Hijery ny anatiny

Fampianarana Baiboly Iray no Niantombohany

Fampianarana Baiboly Iray no Niantombohany

 Vavolombelon’i Jehovah any Goatemalà i Marta ary mianatra teny kekchi izy mba hahafahany mitory amin’ny olona miteny kekchi. Nahita lehilahy iray nivoaka avy tao amin’ny hopitaly izy, indray andro. Hitany tamin’ny paoziny hoe mety ho avy any amin’ny tanàna kekchi iray, any amin’ny faritra be tendrombohitra, io lehilahy io. Mahalana be ny Vavolombelon’i Jehovah vao tonga mitory any. Niresaka taminy i Marta na dia tsy tena nahay niteny kekchi aza.

 Nanasa azy hianatra Baiboly i Marta. Nilaza ilay lehilahy hoe tiany ilay hianatra Baiboly nefa izy tsy manam-bola. Nohazavain’i Marta hoe mampianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. Noresahiny koa hoe afaka mianatra Baiboly an-telefaonina ilay lehilahy ary afaka miara-mianatra aminy ny vady aman-janany. Nanaiky àry ilay lehilahy. Nomen’i Marta Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny espaniola izy satria mahay mamaky teny sy manoratra amin’ny teny espaniola. Nomeny an’ilay boky fianarana hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? amin’ny teny kekchi koa ilay lehilahy. Nanomboka nianatra Baiboly an-telefaonina izy sy ny vadiny ary ny zanany roa, ny herinandro manaraka. Nianatra indroa isan-kerinandro izy ireo. Hoy i Marta: “Nataonay tamin’ny teny espaniola ilay fianarana satria tsy tena mahay kekchi aho. Nadikan’ilay lehilahy tamin’ny vadiny ny resakay. Ny zanak’izy ireo kosa mahay teny espaniola tsara.”

 Mpitondra fivavahana ilay lehilahy. Noresahiny tao amin’ny fiangonany izay nianarany tao amin’ny Baiboly. Tian’ny mpiangona ilay izy dia nanontanian’izy ireo izy hoe taiza no nahazoany an’izany fampianarana vaovao izany. Rehefa noresahiny hoe mianatra Baiboly izy, dia tonga tsikelikely niara-nianatra taminy izy ireo. Vetivety dia lasa 15 teo ho eo no nianatra Baiboly an-telefaonina tamin’i Marta, isan-kerinandro. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nasian’izy ireo mikrô teo akaikin’ilay telefaonina mba hahafahan’izy rehetra maheno.

 Noresahin’i Marta tamin’ny anti-panahy tao amin’ny fiangonany ny momba an’ireo mpianatra Baiboly ireo. Nankany amin’ilay tanàna àry ny iray tamin’ireo anti-panahy. Nasainy hanatrika ny lahatenin’ny mpiandraikitra ny faritra a daholo ireo mpianatra Baiboly. Lavitra be ilay izy satria mila mandeha fiara adiny iray izy ireo, dia avy eo mandeha an-tongotra adiny roa. Nisy 17 anefa no tonga nanatrika an’ilay lahateny.

 Afaka herinandro vitsivitsy, dia nankany amin’ireo mpianatra Baiboly ilay mpiandraikitra ny faritra sy ny mpitory maromaro ary nijanona tany efatra andro. Nijery video ara-baiboly amin’ny teny kekchi ao amin’ny jw.org izy ireo ny maraina, ary nianatra an’ilay bokikely hoe Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah? Nijery Tele JW kosa izy ireo ny tolakandro. Nahazo mpampianatra Baiboly iray avy ny mpianatra rehetra ka ilay mpiandraikitra ny faritra no nandamina an’izany.

 Nitory tany amin’ny tanàna manodidina koa ny mpitory, nandritra an’ireo efatra andro ireo, ary nanasa olona hanatrika fivoriana manokana. Nisy 47 no tonga tamin’ilay fivoriana ary nanontanian’ny mpitory izy ireo raha te hianatra Baiboly. Fianakaviana 11 no nanaiky hianatra.

 Nasian’ny anti-panahy fivoriana tao amin’ilay tanàna voalohany, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary natao isaky ny faran’ny herinandro ilay izy. Misy 40 eo ho eo izao no mivory tsy tapaka. Faly be ny mpitory rehefa nanao Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tany satria nisy 91 ny mpanatrika.

 Hoy i Marta rehefa mieritreritra an’iny zava-nitranga iny: “Misaotra an’i Jehovah aho! Misy fotoana aho mieritreritra hoe tsy mahavita firy. Azon’i Jehovah ampiasaina anefa isika mba hanampiana ny hafa. Hitany ny any am-pon’ny olona any amin’ireny tanàna ireny, dia taominy hanatona ny vahoakany izy ireo. Tena tia azy ireo i Jehovah.”

a Vavolombelon’i Jehovah ny mpiandraikitra ny faritra ary mitsidika fiangonana 20 eo ho eo, ka ireo fiangonana ireo mitambatra no atao hoe faritra.