Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola ho Foana ve ny Fampihorohoroana Indray Andro Any?

Mbola ho Foana ve ny Fampihorohoroana Indray Andro Any?

 Ara-dalàna raha mieritreritra hoatr’izao ianao, rehefa avy misy fampihorohoroana a: ‘Mba hitan’Andriamanitra ihany ve izao? Nahoana izao no avelany hitranga? Mbola ho foana ve ny fampihorohoroana indray andro any? Ho zakako ve ny hiaina ao anatin’ny tahotra?’ Mamaly an’ireo fanontaniana rehetra ireo ny Baiboly.

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fampihorohoroana?

 Mankahala ny herisetra sy ny fampihorohoroana Andriamanitra. (Salamo 11:5; Ohabolana 6:16, 17) Niteny mafy ny mpianany koa i Jesosy, ilay solontenan’Andriamanitra, rehefa nahery setra izy ireo. (Matio 26:50-52) Misy milaza hoe amin’ny anaran’Andriamanitra no anaovany herisetra sy fanafihana. Tsy mankasitraka ny zavatra ataon’izy ireo mihitsy anefa Andriamanitra. Tsy mihaino ny vavaka ataon’izy ireo akory aza izy.​—Isaia 1:15.

 Miahy an’izay rehetra mijaly Andriamanitra, anisan’izany ireo tratran’ny fampihorohoroana. (Salamo 31:7; 1 Petera 5:7) Milaza koa ny Baiboly fa hanao zavatra Andriamanitra mba hanafoanana ny herisetra.​—Isaia 60:18.

Ny tena mahatonga ny fampihorohoroana

 Hazavain’ny Baiboly fa ny tena mahatonga ny fampihorohoroana, dia satria “nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.” (Mpitoriteny 8:9) Ny fampihorohoroana foana hatramin’izay no tetikady ampiasain’izay olona manana fahefana, mba hampijaliana ny hafa. Mamaly faty avy eo ireo olona mijaly, dia lasa manao fampihorohoroana koa. ​—Mpitoriteny 7:7.

Tsy hisy intsony ny fampihorohoroana

 Mampanantena Andriamanitra hoe hanafoana tanteraka ny tahotra sy ny herisetra izy, ary hampisy fiadanana maneran-tany. (Isaia 32:18; Mika 4:3, 4) Ireto avy no hataony:

  •   Hesoriny ny antony mahatonga ny fampihorohoroana. Hesorin’Andriamanitra ny fitondran’olombelona, ka ny Fanjakany no hisolo azy ireo. I Jesosy Kristy no Mpitondra an’io Fanjakana io, ary hanao ny rariny amin’ny olona rehetra izy sady hanafoana ny fampahoriana sy ny herisetra. (Salamo 72:2, 14) Tsy hisy fampihorohoroana intsony amin’izany, fa “tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be” ny olona.​—Salamo 37:10, 11.

  •   Hofoanany ny voka-dratsin’ny fampihorohoroana. Hesorin’Andriamanitra daholo ny fijaliana vokatry ny fampihorohoroana, na ara-tsaina izany na ara-batana. (Isaia 65:17; Apokalypsy 21:3, 4) Nampanantena mihitsy aza izy hoe hatsangany ny maty. Hiaina eto an-tany izy ireo ary hilamina be ny fiainana amin’izany.​—Jaona 5:28, 29.

 Misy antony marim-pototra ao amin’ny Baiboly, mampiseho hoe efa kely sisa Andriamanitra dia hanao zavatra. Mety ho lasa saina anefa ianao hoe: ‘Fa maninona no mbola tsy foanan’Andriamanitra foana ny fampihorohoroana hatramin’izao?’ Mba hahitanao ny valin’izany, dia jereo ilay video hoe Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?

a Matetika ilay hoe “fampihorohoroana” no ilazana fampiasana herisetra na fandrahonana hampiasa herisetra, indrindra fa amin’ny olon-tsotra, mba hampitahorana azy ireo sy mba hampisy fiovana eo amin’ny resaka politika, fivavahana, na fiaraha-monina. Mety tsy hitovy hevitra anefa ny olona momba ny hoe fampihorohoroana sa tsia ny zava-mitranga iray.