Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Nilaza i Maria Cino, Minisitry ny Fitaterana, fa “ny mpamily mamo no tena mahafaty olona be indrindra eto Etazonia.” Raha jerena ny isan’ny matin’ny lozam-piarakodia tamin’ny 2005, dia ny ampahatelony mahery no avy amin’ny toaka.—MINISITERAN’NY FITATERANA, ETAZONIA.

“Misy fako plastika 18 000 mahery mitsinkafona eny amin’ny ranomasina, isaky ny iray kilaometatra toradroa.”—FANDAHARAN’ASAN’NY FIRENENA MIKAMBANA MOMBA NY TONTOLO IAINANA.

“Mandany dimanjato tapitrisa ora isan-taona ny Amerikanina mba hanaovana lalao [amin’ny ordinatera], mandritra ny ora fiasana. Miteraka fatiantoka 10 000 tapitrisa dolara izany.” Tsy lazaina intsony ny fotoana “laniny ikarokarohana zavatra ilainy manokana ao amin’ny Internet, ao am-piasana.”—MANAGEMENT-ISSUES.COM.

Iharan’ny Herisetra ny Ankizy

“Ankizy maro no efa zatra ny herisetra manjo azy isan’andro”, hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Araka ny tatitra nataon’ny sekretera jeneralin’ny ONU vao haingana, dia “ankizy efa ho 53 000 eran-tany no maty novonoina, tamin’ny 2002.” Ankizy an-tapitrisany koa no asaina manao asa an-terivozona, mivaro-tena, na ampiasaina amin’ny sary mamoafady. Azo sorohina ve izany? Hoy ilay tatitra: “Azo inoana fa ho voaro ny ankizy, na ao an-trano, na any an-toeran-kafa, raha manao an’ireto ny ray aman-dreniny: Mampianatra sy mikarakara tsara azy, mifandray am-po tsara aminy, ary manome fifehezana mahasoa fa tsy mampiasa herisetra.”

Ela Velona Izay Tsara Namana!

Milaza ny gazety Journal of Epidemiology and Community Health, fa mety hanalava ny androm-piainana ny fananana namana tsara maro. Nanaporofo izany ny fanadihadiana natao tamin’ny Aostralianina efa ho 1 500, nandritra ny folo taona. Efa 70 taona na maherin’izany izy ireo. Hita fa ela velona kokoa ireo nanana namana maro sy nifandray akaiky tamin’izy ireny, raha noharina tamin’ireo vitsy namana. Voalazan’ilay gazety fa mandray soa hafa koa ny zokiolona rehefa mifanao soa amin’ny namany. Mampihena ny “fahakiviany”, ohatra, izany, sady “mahatonga azy hatanja-tsaina sy hahavita hiatrika olana, hahatsiaro tena ho misy vidiny, hatoky tena kokoa, ary tsy hiantehitra be loatra amin’ny hafa.”

Tsy Afa-trosa ny Britanika

Azo atao ny maka vola mihoatra ny ao amin’ny kaonty any amin’ny banky, any amin’ny tany sasany. Milaza anefa ny gazety The Daily Telegraph any Londres, fa ‘lasa zatra manao izany ny ampahatelony mahery amin’ny olon-dehibe any, mba ho tafavoaka.’ Tsy tokony hanao trosa izy ireo, raha ny marina, raha tsy rehefa tsy misy azo anoarana intsony. Britanika 3,5 tapitrisa anefa izao no mitrosa lava, ary mihevitra fa ‘tsy ho velona mihitsy izy’ raha tsy manao izany. Inona no antony? “Te hahazo eo no ho eo izay tadiaviny ny olona”, hoy i Keith Tondeur, lehiben’ny fikambanana iray mampianatra momba ny fitantanam-bola. Nampitandrina izy fa “olona an-tapitrisany no zatra mandany mihoatra noho ny vola miditra aminy. Na ny zavatra tsotra indrindra momba ny fandehan’ny kaontim-bolany aza tsy hain’ny ankamaroany, hany ka tsy fantany hoe ohatrinona marina ny vola laniny.”

Mampiakatra ny Mari-pana ny Fiaramanidina Mandeha Alina

Milaza ny gazety Scientific American fa misy fiantraikany eo amin’ny hafanan’ny rivotra eny amin’ny habakabaka ny etona vokatry ny fandalovan’ny fiaramanidina. Mamerina ny taratra azony avy amin’ny masoandro ireny etona ireny amin’ny antoandro, ka mampangatsiaka ny rivotra eny amin’ny habakabaka. Tehiriziny ao ambaniny kosa ny hafanana amin’ny alina. Hitan’ny mpikaroka anglisy fa ny ‘fiaramanidina mandeha eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora hariva sy 6 ora maraina no tena mampiakatra ny mari-pana, na dia ny ampahefany monja aza no miasa amin’izany ora izany.’