Hijery ny anatiny

Nahafoy Tena Izy Ireo: Boligaria

Nahafoy Tena Izy Ireo: Boligaria

 Miezaka mampianatra ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah any Boligaria hoe iza marina Andriamanitra, ary inona marina no ampianarina ao amin’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly. Mba hanampiana an-dry zareo, dia nisy Vavolombelona an-jatony avy any an-tany hafa nandeha nifindra tany Boligaria, nanomboka tamin’ny 2000. Inona avy anefa ny olana atrehin’ireny olona mifindra any an-tany hafa ireny mba hitory? Mba misy vokany tsara ihany ve ny ezaka ataon-dry zareo? Ireto misy santionany notantarain’ny olona sasany efa nifindra tany Boligaria.

Nanatratra tanjona

 Hoy i Darren, nipetraka tany Angletera: “Efa tanjonay foana hatramin’izay ny hoe handeha hifindra any amin’izay toerana mila mpitory betsaka kokoa. Rehefa nivady izahay sy Dawn, dia nifindra tany Londres izahay mba hampianatra Baiboly amin’ny teny rosianina. Nisy fotoana izahay nanao planina matotra tsara hoe handeha hanitatra any an-tany hafa, nefa tsy tanteraka ilay izy noho ny antony maro samihafa. Efa kivy izahay hoe tsy ho afaka ny handeha intsony. Nisy namanay izay anefa nanampy anay hahita hoe efa niova ny toe-javatra nisy anay, dia efa afaka mandeha amin’izay izahay.” Nanomboka nitady i Darren sy Dawn hoe aiza ny toerana mbola mila mpitory betsaka kokoa sady azon-dry zareo ifindrana tsara. Nifindra tany Boligaria àry ry zareo, tamin’ny 2011.

Darren sy Dawn

 Nisy olona sasany tsy nieritreritra hoe handeha hanitatra any an-toeran-kafa izany, tamin’ny voalohany. Rehefa hitan-dry zareo tamin’ireny olona efa nandeha nifindra ireny anefa hoe mahafinaritra be ilay izy, dia lasa te handeha koa ry zareo. Hoy i Giada vadin’i Luca, nipetraka tany Italia: “Nihaona tamin’ny mpitory nanitatra tany Amerika Atsimo sy Afrika aho. Sambatra ry zareo, sady tsara be daholo ny zavatra notantarainy. Tena nanohina ny foko ilay izy, dia lasa tapa-kevitra aho hoe hanova ny tanjoko amin’ny fanompoana an’i Jehovah.”

Luca sy Giada

 Avy any amin’ny Repoblika Tseky i Tomasz sy Veronika. Nifindra tany Boligaria izy mivady sy ny zanany mianadahy atao hoe Klara sy Mathias, tamin’ny 2015. Inona no nahatonga an-dry zareo ho tapa-kevitra ny hifindra tany? Hoy i Tomasz: “Nodinihinay akaiky ny modely nomen’ireny olona efa nandeha nifindra tany an-toeran-kafa ireny, anisan’izany ny havanay sasany. Nosaintsaininay koa ny zavatra sasany niainan-dry zareo. Nanohina ny fonay ny nahita hoe tena faly ry zareo nanao an’ilay izy, dia lasa niara-nandinika momba an’ilay izy izahay tao an-trano.” Falifaly izao io fianakaviana io mitory any amin’ny faritaniny vaovao any Montana, any Boligaria.

Klara, Tomasz, Veronika, ary Mathias

 Anisan’ny Vavolombelona nifindra tany Boligaria koa i Linda. Hoy izy: “Nandeha tany Ekoatera aho, taona maro lasa izay, dia nihaona tamin’ny mpitory nanitatra tany. Lasa nieritreritra aho hoe handeha mba hanitatra any amin’ny toerana ilana mpitory betsaka kokoa koa indray andro any.” Nandinika ny tantaran’ireny olona efa nanitatra tany an-tany hafa ireny koa i Petteri sy Nadja, mpivady avy any Failandy. Hoy izy mivady: “Nisy mpitory za-draharaha efa nandeha nifindra tany an-tany hafa tao amin’ny fiangonanay. Te hanampy ny olona hahafantatra an’izay ampianarin’ny Baiboly mantsy ry zareo. Falifaly erỳ ry zareo isaky ny mitantara ny zavatra niainany tany nandritra ny taona maro. Nilaza mihitsy ry zareo hoe ireny, hono, no fotoana nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainany.”

Linda

Nadja sy Petteri

Niomana mialoha

 Tena ilaina ny miomana tsara raha te hifindra any an-tany hafa. (Lioka 14:28-30) Hoy i Nele, avy any Belzika: “Tamin’izaho vao nanomboka nieritreritra hoe handeha hanitatra any an-tany hafa, dia nivavaka tamin’i Jehovah foana aho, sady nikaroka lahatsoratra momba an’ilay izy tao amin’ny boky sy gazetintsika. Nianarako tsara izay lahatsoratra hitako. Noeritreretiko foana koa hoe inona avy no mila iezahako mba hahatonga ahy ho vonona ny hifindra.”

Nele (ankavanana)

 Avy any Polonina i Kristian sy Irmina. Efa sivy taona mahery izao ry zareo no mipetraka any Boligaria. Hitan-dry zareo hoe tena nanampy azy ny niaraka tamin’ny antoko-mpitory miteny boligara tany Polonina, talohan’ny nandehanan-dry zareo. Tena nampahery an-dry zareo ilay antoko-mpitory sady nanampy an-dry zareo hahay an’ilay fiteny. Hoy i Kristian sy Irmina: “Faly be izahay satria tsapanay hoe hay mila vonona fotsiny ianao, fa i Jehovah no hikarakara izay ilainao. Raha miteny amin’i Jehovah ianao hoe: ‘Intỳ aho iraho!’ Dia hahavita zavatra tsy noeritreretinao ho vitanao mihitsy ianao.”—Isaia 6:8.

Kristian sy Irmina

 Nanatsotra fiainana aloha i Reto sy Cornelia, mpivady avy any Soisa, mba hahafahan-dry zareo niomana tsara sy nanangom-bola. Hoy izy mivady: “Nandeha herinandro tany Boligaria aloha izahay, herintaona talohan’ny nifindranay tany. Tianay ho fantatra mantsy hoe hoatran’ny ahoana marina ny fiainana any. Nihaona tamin’ny misionera izahay rehefa tonga tany, dia nomen-dry zareo torohevitra tena tsara.” Nampiharin’i Reto sy Cornelia tsara ireny torohevitra ireny, dia efa 20 taona mahery izao ry zareo no any Boligaria.

Cornelia sy Reto, miaraka amin’i Luca sy Yannik, zanany roa lahy

Niatrika olana

 Rehefa mifindra any an-tany hafa ianao, dia tsy maintsy mizatra fiainana vaovao na mety hoe miatrika olana mihitsy aza. (Asan’ny Apostoly 16:9, 10; 1 Korintianina 9:19-23) Ny mianatra fiteny vaovao izao no anisan’ny tena sarotra ho an’ny ankamaroan’izay efa nifindra tany an-tany hafa. Hoy i Luca, ilay noresahintsika teny aloha: “Efa zatra nanome valin-teny nampahery tamin’ny fomba fiteninay foana izahay rehefa tany am-pivoriana. Nandritra ny fotoana elaela anefa, dia sarotra taminay mivady ny namaly teny.Tena sarotra taminay na dia ny nanomana fehezan-teny tsotra kely tamin’ny teny boligara aza. Hoatran’ny hoe niverina ho ankizikely indray izahay. Na ny valin-tenin’ny ankizikely aza moa mbola tsara lavitra noho ny anay.”

 Hoy i Ravil, avy any Alemaina: “Nanahirana be ny nianatra an’ilay fiteny. Fa hoy foana aho hoe: ‘Aza miasa saina be fa rehefa misy diso ny zavatra teneninao dia aleo mihomehy fotsiny.’ Tsy eritreretiko hoe olana ilay izy, fa raisiko hoatran’ny hoe anisan’ny fanompoana masina ho an’i Jehovah ihany.”

Ravil sy Lilly

 Hoy koa i Linda, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tsy mahay mianatra teny vahiny mihitsy aho. Tsy mora ny mianatra teny boligara, dia imbetsaka aho efa no saika tsy hanao intsony. Mahatsiaro ho irery ianao rehefa tsy afaka miresaka amin’ny olona, na rehefa tsy azonao ny zavatra resahiny. Te hatanjaka ara-panahy foana aho, dia nataoko tamin’ny teny soedoà daholo izay zavatra nianarako. Nampian’ny mpiara-manompo anefa aho, dia nahay an’ilay fiteny ihany tamin’ny farany.”

 Anisan’ny olana mahazo an’ireny olona mandeha mifindra any an-tany hafa ireny koa ny hoe malahelo ny any aminy. Nifindra tany Boligaria i Eva sy Yannis vadiny. Hoy i Eva: “Nahatsiaro ho nanirery aho tamin’ny voalohany. Niezaka nifandray matetika tamin’ny fianakavianay sy ny namanay anefa izahay sady nitady namana vaovao ihany, dia tsy naninona intsony avy eo.”

Yannis sy Eva

 Misy olana hafa koa anefa ankoatra izay. Hoy i Robert sy Liana, avy any Soisa: “Tena sarotra taminay ilay hoe nianatra fiteny vaovao sy nizatra kolontsaina hafa mihitsy. Tsy nieritreritra koa izahay hoe tena mangatsiaka be atỳ rehefa ririnina.” Nieritreritra zavatra tsara foana anefa izy mivady sady tia nivazivazy, dia izay no nanampy an-dry zareo hahavita hanompo any Boligaria, nandritra an’izay 14 taona lasa izay.

Robert sy Liana

Nahazo fitahiana

 Tena mampirisika ny rehetra hifindra any amin’ny toerana ilana mpitory betsaka kokoa i Lilly. Hoy izy: “Hafa mihitsy ny fomba anampian’i Jehovah an’ahy atỳ. Raha tany aminay anefa aho mety tsy ho nahatsapa an’izany mihitsy. Manampy olona foana no ataoko, dia vao mainka aho lasa mifandray akaiky amin’i Jehovah. Mahatsiaro ho sambatra sy afa-po amin’ny fiainana koa aho.” Mitovy hevitra amin’izany koa i Ravil vadiny. Hoy i Ravil: “Tena mahafinaritra ny fiainanay atỳ. Lasa mahafantatra Kristianina manana traikefa be dia be amin’ny fampianarana Baiboly koa izahay. Mianatra zavatra be dia be avy amin-dry zareo mihitsy aho.”

 Be dia be no vonona sy nandamina ny fiainany mba ho afaka hifindra any an-tany hafa, dia nahita vokatra tsara amin’ny fitoriana ny ‘vaovao tsaran’ilay fanjakana any amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 24:14) Izay nandeha nifindra rehetra tany Boligaria dia tena nahita hoe nomen’i Jehovah azy ireo izay nirin’ny fony ary notanterahiny ny fikasan’izy ireo rehetra.—Salamo 20:1-4.