Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA

Ahoana Raha Mampahatezitra Be Anao ny Vadinao?

Ahoana Raha Mampahatezitra Be Anao ny Vadinao?

 Mahasosotra be anao ny ataon’ny vadinao na ny zavatra teneniny. Mody tsy tezitra ianao, nefa hitany hoe hafahafa, dia misikotsikotra anao izy. Vao mainka ianao sorena! Inona no hanampy anao hifehy ny fahatezeranao rehefa misy hoatr’izany?

 Tsara ho fantatrao

  •   Mety harary ianao raha tsy mahafehy fahatezerana. Hitan’ny mpikaroka hoe atahorana hiakatra tosidra ny olona tsy mahafehy fahatezerana. Mety harary fo, ho kivy lava, tsy hahalevon-kanina, tsy hahita tory, hitebiteby be, ho voan’ny aretin-koditra, na ho tapaka lalan-dra koa izy. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe: “Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana.”—Salamo 37:8.

  •   Mety hahita olana koa ianao raha koboninao fotsiny ilay izy. Azo oharina amin’ny aretina ny lolompo satria manimba anao. Mety ho lasa tia manakiana, ohatra, ianao na tsy hatokitoky olona. Hanahirana be ny miara-mipetraka aminao raha lasa hoatr’izany ianao, sady mety hikorontana be ny tokantranonareo.

 Inona no azonao atao?

  •   Eritrereto ny toetra tsaran’ny vadinao. Inona, ohatra, ny toetra telo tena tianao aminy? Rehefa tezitra aminy ianao amin’ny manaraka, dia tadidio ireo toetra ireo. Hanampy anao tsy ho tezitra be izany.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.”Kolosianina 3:15.

  •   Mianara mamela heloka. Miezaha hahazo an’izay any an-tsainy. Hahay ‘hiara-miory’ aminy ianao amin’izay, izany hoe hahay hipetraka eo amin’ny toerany. (1 Petera 3:8) Eritrereto koa hoe: ‘Tena tsy nety ve ny nataony, dia tsy azo avela amin’izao mihitsy?’

     Toro lalan’ny Baiboly: “Voninahitra ... ny mamela fahadisoana.”Ohabolana 19:11.

  •   Miezaha ho tsara fanahy, ary aza manao teny maharary. Mitandrema mba tsy hanome tsiny. Aza miteny, ohatra, hoe: “Tsy miraharaha an’ahy mihitsy ianao! Maninona izao raha mba miantso, dia miteny hoe aiza ianao?” Aleo kosa miteny hoe: “Mitebiteby aho raha vao hariva be ianao. Miasa saina aho hoe sao ianao maninomaninona any.” Raha tsara fanahy ianao rehefa milaza ny hevitrao, dia hahavita hifehy ny fahatezeranao.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ho teny mahafinaritra ... foana no holazainareo.”Kolosianina 4:6.

  •   Henoy tsara izy. Avelao hilaza ny heviny ny vadinao rehefa avy miresaka ianao, ary aza tapahina ny teniny. Avereno kely izay nolazainy avy eo mba hahitana raha azonao tsara ilay izy na tsia. Na ilay ianao mihaino azy iny fotsiny aza dia efa mety hanampy anao ho tony kokoa.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka [ianao] ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”Jakoba 1:19.