Nosoratan’i Lioka 17:1-37

  • Fanafintohinana, famelan-keloka, finoana (1-6)

  • Mpanompo fotsiny ihany (7-10)

  • Boka folo nositranina (11-19)

  • Ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra (20-37)

    • “Eo afovoanareo” ny Fanjakan’Andriamanitra (21)

    • “Tsarovy ny vadin’i Lota” (32)

17  Ary hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Tsy maintsy hisy toe-javatra mahatafintohina, kanefa hahita loza izay olona mahatonga an’izany!  Aleo aza hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozon’izany olona izany, dia hatsipy any an-dranomasina izy, toy izay hanafintohina ny iray amin’ireny madinika ireny.+  Koa mitandrema ianareo. Teneno mafy+ ny rahalahinao raha manota, ka raha mibebaka izy dia mamelà azy.+  Fa na manota aminao impito aza izy ao anatin’ny indray andro, ka miverina impito eo aminao ary miteny hoe: ‘Mifona* aho’, dia tsy maintsy mamela azy ianao.”+  Hoy ny apostoly tamin’ny Tompo: “Ampitomboy ny finoanay.”+  Dia hoy ny Tompo: “Raha manana finoana ianareo, na faran’izay kely hoatran’ny voan-tsinapy aza, ary hiteny amin’itsy voaroihazo itsy hoe: ‘Miongota ary maniria any an-dranomasina!’, dia hankatò anareo izy.+  “Andao hatao hoe manana mpanompo miasa tany na miandry ondry ianareo. Rehefa mody avy any an-tsaha izy, dia iza aminareo no hilaza aminy hoe: ‘Avia, tonga dia mipetraha hisakafo eo amin’ny latabatra’?  Tsy hiteny aminy kosa ve izy hoe: ‘Karakarao ny sakafo harivako, ary anaovy ny aron’akanjonao dia rosoy sakafo aho, ary rehefa avy mihinana sy misotro aho, dia mahazo mihinana sy misotro koa ianao’?  Tsy hankasitraka an’ilay mpanompo izy, satria izay nasainy natao fotsiny no nataon’izy io, sa tsy izany? 10  Hoatr’izany koa fa rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia izao lazaina: ‘Izahay ange mpanompo fotsiny ihany e! Izay tokony ho nataonay ihany no nataonay.’”+ 11  Nandalo teo anelanelan’i Samaria sy Galilia izy, rehefa nankany Jerosalema. 12  Rehefa niditra tao amin’ny tanàna kely iray izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy. Nijoro teny lavidavitra teny izy ireo,+ 13  ary niantso mafy hoe: “Ry Jesosy Mpampianatra ô, mba iantrao izahay!” 14  Rehefa nahita azy ireo izy, dia niteny hoe: “Mandehana miseho any amin’ny mpisorona.”+ Dia lasa izy ireo, ka nadio+ raha mbola teny an-dalana. 15  Rehefa hitan’ny anankiray fa sitrana izy, dia lasa izy niverina ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny feo avo. 16  Dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy izy, ka nisaotra azy. Samaritanina+ izy io. 17  Koa niteny i Jesosy hoe: “Tsy efa voadio daholo moa izy folo? Fa aiza ny sivy? 18  Dia tsy mba nisy niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity hafa firenena ity ve?” 19  Hoy izy avy eo: “Mitsangàna dia mandehana. Ny finoanao no nahasitrana anao.”+ 20  Ary nanontanian’ny Fariseo i Jesosy hoe rahoviana no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra.+ Dia namaly izy hoe: “Tsy miharihary ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, 21  ary tsy hisy koa hilaza hoe: ‘Atỳ!’ na ‘Arỳ!’ Fa eo afovoanareo* ny Fanjakan’Andriamanitra.”+ 22  Hoy izy tamin’ny mpianany avy eo: “Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’olona, fa tsy hahita ianareo. 23  Ary hilaza aminareo ny olona hoe: ‘Arỳ!’ na ‘Atỳ!’, nefa aza mandeha na manaraka azy.+ 24  Fa toy ny tselatra manazava ny faritra iray amin’ny lanitra ka hatrany amin’ny faritra hafa amin’ny lanitra, dia ho toy izany koa ny Zanak’olona+ amin’ny androny.+ 25  Tsy maintsy hampijalijalina anefa aloha izy, ary holavin’ity taranaka ity.+ 26  Ary hoatran’izay nitranga tamin’ny andron’i Noa+ no hitranga koa amin’ny andron’ny Zanak’olona:+ 27  Nihinana ny olona, nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina, mandra-pahatongan’ilay andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara.+ Ary tonga ny Safodrano ka nandringana azy rehetra.+ 28  Dia hoatran’izay nitranga tamin’ny andron’i Lota+ koa: Nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly, ary nanorina trano. 29  Fa tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra.+ 30  Dia ho toy izany koa amin’ny andro hampiharihariana ny Zanak’olona.+ 31  “Amin’izany andro izany, dia tsy tokony hidina haka ny entany ao an-trano izay any an-tampon-trano, ary tsy tokony hiverina any amin’izay efa nilaozany koa izay any an-tsaha. 32  Tsarovy ny vadin’i Lota.+ 33  Izay miezaka hiaro ny ainy no hamoy an’izany, fa izay mamoy ny ainy kosa no hiaro an’izany.+ 34  Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany, dia hisy olona roa iray fandriana: Ny iray hoentina fa ny iray havela.+ 35  Ary hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary iray ihany: Ny iray hoentina fa ny iray havela.” 36  *—— 37  Koa niteny taminy izy ireo hoe: “Aiza izany, Tompo ô?” Dia hoy izy: “Any amin’izay misy ny faty, dia any koa no hiangonan’ny voromahery.”+

Fanamarihana

Abt: “Mibebaka.”
Na: “eo aminareo.”
Jereo F.F. A3.