Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampianaro Hifehy Tena ny Zanakao

Ampianaro Hifehy Tena ny Zanakao

OLANA

Hoatran’ny tsy mahay mifehy tena mihitsy ny zanakao enin-taona. Raha vao misy zavatra tiany, dia tiany ho azo eo no ho eo. Raha vao tezitra izy dia mivazavaza. Lasa ny sainao hoe: ‘Ara-dalàna ihany ve izao? Mbola hiova ve izy, sa izao aho no mila mampianatra azy hifehy tena?’

TSARA HO FANTATRAO

Tsy raharahain’ny olona intsony izany fifehezan-tena izany. Hoy ny Pr. David Walsh: “Milefitra loatra ny fiaraha-monina misy antsika. Matetika ny ankizy sy ny olon-dehibe no mandre hoe tokony hanao izay tiany ny olon-drehetra.” *

Ampianaro hifehy tena ny ankizy dieny mbola kely. Nanao fandinihana ny mpikaroka ka nizara vatomamy tamin’ny ankizy vitsivitsy efa-taona. Nomena iray avy izy ireo, ary nilazana hoe: Na izy ireo mihinana avy hatrany, na miandry kely dia mahazo iray fanampiny. Nisy ny nahafehy tena, ary nahasoa azy ireo izany. Rehefa vita mantsy ny fianarany teny amin’ny lise dia izy ireo no hita hoe nahay nifehy fihetseham-po kokoa, nahay nifandray kokoa tamin’ny olona, ary nahay kokoa tany am-pianarana.

Tena ratsy ny vokany rehefa tsy ampianarina hifehy tena ny ankizy. Milaza ny mpikaroka fa misy vokany eo amin’ny atidohan’ny ankizy ny zavatra iainany. Hoy ny Pr. Dan Kindlon: “Raha ampihantaina be ny ankizy, ka tsy ampianarina hiandry ny anjarany, na hiandry kely vao mahazo valisoa, na hanohitra fakam-panahy, dia mety tsy hisy ilay fiovana tokony hitranga ao amin’ny atidohany izay hanampy azy ho tsara toetra.” *

INONA NO AZONAO ATAO?

Aoka ianao ho modely. Mahavita mifehy tena ve ianao? Tezitra ve ianao rehefa mitohana ny fifamoivoizana? Misongona ve ianao rehefa mividy zavatra? Zatra manapa-dresaka ve ianao? Hoy ihany i Kindlon: “Raha tiantsika hahay hifehy tena ny zanatsika, dia isika no mila manome modely. Izany no tsotra indrindra.”—Toro lalan’ny Baiboly: Romanina 12:9.

Ampianaro azy hoe misy vokany ny zavatra ataony. Ampio ny zanakao hahita hoe mahasoa ny mifehy tena, fa ratsy ny vokany raha tsy manao an’izany. Ataovy mifanaraka amin’ny taonany ilay fampianarana. Raha tezitra, ohatra, izy rehefa misy manao ratsy aminy, dia asaivo mieritreritra kely hoe: ‘Hisy vokany tsara sa ratsy ny mamaly faty? Sao dia tsara kokoa raha manisa folo dia mba misinda ilay hatezerana? Sa aleo miala fotsiny?’—Toro lalan’ny Baiboly: Galatianina 6:7.

Ampirisiho foana izy. Derao ny zanakao rehefa nahafehy tena. Lazao azy fa tsy mora foana ny mifehy tena, nefa raha mahavita an’izany izy dia ho hita hoe be herim-po. Hoy ny Baiboly: “Toy ny tanàna voagorobaka, tsy misy manda, ny olona tsy mahafehy ny fahatezerany.” (Ohabolana 25:28) Aleo koa “olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka.”—Ohabolana 16:32.

Manaova fanazaran-tena. Mamoròna kilalao toy ny hoe “Ahoana no Hataonao?” na “Mety sa Tsy Mety?” Iaraho midinika izay olana mety hitranga ary ataovy fanazaran-tena miaraka amin’ny zanakao ny fomba iatrehana azy. Samy asehoy daholo na ny fomba “mety” na ny fomba “tsy mety.” Mampiasà saribakoly, sarisary, na fomba hafa hahatonga an’ilay kilalao hahafinaritra sady hianaran-javatra. Ny tanjonao dia ny hanampy ny zanakao hahatsapa hoe aleo mifehy tena toy izay mitroatra.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 29:11.

Manàna faharetana. “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 22:15) Aza manantena àry hoe vetivety izy dia hahay hifehy tena. Hoy ny boky Ampianaro Tsara ny Zanakao (anglisy): “Maharitra ela ilay izy sady miadana. Mety hisy fotoana handeha tsara, dia avy eo tsy hety, dia handeha tsara indray.” Tsy very maina anefa ny ezaka atao. Hoy ihany io boky io: “Raha mahay mifehy tena dieny mbola kely ny ankizy, dia ho vitany kokoa ny hifehy tena tsy hifoka rongony rehefa 12 taona sy hifehy tena tsy hanao firaisana rehefa 14 taona.”

^ feh. 6 Avy ao amin’ilay boky hoe Nahoana no Ilaina Indraindray ny Mandà Izay Tadiavin’ny Ankizy, ary Ahoana no Hanaovan’ny Ray Aman-dreny An’izany? (anglisy)

^ feh. 8 Avy ao amin’ilay boky hoe Ahoana no Hitaizana ny Ankizy mba ho Tsara Toetra na dia Milefitra Loatra aza ny Fiaraha-monina? (anglisy)