Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fahantrana

Fahantrana

Mbola misy mahantra an-tapitrisany eran-tany, na dia eo aza ny ezaka atao hiadiana amin’ny fahantrana.

Afaka ny ho sambatra ve ny mahantra?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Maro no mihevitra hoe rehefa manankarena ianao vao ho sambatra sy hahita fahombiazana. Tsy antenaina ho sambatra sy ho afa-po eo amin’ny fiainana, hono, ny olona tsy nianatra sy tsy mahazo fitsaboana tsara ary tsy manana tombontsoa hafa.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Tsy ny harena no tena mahasambatra, fa ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Hoy ny Matio 5:3: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” Hiezaka hamantatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny olona toy izany, na mahantra na manankarena. Lasa mahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy, ary izany no tena mahasambatra sy mampilamin-tsaina.

Afaka miady amin’ny fahantrana kokoa ny olona mahatakatra sy mampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Manampy ny olona hiala amin’ny fahazaran-dratsy, ohatra, izy io. Anisan’izany ny fifohana sigara sy ny fibobohan-toaka. Mandany vola ny fahazarana toy ireo, ary mety hilana fitsaboana andaniam-bola be.—Ohabolana 20:1; 2 Korintianina 7:1.

Mampitandrina koa ny Baiboly fa hahita loza ny olona iray, raha manana faniriana tsy mety afa-po na tia harena. (Marka 4:19; Efesianina 5:3) Raha arahina io torohevitra io, dia tsy hisy ho lany vola amin’ny filokana, na ho voafandriky ny “fitiavam-bola”, izay lazain’ny Baiboly hoe “fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.” (1 Timoty 6:10) Hoy ny Lioka 12:15: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” Raha tsorina dia hoe: Tsy voavidim-bola ny aina. Hisy dikany kosa ny fiainanao ary ho sambatra ianao, raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly.

Mety ho sahirana ny mahantra vao hahita sakafo sy fitafiana ary fialofana. Afaka ny ho sambatra anefa izy ireo raha mahay mianina amin’izay ananany, miezaka mampifaly ny Mpamorona, ary miaina mifanaraka amin’ny sitrapony. Ataony ao an-tsaina ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.”—Ohabolana 10:22.

ANDININ-TENY FOTOTRA: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”Matio 5:3.

Mbola ho foana ve ny fahantrana, indray andro any?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Tsy afaka nanafoana ny fahantrana ny olombelona. Hahavita an’izany anefa Andriamanitra. Ny fototry ny fahantrana mihitsy no hofoanany, izany hoe ny olona tia tena sy ny mpitondra tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoany. (Mpitoriteny 8:9) Hesoriny ny fitondran’olombelona, izay anjakan’ny fitiavan-tena, ary ny Fanjakany indray no hitondra. Halala-tanana amin’ny mponina eran-tany izy io ary tsy hanavakavaka. Mampanantena ny Baiboly fa hanome izay ilain’ny mahantra ny Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny Salamo 72:12-14: “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy ... Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra.”

Ho lasa paradisa ny tany. Samy hanana ny tranony ny olona ary ho tondraka ny sakafo. Tsy hisy intsony ny fahantrana. Mampanantena Andriamanitra ao amin’ny Isaia 65:21, 22 hoe: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. ... Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.” Tsy hitrongy vao homana intsony ny olona, fa hifaly amin’ny “fanasambe misy hanim-pito loha” sy zava-tsoa maro.—Isaia 25:6.

NAHOANA IZANY NO ILAINA FANTARINA?

Raha miady amin’ny fiainana ianao, dia tadidio fa nampanantena tontolo vaovao iray tsy hisian’ny fahantrana Andriamanitra. Ho tsapanao avy amin’izany hoe tena miahy anao izy, ary tsy ho ela dia hifarana ny fijalianao. Hampahery anao ny misaintsaina an’izany, ary hanampy anao hiaritra.

ANDININ-TENY FOTOTRA: “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy ... Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra.” Salamo 72:12, 13.