Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mamy Tsy mba ho Lany

Ny Mamy Tsy mba ho Lany

Haka:

  1. 1. Raha hoe tsisy namana aho hoatr’izay, dia angamba aho efa tsy hay.

    ’Zao kosa aho te ho ando hampahery, ho an’ny hafa indray.

    Raha toa aho ’zao lasa tia tena, dia ho ketraka ny foko.

    Raha toa aho mahafoy tena, fifaliana maro loko,

    Fa tsy hitoloko.

    (FIVERENANA)

    Raha mbola haiko dia tiako hatao. Raha mbola an’ahy dia tiako ho anao,

    F’izay no tsara ’ndrindra am’izao.

    Ka mandrakizay, tsy izao ihany. Ny fiainako ho hoatr’izany:

    Ny mamy tsy mba ho lany.

  2. 2. Raha mbola misy hery hanao soa ny tanako ankiroa,

    Tsy hijanona aho fa handrandrana tady mampifandray ny fo.

    Raha toa aho ’zao lasa tia tena, dia ho ketraka ny foko.

    Raha toa aho mahafoy tena, fifaliana maro loko,

    Fa tsy hitoloko.

    (FIVERENANA)

    Raha mbola haiko dia tiako hatao. Raha mbola an’ahy dia tiako ho anao,

    F’izay no tsara ’ndrindra am’izao.

    Ka mandrakizay, tsy izao ihany. Ny fiainako ho hoatr’izany:

    Ny mamy tsy ho lany.

    (TETEZANA)

    ’Zaho tsy mba hiala, ’zaho tsy hanahy.

    Ny fiainako izao no mahasambatra ahy. Sambatra aho, tsisy ahiahy.

    (FIVERENANA)

    Ka ’zao no hataoko fomba fiaina: Raha misy tsara dia zaraina.

    Faly ny fo, tony ny saina.

    Ka mandrakizay, tsy izao ihany. ’Ndao dia ho hitanao:

    Ny mamy tsy mba ho lany.

    Ny mamy tsy mba ho lany.

    Ny mamy tsy mba ho lany.