Hijery ny anatiny

Voavaly ny Fanontanian’ilay Mpitondra Fivavahana

Voavaly ny Fanontanian’ilay Mpitondra Fivavahana

 Vavolombelon’i Jehovah i Eliso ary nampianatra Baiboly tao an-tranon’ny vehivavy iray izy, indray mandeha. Tonga tampoka anefa ny lehilahy mpitondra fivavahana iray sy ny vadiny. Efa henon’i Eliso hoe maty vao haingana ny zanaka lahitokan’izy mivady.

 Nanomboka nitomany be izy mivady rehefa niteny i Eliso hoe nalahelo koa izy satria maty ny zanak’izy ireo. Tezitra be anefa ilay mpitondra fivavahana avy eo sady niteny hoe: “Tsy azoko mihitsy hoe maninona no navelan’Andriamanitra hitranga izao. Nahoana no nalainy ny zanako lahy tokana? Izaho anefa mba nanompo an’Andriamanitra nandritra ny 28 taona ihany sady be dia be ny zavatra tsara vitako. Dia izao ve no navaliny ahy? Fa maninona no novonoiny ny zanako?”

 Nohazavain’i Eliso tamin’izy mivady fa tsy nalain’Andriamanitra ny zanak’izy ireo. Noresahiny tamin’izy ireo koa ny vidim-panavotana sy ny fitsanganana amin’ny maty ary ny antony mahatonga an’Andriamanitra mamela ny zava-dratsy hitranga. Samy nilaza izy mivady hoe valin’ny vavaka nataon’izy ireo mihitsy ny fanazavan’i Eliso.

 Niverina indray izy mivady, herinandro taorian’izay, ary niara-nianatra Baiboly tamin’ilay vehivavy izy ireo. Ilay toko hoe “Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty” ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? no nianarana tamin’izay. Nazoto nandray anjara tamin’ilay fianarana izy mivady.

 Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Tbilissi, any Géorgie, izy mivady tatỳ aoriana. Nihetsi-po be izy ireo rehefa nahita hoe tena mifankatia sy miray saina ny mpanatrika. Efa ela be mantsy izy ireo no niezaka nampirisika ny mpiangona tao aminy mba hifankatia sy hiray saina nefa tsy nisy vokany mihitsy.