Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 132

Iray Isika Izao

Iray Isika Izao

(Genesisy 2:23, 24)

  1. 1. Ela ny ela, io ’lay niriko.

    Tsy irery intsony aho, tojo ilay tiako.

    Nomen’i Jehovah ahy ianao.

    Iray isika izao:

    Dia nofo iray sy fo iray,

    Manomboka eto ho mandrakizay;

    Ka lasa fianakaviana

    Fa efa tia sy tiana.

    ’Zaho sy ianao dia tsy mba hifandao.

    Ny fitiavantsika,

    Tsy ho lefy na hangatsiaka.

    Isika izao efa mpivady,

    ’Ndao hiara-dia hanefa ilay voady:

    Hiara-hanompo an’i Jehovah

    Sy mba hifankatia doria.