Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina

Diniho ny porofo, dia ho hitanao raha nivoatra miandalana isika na nisy namorona.

‘Iza no Tokony Hinoako?’

Matetika no sahiran-tsaina ny ankizy nampianarina hoe nisy namorona ny zava-drehetra.

FANONTANIANA 1

Ahoana no Nampisy ny Olombelona?

Tena ilaina ny valin’izy io mba hahalalantsika ny antony iainantsika.

FANONTANIANA 2

Tena Tsotra Tokoa ve ny Sela?

Milaza ny mpino ny evolisiona fa nisy ho azy teo ny sela “tsotra” voalohany. Raha marina izany, dia tokony ho marim-pototra ny porofo omen’izy ireo.

FANONTANIANA 3

Nisy ho Azy ve ny ADN?

Efa am-polony taona izao ny mpahay siansa no nandinika ny ADN, ilay molekiola mahavariana ao anaty sela. Ao amin’ny ADN no misy ny fanazavana na toromarika rehetra momba ny vatan’ny olona iray.

FANONTANIANA 4

Iray Ihany ve ny Razamben’ny Zavamananaina Rehetra?

Nihevitra i Charles Darwin sy ny mpandimby azy fa avy amin’ny zavamananaina tokana ihany ny karazan-javamananaina rehetra. Marina ve izany?

FANONTANIANA 5

Tokony Hino Izay Lazain’ny Baiboly ve Ianao?

Misy milaza zavatra tsy marina momba ny Baiboly, ka mihevitra ny olona fa tsy mitombina na mifanohitra amin’ny siansa na diso izy io. Sao dia mba tsy izany akory no izy?

Boky sy Gazety Nakana Hevitra

Hita ato ireo loharanon-kevitra nakana ny fanazavana ao amin’ilay bokikely.