Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avelao Andriamanitra Hitarika Anao ho any Amin’ny “Tena Fiainana”

Avelao Andriamanitra Hitarika Anao ho any Amin’ny “Tena Fiainana”

Avelao Andriamanitra Hitarika Anao ho any Amin’ny “Tena Fiainana”

TSY maintsy mendri-pitokisana ny mpitari-dalana. Iza no mpitari-dalana manana izany toetra izany? Miaiky tanteraka ireo olona mahalala an’i Jehovah, ilay nampanoratra ny Baiboly, fa izy no mendri-pitokisana indrindra. “Tsy mahay mandainga” mantsy izy. (Titosy 1:2; 2 Timoty 3:16) Nanamafy izany ilay lehilahy natahotra an’Andriamanitra atao hoe Josoa, izay nitarika ny Israelita nankany amin’ny Tany Nampanantenaina, ka nilaza hoe: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.”—Josoa 23:14.

Mbola maro be ny tenin’i Jehovah tanteraka, taorian’ny nahafatesan’i Josoa. Afaka matoky àry isika, fa mbola hotanterahiny izay faminaniana mbola tsy tanteraka. Anisan’izany ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona mankatò azy.

Tianao ve ny handray soa avy amin’ny tari-dalan’Andriamanitra?

Fitiavana i Jehovah, ka tiany ho sambatra isika dieny izao sy mandrakizay. (Jaona 17:3; 1 Jaona 4:8) Tiany tokoa ny hahazoantsika “ny tena fiainana”, dia ny fiainana mandrakizay. (1 Timoty 6:12, 19) Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery àry ankehitriny no faly mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” amin’ny mpiara-belona aminy, ho fankatoavana ny didin’Andriamanitra. (Matio 24:14) Manao io asa io any amin’ny tany 235 izy ireo izao, izany hoe saika maneran-tany mihitsy!

Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no mpanjakan’izy io. (Daniela 7:13, 14; Apokalypsy 11:15) Rehefa hanjaka eto an-tany io fanjakana io, dia horinganina ny ratsy fanahy rehetra, izany hoe ny olona tsy mety mankatò ny fitsipika marina napetrak’i Jehovah. (Salamo 37:10; 92:7) “Ho henika ny fahalalana an’i Jehovah” ny tany manontolo aorian’izay, “tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.

Alao sary an-tsaina ny fiadanana sy filaminana hanjaka amin’izany fotoana izany. Hivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” mantsy ny olon-drehetra eto an-tany, ary hankatò an-tsitrapo ny tari-dalany feno fitiavana sy ny fitsipiny tonga lafatra. (Jaona 4:24) Hahazo ilay “tena fiainana” nampanantenain’Andriamanitra ny olona!

Efa voalazan’ny Baiboly anefa fa vitsy ihany ny olona hanaiky ny tari-dalan’Andriamanitra, ka hahazo ny fiainana. (Matio 7:13, 14) Te ho anisan’izy ireo ve ianao? Mampirisika anao amim-pitiavana àry izahay Vavolombelon’i Jehovah, mba handinika ny Soratra Masina sy hanaiky ny tari-dalan’Andriamanitra. Ianao mihitsy amin’izay no hahatsapa fa tsara tokoa i Jehovah. (Salamo 34:8) Tarihin’ny fahaizany voajanahary ny vorona, ka tonga soa aman-tsara any amin’ny toerana ifindrany monina. Hitari-dalana an’ireo tsy mivadika aminy koa i Jehovah, ka ho tonga soa aman-tsara ao amin’ny Paradisa izy ireo.—Lioka 23:43.

[Sary, pejy 8, 9]

“Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”—MATIO 5:5

‘Ny mpandefitra no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.’—SALAMO 37:11

“Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra ... Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony.”—APOKALYPSY 21:3, 4

“Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”—OHABOLANA 2:21, 22