Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tian’Andriamanitra Hanan-karena ve Ianao?

Tian’Andriamanitra Hanan-karena ve Ianao?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tian’Andriamanitra Hanan-karena ve Ianao?

“Nambinin’Andriamanitra aho ka lasa mpanankarena!”

“Te ho lasa mpanankarena aho, satria izany no irin’Andriamanitra sy ny anjely.”

“Omen’Andriamanitra hery hahazoana harena isika.”

‘Ny Baiboly no nampanan-karena ahy.’

HITA amin’ireo teny ireo fa fivavahana maro no mihevitra ny harena ho toy ny fitahian’Andriamanitra. Raha mampifaly azy, hono, ianao dia hanampy anao hahazo ny zava-tsoa atolotr’ity fiainana ity izy, sady mbola hamaly soa anao rahatrizay. Mahasarika olona maro izany fampianarana izany, ary be mpividy ny boky miresaka momba azy io. Mifanaraka amin’ny Baiboly ve anefa izany?

Marina aloha fa tian’ny Mpamorona ho sambatra sy ho afa-po isika. Antsoin’ny Baiboly hoe “Andriamanitra falifaly” mantsy izy. (1 Timoty 1:11; Salamo 1:1-3) Tahiny koa ireo mampifaly azy. (Ohabolana 10:22) Ny fananana harena ve anefa izany fitahiana izany ho antsika? Hazava amintsika ny valiny raha fantatsika tsara hoe fotoana manao ahoana izao iainantsika izao, raha ny fikasan’Andriamanitra no jerena.

Fotoana hikatsahana harena ve izao?

Notahin’i Jehovah Andriamanitra ny mpanompony sasany, toa an’i Joba sy Solomona Mpanjaka, ka nomeny harena. (1 Mpanjaka 10:23; Joba 42:12) Maro tamin’ireo natahotra an’Andriamanitra fahiny anefa no tsy nanan-javatra firy, anisan’izany i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy Kristy. (Marka 1:6; Lioka 9:58) Inona no tiana hambara amin’izany? Asehon’ny Baiboly fa izay ataon’Andriamanitra amin’ny mpanompony dia arakaraka ny fikasany momba azy ireo amin’ny fotoana iainany. (Mpitoriteny 3:1) Ahoana no ampiharany izany amintsika?

Asehon’ny faminanian’ny Baiboly fa miaina amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, na “andro farany”, isika. Mampiavaka an’io vanim-potoana io ny ady, aretina, mosary, horohoron-tany, ary ny fitondran-tena miharatsy. Faran’izay nampijaly ny olona izany nanomboka tamin’ny 1914. (Matio 24:3; 2 Timoty 3:1-5; Lioka 21:10, 11; Apokalypsy 6:3-8) Toy ny sambo efa madiva hilentika àry ity tontolo ity! Raha izany no izy, Andriamanitra ve dia mbola hieritreritra ny hanome harena ny mpanompony ihany? Sa misy zavatra hafa lehibe kokoa tiany hifantohantsika?

Nampitovin’i Jesosy Kristy tamin’ny andron’i Noa ny androntsika. Hoy izy: “Tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37-39) Nampitovin’i Jesosy tamin’ny andron’i Lota koa ny androntsika. ‘Nihinana, nisotro, nividy, nivarotra, namboly, ary nanorina trano’ ny mpiara-monina tamin’i Lota tao Sodoma sy Gomora. “Fa tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma”, hoy i Jesosy, “dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra.” Hoy ihany izy: “Dia ho toy izany koa amin’ilay andro hampiharihariana ny Zanak’olona.”—Lioka 17:28-30.

Marina fa tsy misy maharatsy ny mihinana, misotro, manambady, mividy, ary mivarotra. Hampidi-doza anefa izany raha variana loatra amin’izany isika, ka hanadino fa efa akaiky ny farany. Eritrereto àry izao: ‘Hanampy antsika ve Andriamanitra raha zavatra mety hahavariana antsika no omeny antsika?’ * Vao mainka aza izy hampidi-kizo antsika, raha izany. Tsy hanao izany mihitsy ilay Andriamanitra fitiavana!—1 Timoty 6:17; 1 Jaona 4:8.

Fotoana tokony hamonjena aina!

Misy asa maika tokony hataon’ny vahoakan’Andriamanitra, amin’izao fotoana miavaka izao. Hoy i Jesosy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Mampirisika ny mpiara-belona aminy àry izy ireo mba hianatra momba an’io Fanjakana io sy izay takin’Andriamanitra mba hahazoana fiainana mandrakizay.—Jaona 17:3.

Tsy tian’Andriamanitra hihafy be anefa ny mpanompony. Tiany kosa izy ireo hianina amin’izay tena ilaina, mba ho afaka hifantoka amin’ny fanompoana azy. (Matio 6:33) Izy indray avy eo no manome izay ilain’izy ireo. Hoy ny Hebreo 13:5: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy izy: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.’ ”

Hiavaka ny fomba hanatanterahan’i Jehovah ireo teny ireo, rehefa hiaro ilay “vahoaka be” izay tena mivavaka aminy izy, ary hitondra azy ireo ao amin’ny tontolo vaovao hisian’ny fiadanana sy ny tena fahasambarana. (Apokalypsy 7:9, 14) Hoy i Jesosy momba ny mpianany tsy mivadika: “Izaho kosa tonga mba hananany fiainana, eny, hananany fiainana maharitra.” (Jaona 10:10) Izany “fiainana maharitra” izany akory tsy hoe fiainana ao anatin’ny harena dieny izao, fa fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa, eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Lioka 23:43.

Aoka àry isika tsy ho voafitaka, ka hihevitra ny harena ho toy ny fitahian’Andriamanitra. Fandrebirebena fotsiny izany. Ilaina maika kosa ny hanarahantsika ny torohevitra feno fitiavana nomen’i Jesosy hoe: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika.”—Lioka 21:34, 35.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy Kristianina manankarena ankehitriny, toy ny tamin’ny taloha ihany. Mampitandrina azy ireny anefa Andriamanitra, mba tsy hatoky ny harenany na ho variana loatra amin’izany. (Ohabolana 11:28; Marka 10:25; Apokalypsy 3:17) Tokony hiezaka hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika rehetra, na mahantra na manankarena.—Lioka 12:31.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Fotoana tokony hanaovantsika inona izao?—Matio 24:14.

◼ Nampitovin’i Jesosy tamin’ny andron’iza avy ny androntsika?—Matio 24:37-39; Lioka 17:28-30.

◼ Inona no tsy tokony hataontsika raha tiantsika ny hiaina mandrakizay?—Lioka 21:34.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Fandrebirebena fotsiny ny fiheverana ny harena ho toy ny fitahian’Andriamanitra