Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Zava-misy Eran-tany

Tsy ampy ny mampitombo ny vokatra, mba hiadiana amin’ny mosary. Voalaza fa mamokatra sakafo ampy ho an’olona 12 000 tapitrisa izao ny mpamboly. Mihoatra 5 000 tapitrisa amin’ny mponina eran-tany izany. Inona àry no olana? Tsy voatsinjara tsara ny vokatra sady ariariana fotsiny. Eo koa ireo mitady tombony loatra.

Grande-bretagne sy Etazonia

Efa ho ny ampahefatry ny mpiasan’ny fitantanam-bola nanontaniana no nilaza fa “mety handika fitsipika izy na tsy hanara-dalàna, mba ho tafita.” Ny 16 isan-jatony no nilaza fa sahy mandika lalàna izy ireo raha “fantany fa tsy ho tratra.”

Arzantina

Mpampianatra 3 isaky ny 5 no mangataka andro tsy iasana, satria miady saina na matahotra hiharan’ny herisetra any am-pianarana.

Korea Atsimo

Tena ho betsaka ny olona mipetra-drery any Korea Atsimo rehefa kelikely.

Chine

Misy fitsipika vaovao momba ny rivotra iainana hampiharina any Chine manomboka amin’ny 2016. Ny roa ampahatelon’ny tanàna any no heverina fa tsy hahafeno fepetra. Voalaza koa fa “ratsy na tena ratsy” ny ankamaroan’ny rano fisotro avy amin’ny lavadrano any.