Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANADINADINANA | YAN-DER HSUUW

Miresaka ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Fanjary Tsaika

Miresaka ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Fanjary Tsaika

TALEN’NY foibem-pikarohana momba ny fanjary tsaika ao amin’ny oniversite iray any Taïwan ny Profesora Yan-Der Hsuuw. Nino ny evolisiona (na fiovana miandalana) izy, fa niova rehefa lasa mpikaroka. Nohazavainy tamin’ny Mifohaza! ny anton’izany.

Azonao resahina kely aminay ve ny momba anao?

Teraka tamin’ny 1966 aho ary lehibe teto Taïwan. Nanaraka ny finoana taoisma sy bodisma ny ray aman-dreniko. Nivavaka tamin’ny razana sy tamin’ny sarivongana izahay. Tsy nino mihitsy anefa izahay hoe misy ny Mpamorona.

Nahoana ianao no nianatra momba ny zavamananaina?

Mbola kely aho dia efa tia nikarakara biby. Te hahay hanasitrana biby sy olona koa aho. Nianatra ny fomba fitsaboana biby aho nandritra ny fotoana kelikely, dia avy eo nianatra momba ny fanjary tsaika. Nanantena aho fa ho fantatro avy amin’io ny antony nampisy antsika.

Nahoana ianao no nino ny evolisiona tamin’izany?

Satria izay no nampianarin’ny mpampianatra teny amin’ny oniversite. Efa voaporofo, hono, izany dia nino an-dry zareo aho.

Inona no nahatonga anao hamaky Baiboly?

Nisy antony roa. Voalohany: Nieritreritra aho hoe tsy maintsy misy anankiray ambony kokoa amin’ireo andriamanitra be dia be ivavahan’ny olona. Fa tsy haiko hoe iza. Faharoa: Te handalina ny Baiboly aho, satria fantatro fa tena hajain’ny olona izy io.

Niditra nianatra tao amin’ny oniversite katolika iray tany Belzika aho tamin’ny 1992. Nankany amin’ny Eglizy Katolika iray aho tamin’izay, dia nasaiko nanampy ahy hahazo izay lazain’ny Baiboly ilay pretra tao fa tsy nety.

Dia inona no nanampy anao hahazo izay lazain’ny Baiboly?

Nihaona tamin’izay vehivavy poloney atao hoe Ruth izay aho, roa taona tatỳ aoriana. Mbola nanao fikarohana tany Belzika aho tamin’io, ary efa nivavaka mba hisy olona hanampy ahy hahazo izay lazain’ny Baiboly. Vavolombelon’i Jehovah i Ruth, ary nianatra teny sinoa mba hanampiana an’izay mpianatry ny oniversite te hahalala an’Andriamanitra. Faly be aho rehefa nihaona taminy.

Nohazavain’i Ruth tamiko fa mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, na dia tsy boky momba ny siansa aza. Niresaka tamin’Andriamanitra, ohatra, i Davida hoe: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako sy ny andro hiforonan’ireny, nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza.” (Salamo 139:16) Nampiasa sarin-teny izy teo, nefa mitombina ny zavatra nolazainy. Na dia mbola tsy miforona aza ny faritra samihafa amin’ny vatantsika, dia efa vonona ny toromarika momba azy ireny. Resy lahatra aho fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, satria hitako fa marina tsara izy io. Lasa haiko koa hoe i Jehovah ihany no tena Andriamanitra. 1

Nahoana ianao no resy lahatra hoe noforonin’Andriamanitra isika?

Hitady ny marina no tanjon’ny mpahay siansa rehefa mikaroka, fa tsy hoe hanohana izay hevitra efa nisy fotsiny. Rehefa nanao fikarohana momba ny fanjary tsaika aho, dia resy lahatra hoe nisy namorona isika. Ny injeniera izao namorona milina afaka manao asa mifampitohitohy, amin’izay mitambatra tsara araka ny tokony ho izy ny piesy tsirairay amin’ny zavatra amboariny. Hoatr’izany koa no mitranga ao amin’ny fanjary tsaika, fa be pitsiny kokoa.

Sela iray ihany moa no iandohan’ilay izy?

Ie. Io sela bitika kely io no mizara, dia mitohy foana ilay fizarazarana aorian’izay. Mizara isaky ny adiny 12 ka hatramin’ny 24 ny sela amin’ny voalohany. Dia amin’io fotoana io no miforona ny sela fototra. 2 Ireo sela fototra ireo no mamokatra an’ireo karazana sela 200 eo ho eo ao amin’ny vatan’ny zazakely. Anisan’izany ny selan’ny ra sy ny selan’ny taolana ary ny selam-pitatitra.

Rehefa nanao fikarohana momba ny fanjary tsaika aho dia resy lahatra hoe nisy namorona isika

Tsy maintsy miforona araka ny filaharany sy eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny sela tsirairay. Mitambatambatra izy ireo, dia avy eo lasa taova na rantsambatana. Tsy ho vitan’ny injeniera mihitsy ny hamorona toromarika ahavitana an’izany. Voasoratra amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny ADN anefa ny toromarika hiforonan’ny zaza ao am-bohoka. Rehefa mandinika an’izany aho dia miaiky hoe noforonin’Andriamanitra isika.

Nahoana ianao no lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Raha tsorina dia noho ny fitiavana. Nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Tsy manavakavaka io fitiavana io, ary tsy voasakantsakan’ny fiaviana na kolontsaina na volon-koditra. Hitako hoe ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no mampihatra an’izany.

^ 2. Misy mpikaroka manambatra ny tsirilahy sy ny tsirivavy any amin’ny laboratoara mba hahazoana fanjary tsaika, dia iny no ampiasainy hanaovana fikarohana. Tsy manao an’izany anefa ny Profesora Yan-Der Hsuuw, satria tsy eken’ny eritreriny izany.