Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manampy Anay Hilamin-tsaina Andriamanitra”

“Manampy Anay Hilamin-tsaina Andriamanitra”

NITAKOKO niaraka tamin’i Anzhelika, zanany vavy 12 taona, i Zarina. Teo akaikiny teo i Natalya sy ny zanany lahy sivy taona atao hoe Aslan. Nisy ankizy sy olon-dehibe 1 000 mahery niaraka tamin’izy ireo, ary nambenan’ny jiolahy nirongo fiadiana.

Tonga vao maraina tao amin’ny sekoly iray any Beslan, tanàna kely any Rosia, ireo ankizy ireo sy ny ray aman-dreniny ny alarobia 1 Septambra 2004. Nanao fety mantsy ilay sekoly fa niditra ny mpianatra. Tampoka teo anefa dia nisy jiolahy 30 mahery nirongo fiadiana tonga tao, ary nanao tifi-danitra sady nivazavaza. Noteren’izy ireo hiditra tao amin’ny kianja mitafon’ilay sekoly ireo rehetra tonga tamin’ilay fety, ary nofenoiny baomba ilay toerana.

Raikitra ny fifandonana

Nitady marimaritra iraisana tamin’ireo jiolahy ny mpitandro filaminana, nandritra ny telo andro. Hoy i Natalya, izay nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mbola tsy nivavaka mafy hoatr’izany aho.”

Faramparan’ny vanin-taona mafana tamin’izay, ka nanevokevoka be tao amin’ilay kianja. Tsy nanan-kohanina intsony ireo takalon’aina, nanomboka ny alakamisy, ary tsy nanana rano hosotroina. Nisotro pipỳ àry ny sasany tamin’izy ireo rehefa tonga ny zoma, sady nihinana an’ireo voninkazo nentin’ny mpianatra ho an’ny mpampianatra. Hoy i Natalya: “Nanome ravin-kazo iray ahy ilay ankizilahy teo akaikinay. Nozaraiko roa ilay izy dia nomeko an’i Anzhelika sy Aslan.”

Raikitra ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo jiolahy, ny zoma hariva. Hoy i Natalya: “Taitra be aho fa naheno baomba nipoaka. Nisy setroka be avy eo. Dia raikitra ny fifampitifirana.” Tamin’izay i Natalya sy Aslan no nandady nitsoaka. Nisy lehilahy iray atao hoe Alan avy eo nitondra azy ireo tany amin’ny toerana azo antoka. Maro anefa no tsy tafavoaka tao.

Ny vokany

Maty tamin’ilay fifandonana i Anzhelika

Ankizy sy olon-dehibe an-jatony no maty, anisan’izany i Anzhelika. Nisy nidradradradra nitomany foana tao Beslan, nandritra ny herinandro maromaro. Tazana avy eo amin’ny tranon-dry Natalya ilay sekoly nisy nanafika. Na dia nisy sekoly vaovao aza teo akaikin’ilay izy, dia tsy nety nianatra mihitsy i Aslan. Na ny nilalao tany an-tokotany aza tsy nataony. Hoy i Natalya: “Nitalaho tamin’i Jehovah izahay mba hanampiany azy tsy hatahotra intsony.” Nanaiky hianatra ihany izy, tatỳ aoriana.

Ny namonjy ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Efitrano Fanjakana kosa no sarotra tamin’i Natalya. Hoy izy: “N’aiza n’aiza toerana nalehako ka nisy olona maromaro, dia nanahy foana aho hoe hisy hanafika izahay. Nivavaka àry aho mba tsy hisian’izany. Nisy fotoana aza aho tsy nivory mihitsy. Tsy nandry koa ny saiko satria be dia be ny olona maty nefa izahay velona.”

Nilamin-tsaina indray

Hoy i Natalya: “Mankasitraka an’ireo mpiara-mivavaka amiko aho satria nanampy ahy foana ry zareo. Nisy Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Tatyana, ohatra, nitsidika ahy isaky ny telo andro. Nitondra Vavolombelona iray atao hoe Ulyana izy, tatỳ aoriana. Tsara fanahy izy, malefadefa-piteny, sady mahay Baiboly. Nidera ny ezaka efa vitako izy, ary tena nihaino ahy.

“Tsy matahotra na tezitra intsony aho rehefa mitantara an’iny zava-nitranga iny”

“Novakin’i Ulyana tamiko ny 2 Korintianina 1:9. Hoy ny apostoly Paoly ao, rehefa avy niatrika zava-tsarotra tany Azia: ‘Tsapanay tao anatinay tao fa nahazo fanamelohana ho faty izahay.’ Novakiny koa ny Isaia 40:31 hoe: ‘Izay manantena an’i Jehovah hahazo hery indray. Hanidina izy ireo, toy ny hoe manana ela-boromahery.’ Marina fa mbola tsy mahazo aina aho rehefa miaraka amin’ny olona maromaro ao anaty trano. Nanampy ahy sy ny zanako hivory indray anefa ireny andinin-teny ireny. Teo koa ny fampaherezana nomen’i Ulyana sy ny olon-kafa.”

Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Zarina, tatỳ aoriana. Tsy andriny izay hahitana an’i Anzhelika rehefa hitsangana amin’ny maty izy. Hilamina sy ho tsara tarehy ny tany amin’izay, satria ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra. (Matio 6:9, 10; Asan’ny Apostoly 24:15) Natao batisa i Natalya sy ny zanany, tamin’ny 2009. Mbola mipetraka eo akaikin’ilay sekoly nisy nanafika izy ireo nefa efa tsy mihorohoro intsony. Hoy i Natalya: “Tsy matahotra na tezitra intsony aho rehefa mitantara an’iny zava-nitranga iny. Manampy anay hilamin-tsaina Andriamanitra.