Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?

Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?

 Mino ve ianao hoe mbola hihatsara ny fiainana amin’ny hoavy? Betsaka no manantena an’izany na dia tena sarotra aza ny olana atrehintsika amin’izao. Fa tena afaka matoky tokoa ve isika hoe hihatsara ny fiainana? Ie! Satria ny Baiboly mihitsy no mampanantena antsika an’izany.

 Inona no ampanantenain’ny Baiboly antsika?

 Milaza ny Baiboly hoe miatrika olana tena ngezabe ny olombelona. Na izany aza anefa, dia mampanantena koa izy io fa tsy haharitra mandrakizay izany. Andao isika handinika ohatra vitsivitsy amin’izany.

  •   Olana: Tsy manana trano hipetrahana

     Milaza ny Baiboly hoe: “Hanao trano ny olona ka honina ao.”—Isaia 65:21.

     Inona no dikan’izany? Samy hanana ny tranony daholo ny olona amin’ny hoavy.

  •   Olana: Tsy manana asa sy mahantra

     Milaza ny Baiboly hoe: “Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.”—Isaia 65:22.

     Inona no dikan’izany? Ho faly sy ho afa-po amin’ny asa mafy ataony ny olona amin’ny hoavy.

  •   Olana: Manjaka ny tsy rariny

     Milaza ny Baiboly hoe: “Hisy andriana hitondra mba hampanjaka ny rariny.”—Isaia 32:1.

     Inona no dikan’izany? Tsy hisy intsony ny olona hiharan’ny tsy rariny noho ny fiaviany, ny toerana tanany, na ny fari-piainany. Tsy hisy intsony izany ny olona hiharan’ny tsy rariny amin’ny hoavy.

  •   Olana: Tsy ampy sakafo sy tratran’ny mosary

     Milaza ny Baiboly hoe: “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”—Salamo 72:16.

     Inona no dikan’izany? Ho be dia be ny sakafo sady hahasalama daholo, ka tsy hisy intsony ny olona handry fotsy sy tsy ho ampy sakafo.

  •   Olana: Heloka bevava sy herisetra

     Milaza ny Baiboly hoe: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Mika 4:4.

     Inona no dikan’izany? Hilamin-tsaina sy hiadana daholo ny olona, satria tsy hisy intsony ny ratsy fanahy, fa “ny olo-marina no handova ny tany.”—Salamo 37:10, 29.

  •   Olana: Ady

     Milaza ny Baiboly hoe: “Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.”—Isaia 2:4.

     Inona no dikan’izany? Hiadana ny olona eran-tany. (Salamo 72:7) Tsy hisy intsony ny olona halahelo be satria hoe maty an’ady ny havany, na handeha hitsoa-ponenana vokatry ny ady.

  •   Olana: Aretina

     Milaza ny Baiboly hoe:“Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”—Isaia 33:24.

     Inona no dikan’izany? Tsy hisy intsony ny olona hijaly satria kilemaina na marary. (Isaia 35:5, 6) Mampanantena mihitsy aza ny Baiboly hoe “tsy hisy fahafatesana intsony.”—Apokalypsy 21:4.

  •   Olana: Simba ny tontolo iainana

     Milaza ny Baiboly hoe: “Hifaly ny tany efitra sy ny faritra karakaina, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady hamony toy ny voninkazo safrona.”—Isaia 35:1.

     Inona no dikan’izany? Ho lasa paradisa, araka ny nikasan’Andriamanitra azy tamin’ny voalohany, ny tany.—Genesisy 2:15; Isaia 45:18.

 Tena ho tanteraka ve ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly?

 Mety hieritreritra ianao hoe sarotra inoana izany. Mampirisika anao anefa izahay mba handinika tsara an’izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy. Tsy mitovy amin’ny fampanantenan’olombelona ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly, satria avy amin’Andriamanitra izy ireny. Andao isika hijery porofo ny amin’izany.

  •   Azo itokisana Andriamanitra. Milaza ny Baiboly hoe “tsy mahay mandainga” Andriamanitra. (Titosy 1:2) Ankoatra izay, dia Andriamanitra irery ihany no afaka mamantatra ny hoavy. (Isaia 46:10) Misy tantara be dia be ao amin’ny Baiboly manaporofo hoe tanteraka foana izay efa nolazain’Andriamanitra mialoha. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay video hoe Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly?

  •   Manana hery hamahana ny olana mahazo antsika Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa manana hery hanaovana ‘izay rehetra mahafinaritra azy’Andriamanitra. (Salamo 135:5, 6) Tsy misy mahasakana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny fampanantenany àry. Andriamanitra mihitsy koa no te hanampy antsika satria tia antsika izy.—Jaona 3:16.

 Rariny ianao raha mety hieritreritra hoe: ‘Raha te hanampy antsika sy manana hery hanampiana antsika Andriamanitra, dia maninona no mbola be dia be foana ny olana mahazo antsika?’ Raha tianao ho fantatra ny valin’izany, dia jereo ilay video hoe Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?

 Ahoana no ahatanterahan’ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly?

 Hampiasa ny Fanjakany, ilay fitondram-panjakana any an-danitra, Andriamanitra mba hanatanterahana ny fampanantenany. I Jesosy Kristy no notendreny ho Mpanjakan’io Fanjakana io, ary nomeny fahefana izy mba hikarakara ny tany sy ny olombelona. Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nanasitrana ny marary, nanome sakafo ny noana, nifehy ny toetrandro, ary nanangana ny maty mihitsy aza. (Marka 4:39; 6:41-44; Lioka 4:40; Jaona 11:43, 44) Nasehony tamin’izany hoe inona avy no hataony rehefa ho lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy.

 Raha tianao ho fantatra hoe nahoana no mahasoa anao ny Fanjakan’Andriamanitra, dia jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

 Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany?

 Efa tsy ho ela intsony! Nahoana isika no matoky an’izany? Efa nilaza mialoha mantsy ny Baiboly hoe inona avy no ho famantarana fa efa hanomboka hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 21:10, 11) Efa hitantsika hoe tanteraka daholo izany famantarana izany amin’izao.

 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?

 Nahoana no manampy antsika dieny izao ny fampanantenan’ny Baiboly?

 Nampitahain’ny mpanoratra Baiboly iray tamin’ny ‘vatofantsika’ ny fampanantenan’ny Baiboly. (Hebreo 6:19) Mihazona ny sambo tsy hihetsika ny vatofantsika, rehefa misy tafio-drivotra. Dia hoatr’izany koa. Manampy antsika hahavita hiaritra ny olana mahazo antsika amin’izao ny fampanantenana momba ny hoavy lazain’ny Baiboly. Rehefa manana fanantenana koa isika, dia milamin-tsaina foana, falifaly, afaka mieritreritra tsara, ary salama tsara mihitsy aza.—1 Tesalonianina 5:8.