Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

An-tapitrisany maro no efa navoaka tamin’ilay boky hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra, tamin’ny fiteny 100 mahery

Mampianatra ny Olona Hahay Taratasy ny Vavolombelon’i Jehovah

Mampianatra ny Olona Hahay Taratasy ny Vavolombelon’i Jehovah

“Anisan’ny zon’olombelona ny hoe mahay taratasy. Mahatonga ny tsirairay hahavita tena izany, sady mampivoatra ny fiaraha-monina.”—UNESCO. *

HITA tamin’ny tatitra fa olona 15 taona no ho miakatra miisa 700 tapitrisa mahery no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Betsaka ny zavatra mety tsy ho fantatr’izy ireo, anisan’izany ireo fampianarana “nosoratana ho fianarantsika”, ao amin’ny Baiboly. (Romanina 15:4) Mampianatra mamaky teny sy manoratra àry ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany maro, ary maimaim-poana izany. Nisy vokany ve ilay izy?

Diniho ny ataon’ny Vavolombelona any Meksika. Olona 152 000 mahery no efa nampianarin’izy ireo hamaky teny sy hanoratra, nanomboka tamin’ny 1946. Lasa nampianatra ny hafa koa ny maro tamin’izy ireny. Betsaka ny taratasy fankasitrahana azon’ny Vavolombelona avy amin’ny fanjakana, noho ny asan’izy ireo. Izao no voalazan’ny taratasy iray: ‘Mankasitraka anareo izahay satria miara-miasa aminay ianareo mba hampandrosoana ny fampianarana ny olon-dehibe.’

Samy mandray soa amin’ilay fianarana na ny antitra na ny tanora. Efa 101 taona, ohatra, i Josefina tamin’izy nisoratra anarana tamin’ilay fianarana, ary vitany tao anatin’ny roa taona ilay izy.

Ny teny espaniola no fiteny ofisialy any Meksika. Atao amin’ny fiteny hafa koa anefa ireo kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra. Olona avy amin’ny foko valo samihafa no nianatra namaky teny sy nanoratra tamin’ny fiteniny, tamin’ny 2013.

Maro ny zava-baovao azo ianarana rehefa mahay mamaky teny sy manoratra. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe lasa afaka mamaky Baiboly, izay boky avy amin’Andriamanitra, ny karazan’olona rehetra. Lasa afaka amin’ny finoanoam-poana sy ny fampianaran-diso ary ny fitondran-tena ratsy izy ireo.—Jaona 8:32.

^ feh. 2 Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina.