny mpiray finoana amintsika.—Gal. 6:10.

19. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

19 Tena faly isika satria mampahatsiahy antsika i Jehovah hoe ilaina ny mampifantoka ny saina amin’ny zavatra any ambony. Ho vitantsika izany raha ‘mihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika’ isika. (Heb. 12:1) Enga anie àry isika rehetra hiasa “amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah”, dia hamaly soa ny ezaka mafy ataontsika ilay Raintsika any an-danitra.—Kol. 3:23, 24.