Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manomeza Voninahitra An’i Jehovah Amin’izay Rehetra Anananao

Manomeza Voninahitra An’i Jehovah Amin’izay Rehetra Anananao

Haka:

  1. 1. Efa an’i Jehovah anie ’zao rehetra izao,

    Tsy misy tsy ananany ’tsony.

    Koa inona izao no azoko atolotra azy,

    ’Zay mba tena hampifaly ny fony?

    Raha izaho no hifidy, dia izay sarobidy,

    Homeko amin’ny fo.

    (FIVERENANA)

    Omeko anao, Jehovah, ’zay rehetra azoko omena.

    Ny fiainako, Jehovah, omeko tsy terena.

    Fa sarobidy izany,

    Ka tiako ho anao, ho anao ’rery ihany!

  2. 2. Ianao tena tia sady miahy isan’andro,

    Ary sambatra aho manana anao.

    ’Zay azoko atao dia hisaorako anao.

    Foiko ho anao ’zay ananako izao.

    Eny izaho no hifidy, ka izay sarobidy,

    Omeko amin’ny fo.

    (FIVERENANA)

    Omeko anao, Jehovah, ’zay rehetra azoko omena.

    Ny fiainako, Jehovah, omeko tsy terena.

    Fa sarobidy izany,

    Ka tiako ho anao, ho anao ’rery ihany!