Hijery ny anatiny

Ahoana Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?

Ahoana Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?

Valiny ara-baiboly

 Ireto misy torohevitra efatra avy ao amin’ny Baiboly afaka manampy anao amin’izany:

  1.   Eritrereto mialoha ny vola holaninao. “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Aza maimay hividy zavatra na dia hoe misy fihenam-bidy aza ilay izy. Manaova teti-bola ary araho tsara izany avy eo.

  2.   Aza mitrosa tsy amin’antony. “Izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Raha efa ananan’olona trosa anefa ianao ka tsy voaefanao ilay izy, dia ataovy izay hifampiraharahana amin’ilay tompon-trosa mba hanovana ny fomba handoavana an’ilay izy. Na tsy manaiky aza izy amin’ny voalohany, dia aza kivy mihitsy fa mitadiava foana marimaritra iraisana. Araho ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana 6:1-5 hoe: “Mandehana ka manetre tena eo anatrehany, ary iangavio fatratra izy. Aza avela hatory na ho rendremana ny masonao.”

  3.   Aza tia vola loatra. “Miezaka mafy mba hanan-karena ny olona manana maso feno fitsiriritana, nefa tsy fantany fa hahantra izy.” (Ohabolana 28:22) Ho sahirana ara-bola ianao raha mitsiriritra sy tia harena loatra, sady tsy ho vitanao tsara ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

  4.   Mahaiza mianina. “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:8) Tsy voatery ho sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana ianao raha manam-bola. Tsy dia manam-bola ny sasany amin’ireo olona sambatra indrindra eto an-tany. Sambatra kosa izy ireo satria minamana tsara amin’Andriamanitra ary tia azy ireo ny fianakaviany sy ny namany.—Ohabolana 15:17; 1 Petera 5:6, 7.