Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hindram-bola ve Aho?

Tokony Hindram-bola ve Aho?

“Toy ny manatrika fampakaram-bady ny mindram-bola, fa toy ny misaona kosa ny manefa azy.” —Ohabolana swahili.

MALAZA be atsy Afrika Atsinanana io ohabolana io, ary azo antoka fa miombon-kevitra amin’io ny olona maro eran-tany. Ary ahoana ny hevitrao? Tena mety ve ny mindram-bola amin’ny namana na any an-toeran-kafa, na dia hoatran’ny hoe ilaina aza ilay izy indraindray? Inona avy ny maha ratsy ny mindram-bola?

Hoy ny ohabolana swahili iray hafa: “Mampisaraka mpinamana ny mindrana sy mampindrana.” Mandrava fihavanana tokoa ny resaka trosa, ary izay no tena olana amin’izy io. Mety hitranga mantsy ny tsy ampoizina, na dia efa voalaminao tsara aza hoe ahoana no handoavana an’ilay vola sady tena vonona hanefa an’ilay izy ianao. Raha tsy voaloa tamin’ny fotoana nifanarahana, ohatra, ilay trosa dia mety ho sosotra ilay nampindrana. Mety hihenjana ny tady, ary mety hitatra hatrany amin’ny havan’ny andaniny sy ny ankilany mihitsy ilay olana. Aleo àry tsy mindram-bola mihitsy raha tsy efa tsy afa-manoatra, satria anisan’ny zavatra tena mampiady izany.

Mety ho simba koa ny fifandraisanao amin’Andriamanitra raha mindram-bola ianao. Nahoana? Voalohany, milaza ny Baiboly fa ratsy fanahy izay manao fanahy iniana tsy manefa trosa. (Salamo 37:21) Lazainy mazava koa hoe “izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Tokony ho tsapan’ilay nindram-bola fa manana adidy amin’ilay nindramany vola izy mandra-panefany ny trosany. Tena marina ity ohabolana afrikanina hafa ity: “Mindrana tongotr’olona ka tsy maintsy mandeha any amin’izay itondrany azy.” Te hilaza io ohabolana io hoe tsy afaka manao izay tiany intsony ny olona bokan-trosa.

Ataovy loha laharana àry ny fanefana trosa, raha tsy izany dia mety hahita olana ianao. Raha be trosa ianao, dia mety hiady saina, tsy hahita tory, hiasa be loatra, hiady mivady, ary mety hisara-bazana mihitsy aza ny fianakavianao. Manginy fotsiny ny hoe mety hotorin’ny olona na higadra. Tena tsara ilay torohevitra ao amin’ny Romanina 13:8 hoe: “Aoka tsy hisy trosan’olona any aminareo, afa-tsy ny fifankatiavanareo.”

TENA ILAINA VE ILAY IZY?

Rehefa jerena izany rehetra izany, dia tena ilaina ny mailo amin’ny resaka trosa. Aleo aloha mieritreritra hoe: Tena mila mindram-bola ve aho? Tena ilaiko hikarakarana ny vady aman-janako ve ilay izy? Sa ve aho tsy afa-po amin’izay ananako fa te hividy na hanao zavatra tsy takatry ny volako? Raha mbola azo atao, dia aleo mianina amin’izay kely ananana toy izay midi-trosa.

Mety hisy toe-javatra maningana anefa, ohatra hoe misy zavatra maika be ka toa tsy misy azo atao afa-tsy ny mindrana. Na izany aza, dia tsy tokony ho fetsifetsy ianao. Ahoana izany?

Voalohany, aza manararaotra an’ilay olona mihitsy satria hoe hoatran’ny manam-bola noho ny olon-kafa izy. Tsy tokony hieritreritra isika hoe rehefa manan-karena ny olona iray, dia adidiny ny manampy antsika ara-bola, na hoe tsy maninona na dia fetsifetsy aminy aza isika. Aza mitsiriritra an’ilay olona koa, na dia hoatran’ny be vola aza izy.—Ohabolana 28:22.

Faharoa, aloavy ny trosanao, ary ataovy faran’izay haingana izany. Raha tsy milaza fotoana hamerenana an’ilay vola ilay olona, dia ianao no tokony hamaritra fotoana. Aloavy amin’ilay fotoana nomenao ilay izy avy eo. Tsara raha manao taratasy fifanekena ianareo mba tsy hampisy olana. (Jeremia 32:9, 10) Raha azo atao, dia atero any aminy mihitsy ilay vola mba hahafahanao hisaotra azy. Mitandro fihavanana ianao raha mahatsapa tena ka mamerina ny vola nindraminao. Hoy i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Fa aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.” (Matio 5:37) Tadidio foana koa ny Matio 7:12 hoe: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”

TORO LALANA ARA-BAIBOLY MAHASOA

Misy vahaolana tsotra manampy antsika tsy ho maimaika hindram-bola, ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao hoe: “Fomba hahazoan-tombony be tokoa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana.” (1 Timoty 6:6) Aleo lavitra àry mianina amin’izay ananana toy izay mindrana. Tsy hahita olana ianao amin’izay. Marina fa sarotra ny mianina satria mampirisika antsika hahazo izay tiantsika eo no ho eo ny tontolo manodidina antsika. Eo indrindra no ilana an’ilay “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” Ahoana izany?

Izao, ohatra, no nitranga tamin’ny mpivady kristianina iray any Azia: Nitsiriritra an’izay nahavidy trano izy ireo taloha. Nindram-bola tany amin’ny banky sy tany amin’ny havany àry izy ireo. Nampiany ny vola tahiriny izany, ary nividianany trano. Tsy maintsy namerina vola be isam-bolana anefa izy ireo, ka nila tsy ho zakany izany. Tsy maintsy nanao asa fanampiny àry izy ireo sady niasa ela be, ka zara raha nanam-potoana ho an-janany. Hoy ilay lehilahy: “Hoatran’ny hoe niloloha vato be aho satria niady saina sy narary ary tsy ampy torimaso. Tsy nisy tany niainana mihitsy!”

“Voaro ianao raha mihevitra ny vola sy fananana toy ny fiheveran’Andriamanitra azy”

Tadidin’izy ireo ilay 1 Timoty 6:6, rehefa nandeha ny fotoana. Hitan’izy ireo hoe tsy misy hevitra fa tsy maintsy amidy ilay trano. Roa taona vao voaloa tanteraka ilay trosa. Inona no lesona nianaran’izy mivady? Hoy izy ireo: “Voaro ianao raha mihevitra ny vola sy fananana toy ny fiheveran’Andriamanitra azy.”

Be mpahafantatra ilay ohabolana swahili noresahina teny am-piandohana. Mbola mindram-bola foana anefa ny olona. Rehefa avy nandinika an’ireo toro lalan’ny Baiboly tato ianao, tsy hitanao ve hoe fahendrena ny mieritreritra tsara an’ilay fanontaniana hoe: ‘Tokony hindram-bola ve aho?’