Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Sary Vetaveta

Sary Vetaveta

Melohin’ny Baiboly ve ny mijery sary vetaveta?

“Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.”—Matio 5:28.

ILAINA FANTARINA IZANY

Be mpitia izao ny sary vetaveta sady tsy sarotra tadiavina. Tokony ho fantatrao ny hevitr’Andriamanitra raha tianao ny hampifaly azy sy ho sambatra kokoa.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy misy an’ilay teny hoe sary vetaveta ao amin’ny Baiboly. Tsy mety anefa ny mijery azy ireny, rehefa dinihina ireo toro lalana ao.

Resahin’ny Baiboly, ohatra, fa mety hijangajanga ny lehilahy manambady raha “tsy mitsahatra mijery vehivavy” tsy vadiny, ka lasa te hanao firaisana aminy. Mety hijangajanga koa ny olona iray, na manambady na tsia, raha “tsy mitsahatra mijery” sary vetaveta ka lasa maniry hanao firaisana. Tena mampahatezitra an’Andriamanitra izany.

 Tsy mampaninona ve ny mijery sary vetaveta raha tsy mahatonga an’ilay olona hijangajanga?

“Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana.”—Kolosianina 3:5.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Misy mpikaroka mieritreritra hoe tsy mahatonga ny olona iray hijangajanga ny mijery sary vetaveta. Ratsy toy ny mijangajanga ihany ve anefa ny mijery sary vetaveta?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Raran’Andriamanitra ny manao “vazivazy vetaveta.” (Efesianina 5:3, 4) Dia ho latsak’izany ve ny mijery sary vetaveta? Ahitana olona tena manao firaisana ny sary vetaveta. Ao ny manitsakitsa-bady, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na vehivavy miray amin’ny vehivavy, na olona manao firaisana mamoafady hafa. Azo antoka fa mahatezitra an’Andriamanitra kokoa noho ny manao vazivazy vetaveta ny mijery sary toy izany.

Mbola tsy eken’ny mpikaroka hoe mety hanatanteraka ny zavatra hitany ireo mijery sary vetaveta. Asehon’ny Baiboly mazava anefa fa tsy eken’Andriamanitra ho namany ny olona mijery sary vetaveta sady tena mahatezitra azy. Izao no voalaza ao: ‘Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana [sy] filan’ny nofo.’ (Kolosianina 3:5) Tsy mamono an’ilay fanirian-dratsy anefa ny olona mijery sary vetaveta, fa vao mainka manaitaitra an’izany.

Inona no hanampy anao tsy hijery sary vetaveta?

“Tadiavo izay tsara fa tsy izay ratsy. ... Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara.”—Amosa 5:14, 15.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Resahin’ny Baiboly fa nisy olona afaka niala tamin’ny fahazaran-dratsy, toy ny fijangajangana sy fimamoana ary ny halatra. (1 Korintianina 6:9-11) Nahavita izany izy ireo satria nampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra, ka nianatra nankahala ny ratsy.

Hanjary tsy ho tia mijery sary vetaveta ianao, raha misaintsaina ny voka-dratsin’izy io. Hita tamin’ny fikarohana nataon’ny Oniversiten’i Utah fa lasa “ketraka sy mitokantokana ary very namana” na mahita olana hafa ny olona sasany mpijery sary vetaveta. Mbola ratsy lavitra noho izany aza, fa mahatezitra an’Andriamanitra ny olona mijery sary vetaveta sady tsy ekeny ho namany.

Afaka manampy antsika ho tia ny tsara ny Baiboly. Vao mainka isika ho tia an’ireo fitsipika ao rehefa mamaky azy io. Hanampy antsika hanalavitra tanteraka ny sary vetaveta izany. Hitovy amin’ny mpanao salamo isika amin’izay, ka hiteny hoe: “Tsy hamela zava-poana ho eo anoloan’ny masoko aho.”—Salamo 101:3.