Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafoy Tena Izy Ireo: Mikronezia

Nahafoy Tena Izy Ireo: Mikronezia

LEHIBE tany Etazonia i Katherine, ary natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’izy 16 taona. Nazoto nanompo izy nefa tsy dia nisy nandray tao amin’ny faritany nitoriany. Hoy izy: “Efa imbetsaka aho no namaky tantara hoe misy olona mivavaka mba hisy hanampy azy hahalala an’Andriamanitra. Matetika aho no naniry hahita olona hoatr’izany, nefa tsy nahita mihitsy.”

Aman-taonany i Katherine no nitory tao amin’io faritany io. Nieritreritra izy tamin’ny farany hoe hifindra any amin’ny toerana misy olona mandray kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Natahotra anefa izy hoe tsy ho vitany izany. Vao indray mandeha mantsy izy no nisaraka tamin’ny fianakaviany, sady tapa-bolana fotsiny, nefa nalahelo an-dry zareo izy isan’andro. Resiny ihany ilay tahotra satria tena tiany ho tsapa ilay fifaliana azo rehefa manampy an’izay mitady an’i Jehovah. Nieritreritra toerana maromaro azony naleha izy, ka nanoratra tany amin’ny sampan’i Guam, ary nahazo ny fanazavana nilainy. Nifindra tany Saipan, nosy any amin’ny Oseana Pasifika, izy tamin’ny Jolay 2007, tamin’izy 26 taona. Tokotokony ho 10 000 kilaometatra avy eo amin-dry zareo io nosy io. Nanao ahoana ny fiainany tany?

SAMY NAHAZO VALIM-BAVAKA IZY IREO

Nihaona tamin’i Doris, vehivavy 45 taona teo ho eo, i Katherine rehefa tonga kelikely tany Saipan. Nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny boky Ampianarina i Doris. Nisy zavatra nampanahy an’i Katherine rehefa vita ny toko telo voalohany. Hoy izy: “Nianatra tsara i Doris ary tiako hitohy foana izany. Mbola tsy nanana mpianatra nianatra tsy tapaka anefa aho, ka nieritreritra hoe aleo rahavavy mahay kokoa no mampianatra azy, ohatra hoe olona mitovy taona aminy.” Nivavaka i Katherine mba hahita anabavy azony amindrana an’ilay mpianatra. Nanapa-kevitra ny hiresaka an’ilay izy tamin’i Doris izy avy eo.

Hoy i Katherine: “Mbola tsy niteny aho, dia nilaza i Doris fa misy olana tiany horesahina. Nihaino azy aho ary notantaraiko taminy ny fomba nanampian’i Jehovah ahy hiatrika olana hoatran’ny azy. Nisaotra ahy izy.” Hoy i Doris avy eo: “Nirahin’i Jehovah hanampy ahy ianao. Avy namaky Baiboly nandritra ny ora maromaro aho, tamin’ianao tonga teto  voalohany. Nitomany aho sady nivavaka tamin’Andriamanitra hoe mba maniraha olona hanampy ahy hahazo an’izay voalazan’ny Baiboly. Nandondòna ianao avy eo. Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah!” Nanganohano ny mason’i Katherine nitantara an’izany. Hoy izy: “Valin’ny vavaka nataoko ny tenin’i Doris. Nasehon’i Jehovah ahy hoe ho vitako ihany ny mampianatra azy.”

Natao batisa tamin’ny 2010 i Doris ary manana mpianatra maromaro izy izao. Hoy i Katherine: “Tena faly aho fa nanampy olona tso-po ho lasa mpanompon’i Jehovah. Efa ela no naniriako an’izany!” Mpisava lalana manokana any Kosrae, nosy any amin’ny Oseana Pasifika, izao i Katherine.

OLANA TELO FAHITA

Rahalahy sy anabavy vahiny 100 mahery (eo anelanelan’ny 19 sy 79 taona) no manitatra faritany, any Mikronezia. Mitovy amin’izay tsapan’i Erica no tsapan’ireo mpitory mazoto ireo. Nifindra tany Guam i Erica tamin’ny 2006, tamin’izy 19 taona. Hoy izy: “Mahafinaritra be ny manao ny asan’ny mpisava lalana any amin’ny faritra misy olona mangetaheta ny fahamarinana. Misaotra betsaka an’i Jehovah aho nanampy ahy hanao an’izany. Izany no zavatra mahafinaritra indrindra eo amin’ny fiainana!” Mpisava lalana manokana any Ebeye, any amin’ny Nosy Marshall, izao i Erica. Tsy ilaozan’ny olana anefa ireo manompo any an-tany hafa. Hijery olana telo isika ary hijery hoe ahoana no ataon’ireo mpanitatra any Mikronezia mba hiatrehana an’izany.

Erica

Miova ny fomba fiaina: Avy any Angletera i Simon, izay 22 taona, ary nifindra tany amin’ny nosy Belau tamin’ny 2007. Vao tonga kelikely izy dia hitany fa ho kely noho ny tany aminy ny vola ho azony. Hoy izy: “Nila nifehy tena aho mba tsy hividy an’izay rehetra tiako. Fidiko tsara koa izay sakafo hovidiko, ary mitady an’izay tena mora aho. Rehefa misy zavatra simba dia mitady piesy efa niasa aho, ary mitady olona afaka manampy ahy hanamboatra an’ilay simba.” Nila nanatsotra ny fiainany àry i Simon. Inona no vokatr’izany? Hoy izy: “Lasa haiko hoe inona no tena ilaina, ary ahoana no hivelomako na dia tsy manana ny ampy aza aho. Imbetsaka aho no nahatsapa hoe nanampy ahy i Jehovah. Nanan-kohanina sy toerana atoriana foana aho tao anatin’izay fito taona izay.” Ampian’i Jehovah tokoa ny olona rehefa manatsotra ny fiainany mba hanaovana loha laharana an’ilay Fanjakana.—Mat. 6:32, 33.

Manin-te hody: Hoy i Erica: “Mifandray be amin’ny fianakaviako aho. Natahotra aho hoe halahelo be an-dry zareo ka tsy handeha tsara ny fanompoako.” Ahoana no niomanany tamin’izany? Hoy izy: ‘Namaky lahatsoratra momba ny hoe manin-te hody aho, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Tena nampiomana ny foko izany. Hitako tao amin’ny lahatsoratra iray fa nisy rahavavy nanome toky  ny zanany vavy hoe: “Mahay mikarakara anao noho izaho i Jehovah.” Nampahery be ahy izany.’ Manompo any Majuro, any amin’ny Nosy Marshall, i Hannah sy Patrick vadiny. Inona no manampy an’i Hannah mba tsy halahelo ny any aminy? Mieritreritra an’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonany amin’izao izy. Hoy izy: “Misaotra an’i Jehovah foana aho, satria nomeny an’ireo ranadahy sy rahavavy maneran-tany. Fianakaviako koa mantsy izy ireo. Tsy ho nahavita nanitatra faritany aho raha tsy nampian’izy ireo.”

Simon

Mila namana: Hoy i Simon: “Rehefa mifindra ianao, dia matetika no tsy mitovy amin’ny any aminao ny zava-drehetra. Malahelo aho indraindray satria tsy tena azon’ny olona ny vazivaziko.” Hoy i Erica: “Nahatsiaro ho nailikilika aho tamin’ny voalohany. Nanampy ahy anefa izany mba hisaintsaina ny tena antony nifindrako. Nifindra aho satria te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa, fa tsy hoe nitady izay hahasoa ahy.” Hoy koa izy: “Nahazo namana mahafinaritra sy tiako be aho tatỳ aoriana.” I Simon indray nifofotra nianatra teny palau, ka afaka ‘nanalalaka ny fony’ mba hifandray kokoa tamin’ireo rahalahy sy anabavy. (2 Kor. 6:13) Lasa tian’izy ireo be izy rehefa niezaka nianatra ny fitenin’izy ireo. Samy mandray soa àry ny mpanitatra sy ny eo an-toerana rehefa miara-manao zavatra, satria lasa mpinamana be. Mbola mandray soa hafa ve anefa ireo mpanitatra faritany?

‘MIJINJA BE’ IZY IREO

Hoy ny apostoly Paoly: ‘Izay malala-tanana ka mamafy be dia hijinja be.’ (2 Kor. 9:6) Tena tanteraka amin’ireo mampitombo ny fanompoany izany. Inona àry no ‘jinjain’ireo’ manitatra faritany any Mikronezia?

Patrick sy Hannah

Mbola maro ny olona manaiky hianatra Baiboly any Mikronezia. Afaka mahita olona mianatra sy mampihatra ny fahamarinana ary mandroso tsara ianao any. Efa nanompo tany Angaur, nosy kely misy mponina 320, koa i Patrick sy Hannah. Nihaona tamin’ny reny tokan-tena iray izy mivady, rehefa nitory tao roa volana. Nanaiky hianatra Baiboly avy hatrany izy io, tonga dia nanaiky ny fahamarinana, ary niova be. Hoy i Hannah: “Isaky ny avy nampianatra azy izahay, ka nandeha nody nitaingina bisikileta, dia nifampijery sady niara-niteny hoe: ‘Misaotra an’i Jehovah!’ ” Hoy ihany izy: “Fantatro fa tsy maintsy nahita fomba nitaomana an’iny vehivavy iny i Jehovah. Faly anefa aho fa noho izahay nanitatra faritany, dia afaka nihaona taminy sy nanampy azy hahalala an’i Jehovah. Anisan’ny zavatra mahafinaritra anay indrindra izany!” Hoy i Erica: “Tena faly be ianao rehefa manampy olona hahalala an’i Jehovah!”

MBA MANDRAISA ANJARA E!

Maro ny tany mbola mila mpitory bebe kokoa. Afaka mifindra any amin’ny toerana ilana fanampiana koa ve ianao? Mivavaha amin’i Jehovah mba hahatonga anao haniry hanompo bebe kokoa. Miresaha momba an’ilay izy amin’ny anti-panahinareo sy ny mpiandraikitra ny faritra, na amin’ny olona efa nanitatra faritany. Rehefa tapa-kevitra ny hifindra ianao, dia manorata any amin’ny biraon’ny sampana miandraikitra an’ilay toerana tianao haleha, ary mangataha fanazavana. * Rahalahy sy anabavy an’arivony, tanora sy be taona ary mpitovo sy manambady, no mahafoy tena ka faly satria ‘mijinja be.’ Nahoana raha manao toa azy ireo koa?

^ feh. 17 Jereo ilay lahatsoratra hoe “ “Afaka ‘Miampita Mankany Makedonia’ ve Ianao?”, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 2011.